Oganda: Aretina Mampihozona Loha Tsy Mamela Ny Ankizy Hanana Ny Ho Aviny

Ny aretina mampihozona loha [ny rohy rehetra dia amin'ny teny Anglisy] dia aretina mampalemy ara-tsaina sy ara-batana izay mahazo ny zaza 1 ka hatramin'ny 10 taona. Faritra kely ihany ao Atsimon'i Sodana, Tanzania ary Avaratr'i Oganda no misy azy ity.

Amin'izao aloha dia tsy mety tsaboina ity aretina ity ary mbola tsy fantatra ny antony. Vao tsy ela izay, nisy olona efa antitra maromaro nampiseho ihany koa ny fambaran'aretina. Ny tena betsaka voan'ilay aretina dia ny faritra avaratry ny firenena. Tsy mamela ny ankizy hamokatra ity aretina ity noho izy ireo tsy afaka manao na inona na inona irery, na dia handray antsy hanaovana sakafo aza ho an'ny ankizy vavy, ary na dia hitazona angady hambolena voa iray monja aza ho an'ny ankizy lahy.

Ny lehilahy lehibe 18 taona dia mety ho lasa toy ny zaza 3 taona ary tsy maintsy trotroina sy fihinina mba hahazo hafanàna ny vatany. Ny fambara voalohany amin'ity aretina ity dia ny fihozonan'ny loha tsy ankiato, ny tsy fahafahana misakafo sy misotro. Avy eo, mampiseho fahatarana ara-tsaina sy ara-batana ilay zaza.

Ogande iray mpanao gazety, Florence Naluyimba, no voalohany nandray andraikitra hanadihady sy nitondra ity olana ity hiseho masoandro. Nilaza izy fa na dia miezaka mamatsy fanafody aza ny governemanta hanampiana ireo  tra-pahavoazana amina tobim-pitsaboina 3, voatery mandeha an-tongotra lavitra ry zareo na mandeha bisikileta hamonjena ireo tobim-pitsaboana. Tsy afaka mandeha irery mankany amin'ny hopitaly ireo marary ary tsy maintsy babena na apetraka ambony bisikileta amina 30 km no mihoatra.

Mampifanintona matetika ity aretina ity ary indraindray dia mampienjera anaty afo, zava-maranitra na anaty dobo/ony, ka mitarika fahafatesana na faharatràna goavana. Maro ireo ankizy bory ratsam-batana toy ny ratsan-tànana tao anatin'ireny loza ireny. Indraindray aza malemy loatra ireo tra-doza ka tsy mahatomany intsony.

Ny Tobim-panaraha-maso ny aretina dia mikasa ny hanaparitaka “entona” (spray) amin'ny rivotra hamonoana ireo lalitra mainty, izay heverina fa antony voalohany mitarika ity aretina ity. Mbola tsy fantatra mazava anefa na hanampy izany na tsia.
Mitaraina ireo mponina ogande fa nisy santionany nentina tany Etazonia tamin'ny 2010, fa tsy mbola nahazo vaovao marim-pototra mikasika ny fomba fitsaboana sy ny antony ry zareo hatramin'izao.

Ireto manaraka ireto dia sary vitsivitsy sy lahatsary YouTube momba ny aretina.

Aretina mampihozona loha vao miandoha.
Sary: ugandaradionetwork.com

Ankizy feno ratra ny tarehiny taorian'ny nianjerany tanaty afo nandritra ny fanintona
Sary: 256news.com

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.