Zava-Nahagaga Kely tamin'ny Fifidianana Parlemantera tany Timor Atsinanana

Seza 65. antoko 18. mpifidy 647,814.

Isan'ireo isa manan-danja ireo ambony ireo raha nanao ny fifidianana parlemanterany i Timor Atsinanana ny 7 Jolay 2012. Ity izany no fifidianana fahatelo tamin'ity taona ity hatramin'ny nisian'ny fifaninanana ho filoham-pirenena indroa miantoana tamin'ny 17 Martsa sy 16 Aprily 2012.

Nanolotra valim- pifidianana tsy ofisialy sy ny isan'ny seza ho azon'ny antoko mpandresy i La'o Hamutuk:

Raha ny valim-pifidianana feno voalohany navoakan'ny STAE, dia ho toy izao no hizarana ny seza 65 eo amin'ny parlemanta manaraka any Timor Atsinanana, raha ny fomban'ny 3% Threshosld sy D'Hondt no ampiasaina hanomezana ireo seza ireo:

CNRT: 30
Fretilin: 25
Partido Democratico: 8
Frente-Mudanca: 2

Raha tafakatra maherin'ny 200 ny vaton'i KHUNTO amin'ny isa farany, dia tafakatra amin'ny dingana manaraka  izy ary mahazo seza roa, avy amin'ny CNRT sy ny Fretilin.

Milaza ny lalàna any Timor-Leste fa ireo antoko izay nahazo vato latsaky ny 3% isan-jato amin'ny vato manankery dia tsy tafiditra amin'ny mahazo seza.

Antoko mpikarakara ny antontan-taratasy ny  CNRT ary ny Freitlin kosa no mpanohitra mavesa-danja. Namerina nijery ny valim-pifidianana sy ny fidiran'ireny amin'ny ara-politika i The Lost Boy:

Teo amin'ny 75% teo no tahan'ny fandraisan'anjaran'ny mpifidy (74.78% raha ny tena marina raha jerena eo amin'ireo antontan'isa etsy ambony).

Nanao fampielezan-kevitra ny antoko Ramos-Horta fa hoe ratsy ity fifidianana ity raha oharina amin'ny tamin'ny farany teo.

Mbola handalo 5 taona indray izany isika hoentin'ny governemantan'ny fiaraha-mitantan'i Gusmao, izay midika hoe dimy taona amin'ny fandaniam-be amin'ny tetikasa ara-poto-drafitr'asa sy ny mitovitovy amin'izany.

Nanamarika ny tsy fisian'ny vaovao avy amin'ny haino aman-jery iraisam-pirenena ihany koa ny mpanoratra.

Ka dia natao androany ary ny fifidianana tany Timor Leste, tsy ianao akory no tsy nahita fa kely mihitsy ny fironana avy amin'ny vaovao iraisam-pirenena.

Ny fifidianana no tena tiana ahatongavana, ny iray izay hamaritra ny taona ho avy any Timor Leste, nefa fifidianana telo ao anatin'ny taona iray dia ampy nanakombona ny ankamaroan'ireo trano fanontam-baovao.

Tontosa ihany ny fifidianana ary nifidy ny vahoaka na dia teo aza ny zara fa ezaka nataon'ny haino aman-jery iraisam-pirenena.

Vata fandatsaham-bato any Timor Atsinanana. Sary avy amin'ny IRIglobal

Ny International Foundation ho an'ny Rafi-Pifidianana no nitantana ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny voalohandohan'ity taona ity ary nanome ireto lisitry ny tsy fanarahan-dalàna ireto izay soa ihany fa efa noresahana talohan'ny fifidianana parlemantera tamin'ny faran'ity herinandro ity:

Nirongatra ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ireo fihodinana roa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny Martsa sy Aprily 2012. Niatrika tsy fahampianà vatom-pifidianana ny faritra sasany teto amin'ny firenena noho ny hadisoan'ny fanombanana ny tahan'ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana. Fanampin'izany, nosimbain'ny andro ratsy ny vato sasany ary nanano-sarotra ny fandaminana ny fitaovana. Teo ihany koa ny tranga notaterina mikasika ny kalitaon'ny ranomainty tsy mety voafafa sy ny mpifidy mampiasa finday misy fakan-tsary hakana sary ny vatom-pifidianana nisy marika.

Nangatahana ihany koa ny mpifidy mba hifidy any amin'ny sucos (toerana eo an-tanàna) izay mahavoasoratra ny anarany, izay niteraka fandaniana tsy misy dikany ho an'ny mpifidy sasany.

Niasa niaraka tamin'ny mpanara-maso iraisam-pirenena  i Timor Atsinanana sy ny Indonesia Action Network teo amin'ny fanaraha-maso ny valim-pifidianana.

Inona no tena nandrasantsika ho hita? Inona no jerentsika? Inona no antenaintsika?

Manomboka amin'ny fanontaniana farany- ny antenaintsika, ambonin'ny zavatra rehetra, dia”malalaka, rariny, ary mangarahara” – ny fandehan'ny teny filamatry ny fifidianana demokratika.

Mba hijerena ny hoe ahoana :

- no iantohana ny zon'ny vahoaka amin'ny fifidianana malalaka sy voaaro. Manana adidiy ny Fanjakana ny hiantoka fa mandeha tsara ny fifidianana.
– no iarovana tsara ny zo hiaina am-pilaminana.
– no ahafahan'ny vahoaka na ny mpifidy mampihatra malalaka ny zony.

Ambonin'ny zavatra rehetra, ny fanaraha-maso ny fifidianana dia fanohanana fotsiny ihany. Mijery izany isika. Maka an-tsoratra. Mitatitra vaovao. Fa tsy miditra an-tsehatra. Antenaintsika fa ny fisiantsika dia ho lasa toy ny fepetram-piarovana (raha ilaina izany)  nefa, ny tena zava-dehibe, dia hoe endriky ny firaisan-kina izany.

Ny tenifototra #eleisaun2012 sy  #timorelections no nampiasaina hitaterana ilay fifidianana. Ireto misy fihetseham-po vitsivitsy:

@yatespj tantara be avy amin'ny #eleisaun2012 ny fanjavonan'ireo antoko madinika – ary koa tsy nifantoka tamin'izy ity, toy izay nataon'ny CNRT&FRETILINA, ny PD.

@georgedarroch Vita izao ny fampielezan-kevitry ny  Euro & #Eleisaun2012 dia hangingina.  Tsy misy intsony ny afomanga amin'ny 6am, ny fandehandehanana bisikileta, kamiao mitondra tanora mitsinjantsinjaka.

@ReesEdward manamafy manome tanjaka ara-politika kokoa ny Xanana miaraka amin'ny volan'ny solika/angovo oharina amin'ny FRETILIN. Vita ve izany ny ho avin'ny politikan'ny Alkatiri?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.