Lahatsary: Manampy Ny Irakiana Hody An-Tanindrazana Ny Tetikasa Iray

Miezaka mafy manampy ireo Irakiana miandry ny fahavitan'ny atonta- taratasy fampodiana azy ireo ny Iraqi Refugee Assistance Project IRAP (Tetikasa Fanampiana Ireo Mpitsoa-ponenana Irakiana).

Mitantara momba ireo mpitsoa-ponenana ity andian-dahatsary ity ary mampiseho ny politikam-piarovana amin’ny fanomezana solontena ara-dalàna  sy fanampiana ireo mpitsoa-ponenana rehefa tafody soa aman-tsara izy ireo, manampy azy ireo amin’izany ny tetikasa IRAP.

Mampiseho ny tantaran’i Ekhla sy ny zanany ary manazava ny antony tsy maintsy nandaozany an’i Iràka  sy ny fitadiavany toeram-ponenana eny rehetra eny ireto lahatsary roa manaraka ireto. Ny  tahotry ny ho faty sy ny olana ara-pahasalamana mety ahazo ny ankizy noho ny vokatry ny ady hoy izy ireo no antony roa lehibe mahatonga izao.

Ho an’i Zaman kosa, nilaza izy fa noho ny herisetra  ara-nofo amin’ny  maha vehivavy azy sy amin’ny maha mpino anaty fivavahana vitsy an’isa  azy, ary ny herisetra atao amin’ny fianakaviana rehetra no anisan’ny antony nialàn’izy ireo tao Iràka. Nipetraka vonjimaika miandry izay tohiny ao Amman izy ireo nandritra ny 5 taona: tsy afaka niasa sy nianatra, eo am-pandriana sy ny lalantsara no andanian’ireo fianakaviana miisa 6 ny androny, miandry ny vahaolana ahafahan’izy ireo mifindra toerana sy miaina araka ny tokony izy.

Raha ny fanirian’i Mustafa ohatra dia ny hanohy ny fiainany araka ny tokony ho izy. Amin’ny maha mpitsoa-ponenana azy, matahotra izy sao hisy hamono raha hiverina an-tanindrazana, ka aleony manohy mivelona ao Jordan miaraka amin’ny rahalahiny sy ny namany roa. Tsy afaka miasa ara-dalàna izy ireo,  manantena ny fandrosoan’ny fotoana haingana fotsiny no mandany ny androny amin’ny: resadresaka, mijery fahitalavitra ary mikarakara sakafo, ary tsy mandeha lavitra ankoatra ny eny an-tsena rehefa miantsena mitady sakafo. Tahaka ny Miozolomana shiita sy mpitsoa-ponenana ohatra,  indroa tratran’ny fanavakavahana izy tao amin’ny firenena izay mitady azy ireo mba hiala ao tahaka azy ireo izay te handeha ihany koa.

Niafara tamin’ny zavatra mahafinaritra anefa ny sasany tamin’ireo tantara ireo: ny fianakaviana Ibrahim sy  Mustafa ohatra afaka nafindra monina tao Etazonia, mbola eo am-pamaranana ny fikarakarana ny tratasiny kosa ny momba an’i Zaman sy ny fianakaviany.

Mpianatra manam-pahaizana ao amin’ny sekolim-pampianarana lalàna Yale no tompo-kevitra tamin’ny tetikasa Fanampiana ny Mpitsoa-ponenana Irakianina  mba hanomezana solontena ara-dalàna sy politikam-piarovana  ho an’ny Mpitsoa-ponenana  mitady toerana honenana, sy  mbola hanaraha-maso ihany koa ireo izay efa tafody. Valo hafa avy amin’ny sekolim-pampianarana làlana  sy mpanolo-tena an-tsitrapo an-jatony maro, anisan’izany ny mpianatra, ny mpisolo vava sy ny mpiaro ny zon’olombelona, no niara-nisalahy amin’ny famahana izany olana mihatra amin’ny Irakiana izany.

Fomba maro isan-karazany no atolotry ny tetikasa IRAP  mba ahafahan’ny olona manampy sy manolo tànana na milatsaka an-tsitrapo na manome fanomezana, raha mila fanampim-baovao, azo tsidihana ny tranokalany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.