Tonizia: Tambazotra An-tserasera Hanarahana Maso Ny Fanararaotana Diso Tafahoatra Ataon'ny Mpitandro Filaminana

Ny Yezzi [midika hoe “tofoka” amin'ny fiteny Toniziana], dia vohikala “hanarahana maso ireo mpitandro ny filaminana ao Tonizia”, natao hanangonana vaovao na tatitra mikasika ny fanararaotana diso tafahoatra ataon'ny mpitandro ny filaminana eo amin'ny fangatahana tsolotra, fikasihan-tanana na fanolànana hatramin'ny  fanavakavahana ara-bolon-koditra  ary fandrahonana ho faty. Noforonin'ny Fikambanana Toniziana mitady fahafahana amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana niomerika [fantatra amin'ny fanafohizan-teny frantsay hoe ATLN] io tambajotra io ka ny ampiasaina amin'izany dia teknolojia vaovao ahafahana mamorona tambajotra an-tserasera toa an'i Yezzi, izany natao ” hanampiana hisianà fiaraha-monina demokratika, malalaka sy misokatra ao  Tonizia”.

Tamin'ny volana  Aprily farany teo, dia nahazo ny laharana voalohany ny vohikala  Yezzi  teo amin'ny fifaninanam-pirenena eo amin'ny famoronana kajy mirindra (rindrambaiko) azo ampiasaina maimaim-poana, izay nahazo mari-pankasitrahana ho ny tetikasa mivelatra sy vaovao indrindra tamin'ity taona ity.

Toy izao manaraka izao no namaritan'i ATLN  ny vohikala Yezzi [fr]:

Basé sur la plateforme Ushahidi, Yezzi est destiné à collecter les témoignages de violence envoyés par mobile, web, email et SMS, et les placer sur une Google Map. Yezzi utilise le concept de crowdsourcing au service de la cartographie sociale en mobilité, combinaison d’activisme social, de journaliste citoyen et d’information géographique…
Nous pensons que la transparence peut aider à résoudre bien des problème ainsi qu’à mieux les appréhender.

Mifototra amin'ny  tambajotra Ushahidi  ny vohikala Yezzi, natao hanangonana amin'ny alalan'ny finday, tranonkala, mailaka ary SMS, ny fijoroana vavolombelona avy amin'ireo niharan'ny herisetra, ary mametraka izany ao anatin'ny Google Map. Manaparitaka ny foto-kevitra fanangonana avy eny ifotony ataon'ny olona rehetra amin'ny fananganana sarintany sosialy amin'ny  alàlan'ny tolotra finday, fampiarahany ny hafanam-po sosialy sy ny angona ara-jeografika ny Yezzi.
Mino izahay fa ny fisian'ny mangarahara dia tsy hanampy fotsiny ihany amin'ny famahana ny olana fa indrindra indrindra hanampy eo amin'ny fanakàrana azy ireny.

Ny vohikala Yezzi.info dia fanarahana maso ireo mpitandro ny filaminana ao Tonizia
Mangarahara miady amin'ny Herisetra

Nandritry ny taona maro, tsy nisy nahatsikaritra sy tsy voasazy ny kolikoly ataon'ny mpitandro filaminana ao Tonizia. Miresaka momba izany fomba ratsy izany ny vahoaka, nefa vitsy ireo sahy miresaka zava-tsy mety toy izany imasom-bahoaka, na koa mampahafantatra izany amin'ny Fitsarana. Ny Yezzi dia nanome fahafahana ireo izay efa sendra izany fanararaotana diso tafahoatra ataon'ny mpitandro filaminana izany hanao tatitra ireny trangan-javatra ireny, ary tsy mitonona anarana izy ireo raha tiany izany. Afaka mampiditra horonantsary sy sary maneho izany fanararaotana ataon'ny mpitandro filaminana izany ihany koa ireo rehetra mpikambana ao amin'io vohikala io.

Noharabain'ny mponin'ny aterineto ny Yezzi:

Noharabain'ireo Toniziana mpampiasa aterineto ny Yezzi. Ireto  ny sasany amin'ny fanehoan-kevitr'izy ireo tao amin'ny Twitter.

@Da7dou7a: tn.yezzi.info Bonne initiative, quoique purement informative : un site pour dénoncer les dépassements de la police, ‪#Police‬ ‪#Enahdha‬

@Da7dou7a: tn.yezzi.info Tsara ilay eritreritra, na dia hilaza ny zava-misy fotsiny ihany aza: vohikala iray ahafahana mitatitra fandikan-dalàna ataon'ireo mpitandro  filaminana. ‪#Police‬ ‪#Enahdha‬

@Azyyoz: J'ai posté “Admin pub SVP tn.yezzi.info/reports ” sur la page du Ministère d'Intérieur => immédiatement bloqué 😀

@Azyyoz:Nanoratra ity hafatra manaraka ity aho tao amin'ny takelaka Facebook-n'ny Ministeran'ny Atitany: “Fampitandremana ho an'ny manam-pahefana tn.yezzi.info/reports “=> nosakanan'izy ireo avy hatrany  io hafatra io 😀

@JasminTN: Yezzi.info , ça pourrait être utile, enfin, je ne l'espère pour aucun d'entre vous ! tn.yezzi.info/main

@JasminTN:  mety hisy ilàna ny Yezzi.info , nefa manantena aho fa tsy dia ilainareo loatra ny fisian'izy io! tn.yezzi.info/main

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.