Isiraely: Tatitra Fa Tsy Misy Fibodoana Rabirabian'ny Mpiserasera

Nitondra ny  tatitra  tany amin'ny praiministitra ireo delegasionina mpahay lalàna manokana notendren'ny governemanta  Netanyahu izay nirahina hampitony ireo voanjo sy handinika ny maha-ara-dalàna ny fametrahana toby miaramila any Amoron'i Jordania. Nilaza ny tatitra izay natolotra tamin'ny 21 Jiona, saingy mbola tsy navoaka hatramin'ny omaly, fa tsy hery mpanani-bohitra [mibodo tany] ao Amoron'i Jordania i Isiraely ary fanampin'izany, tsy mihatra amin’i Amoron'i Jordania ihany koa ny Fifanekena Fahaefatra  natao tao Geneva, midika izany fa manan-jo hanori-ponenana sy hametraka toby miaramila ao amin’ny faritra i Israely.  Nataon’ny mpianatra lalàna  sy ny mpiserasera Israeliana fihomezana fotsiny ny tatitra noentin’ireto iraka manokana notarihin’ilay mpitsara teo aloha tao amin’ny fitsarana tampony Edmond Levy io.

Naneho ny heviny tao amin'ny  Twitter ny olona sasany:

Mpikatroka sady mpamahana bolongana Itamar Sha'altiel namazivazy hoe:

עברנו מ”כיבוש” ל”איטס קומפליקייטד”

@ItamarS: Avy any amin’ny “fibodoana” mankany amin'ny “sarotra ny milaza azy” isika

Mpamokatra lahatsary Omer Shapira nanoratra hoe:

ישראל: ״אין כיבוש״. פלסטינים: איזה כיף! אז אפשר חופש תנועה וזכות הצבעה? ישראל שניה, טלפון

@OmerShapira: Isiraely: “Tsy misy “fibodoana”.” Palestiniana: “Tsara! Afaka mivezivezy malalaka sy manan-jo hifidy ve izany izahay? Isiraely: “Andraso kely, misy miantso amin’ny finday aho”

Nandefa fijery lalina toy izao i Alex:

אל תגלו לתקציב הבטחון שאין כיבוש, זה יגמור אותו

@alex10dlr: Aza ambara ny tetibolan’ny fiarovana fa tsy misy ny “fibodoana”, tonga dia vita ny aminy

Kaonty sandoka an’ny Praiminisitra Isiraeliana nanoratra hoe:

אובמה התקשר אלי ושאל אם אדמונד לוי יסכים לחבר דו”ח על מחנה המעצר בגוואנטנמו.

@fake_bibi: Niantso ahy i Obama ary nanontany ahy raha afaka manao tatitra momba ny fonjan’i  Guatanamo i Edmond Levy

Naneho hevitra mahatsikaiky  tahaka izany ihany koa mikasika ilay tatitra ny hafa, maro tamin’izy ireo no nampiasa ny sarin’i Edmond Levy, mpitsara ao amin’ny an-kavanana izay nitarika ny delagasionina.

We Won't Be Silent (tsy hangina izahay), fanentanan'ny New Israel Fund, nanambara hoe:

Mpitsara Edmond Levy: “Tsy misy fibodoana”. vehivavy palestiniana eo amin'ny toera-pisavana: “Mila mandà izany izahay”

Amir Schiby, mpamokatra lahatsary fanta-daza avy amin'ny hery ankavia namoaka ireto sary ireto:

Mpitsara Levy niteny an'i Netanyahu  teo am-panolorana ny tatitra: “Tapakila roa mandeha any Hague”, “ry zareo no miantoka ny fampiatranoana sy ny fanadiovana [Fitsarana iraisampirenena]”


Mickey Jerby namoaka izao sary izao:

“Tsy misy ny fibodoana”

Pejy facebook Israeliana The Selfish Meme (Hatsikan'ny Tia Tena) nampiseho an’i Edmond Levy tahaka an’i Neo tamin’ny Matrix:

“Tsy misy ny fibodoana”

Mpamahana bolongana Ami Kaufman nandefa ny sarin’ilay  miaramila vavy mihoa-pahefana Eden Abargil:

“Henoy ange, hoesoriko ny fanapena-maso. Lazao raha mbola mahita fibodoana hatrany ianao”

Mpikatroka ao amin’ny hery ankavia John Brown nandefa ity sary ity:

“Hitanao izany? Efa nilaza taminao aho fa tsy misy ny fibodoana”

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.