Global Voices Podcast: Jambo Avy Any Kenya! Ilay Fivoriamben'ny Global Voices

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Miaraha an'izao tontolo izao ary jambo avy any Kenya!

Tongasoa eto amin'ny Global Voices podcast. Inona no hoavin'ny mediam-bahoaka ao anaty aterineto? Anatin'ity andiany ity (sy ny manaraka) haheno avy amin'ireo tonian-dahatsoratra, mpanoratra, mpiara-manorina sy ireo mpandray anjara hafa tamin'ny Vovonamben'ny Mediam-bahoaka Global Voices 2012 tany Nairobi ianao mikasika ny hoavin'ny fiaraha-miasanay ao anaty aterineto.

Tanterahana isaky ny roa taona ny Vovonamben'ny Global Voices ary maro ireo lohakevitra velabelarina ao anaty fandaharana, mety maro loatra ka tsy voafintina anaty podcast iray nefa azo antoka fa maro misy hosaintsainona  eto.

Voalohany, ndeha hampahatsiahy kely, fotoana maro tao anatin'ny taonan'ny aterineto ary handinika ny fototr'ity zavatra antsointsika hoe Global Voices ity. Manazava ny niandohan'ny Global Voices ny mpiara-manorina azy Ethan Zuckerman, ny zava-niseho any amin'ireo Vovonambe, sy ny heviny momba ny hoavy.

Toerana hihaonana sy hahafantarana zavatra bebe kokoa momba ireo mpanoratra, mpiara-miasa izay avy any amin'ny vazan-tany rehetra any ny #GV2012. Nientanentana daholo ny rehetra, nefa i Elaine Díaz avy any Havana, Kiobà no iray amin'ireo mpandray anjara natahotra indrindra. Eto izy dia manazava bebe kokoa momba ireo vahoakan'ny aterineto any Kiobà.

Tsy fivondronan'ny Global Voices izany raha tsy misy vahoaka maranin-tsaina sy manam-peo avy manerana izao tontolo izao. Andrea Arzaba dia mpanao gazety any Meksika ary nanangona fandinihana vitsivitsy momba io hetsika io ny tenany, manomboka amin'ny fijeriny manokana.

Daudi Were dia mpitoraka bilaogy any Kenya izay manoratra ao amin'ny Mentalacrobatics. Izy ihany koa no MC nampiala voly indrindra nandritra ilay Fihaonana ho an'ny daholobe natrehan'olona miisa 300. Nanazava ny fifandraisany amin'ny Global Voices sy ny fomba hitohizan'ny teknolojia Kenyana hitondra fanavaozana hatrany izy, indrindra manodidina ny resaka finday.

GV2012 Group Photo

Sarin'ireo olona nanatrika ny Vovonamben'ny Global Voices tany Nairobi, Kenya.

Ny fiantraikan'ny mediam-bahoaka

Avy amin'ny alalan'ny Global Voices, afaka manamafy ny tatira sy ny fomba fijeriny ny olona izay tsy misy mpiraharaha indraindray.

Leila Nashawati Rego dia Espaniola sy Siriana mafana fo amin'ny zon'olombelona . Mampianatra ny Fifandraisana any amin'ny Anjerimanontolon'i Carlos III any Espana ny tenany ary manoratra ho anà famoahana manana ny hajany maro ihany koa. Niady hevitra momba ny fitomboan'ny mediam-bahoaka ao anaty aterineto sy ny vokatr'izany fihitarana izany izahay.

Mandra-pihaona, fa tsy veloma

Nisy vaovao nangidy kely ihany koa nivoaka nandritra ny Vovonamben'ny Global Voices. Nilaza taminay i Sami Ben Gharbia avy any Tonizia fa niala tamin'ny toeran'ny Talen'ny Global Voices Advocacy ny tenany. Noho izany, raha ny fanao dia fotoana izany nandinihana ny zava-bitany sy hijery ny zavatra mbola hiandry azy.

Tahaka ny fanao, isaorana ireo mpanohana, mpamokatra ary mpiangaly zava-maneno rehetra izay nanampy tamin'ny fanatanterahana izany. Afaka mijery bebe kokoa momba ilay vovonambe ianao amin'ny alalan'ny fitsidihana ny tenifototry ny Twitter #GV2012 sy ny fitsidihana ireo pejy natokana ho an'ilay Vovonambe.

Ny Podcast-n'ny Global Voices. Mitafa izao tontolo izao, manantena aho fa nihaino ianao.

Fisaorana amin'ny Feon-kira
Anatin'ny podcast ianao dia maheno feon-kira maro maha-te ho tia Creative Commons . Isaorana i Mark Cotton tamin'ireo famoronany mahatalanjona ary isaorana ihany koa ireo feo mahagaga nandritra ny seho sy ireo rakitsary izay nanampy nampitambatra  ilay podcast ho iray.

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.