Shily: Tsy Manan-kialofana Ao Santiago

Sahala amin'ny any amin'ny tanàna maro manerana ny tany, ao Santiago, Shily, ireo volana iainana ny ririnina dia henjana sy zava-doza ho an'ireo tsy manan-kialofana.

Alejandro Rustom, mpiara-miasa iray ao amin'ny tranonkalanà sary fanao an-gazety Demotix, dia mampibaribary ny tena zava-misy iainan'ireo tsy manan-kialofana ao an-drenivohitra Shiliana sady manasongadina ny fomba entin'ireo olom-pirenena hanampiana azy ireny.

Alejandro manoratra hoe :

Any amin'ny Fileovan'i Franklin ao Santiago de Chili, misy vondron'olona miaina eny an-dalambe izay tsy manam-bintana hiaina ambany tafo sahaza. Mivelona eny an-joron'ny fiarahamonina ry zareo.

Vondronà iray ahitàna mpampianatra, mpianatra ary Ray aman-dreny ao amin'ny Kolejy Tereziana no nikarakara andiany hitsidika an'ireny olona ireny, mba hanolotra sakafosy fitafiana. Nestor Chavez Guerra, Profesora sady mpitarika ny sekoly pastoraly dia mihevtafa ny zavatra tena manan-danja indrindra dia ny mihaino ny olan'izy ireny sy ny filàny mba hahafahana mitndra fanampiana isaky y fitsidihana atao.

“Ramatoa iray tsy manan-kialofana mipetraka eo amin'ny dabilion'ny kianja malalaka iray.” Sary an'i Alejandro Rustom, fizaka-mànana Demotix.

“Tsikin'olona ira tsy manan-kialofana.” Sary an'i Alejandro Rustom, fizaka-mànana Demotix.

Asehon'i Rustom ny fomba ataon'ny tsy manan-kialofana sasany ao Santiago mba hivelomany:

“Maria, olona iray sahirana miezaka mivarotra kafe, dite sy mofo madinidinika mba hahafahany mivelona.” Sary an'i Alejandro Rustom, fizaka-mànana Demotix.

“_Olona iraytsy manan-kialofan miezaka miaina amin'ny faangnana taratasy.” Sary an'i  Alejandro Rustom, fizaka-mànana Demotix.

Alainy sary ihany koa ireo toerana amboarin-dry zareo mba hatorianasy ny ezak'izy ireny hiarovan-tena amin'ny hatsiaka :

“Olona iray matory manao ladina an-tany miaraa amin'ny alikany.” Sary an'i  Alejandro Rustom, fizaka-mànana Demotix.

“Fialofana an-tanan-dehibe natsangana avy aminà zavatra nariana sy fanaka hita teny rehetra teny.” Sary an'i Alejandro Rustom, fizaka-mànana Demotix.

Farany, alain'i Rustom sary ny fomba ataon'ny andianà olom-pirenea miezaka mitondra fiovàna amin'ny fiainan'ireny tsy manan-kialofana ao Santiago ireny :

“Tovovavy iray manolotra sakaf ho an'ny tsy manan-kialofana iray.” Sary an'i Alejandro Rustom, fzaka-mànana  Demotix.

Afaka mahita sary maromaro kokoa ianao a amin'ny andany roa natan'i Rustom mikasika ireo tsy manan-kialofana ao Santiago: Miezaka ny mivelona araka izay vitany ireo tsy manan-kialofana eny an-dalambe – Santiago, ary An-tsary : Shiliana tsy manan-kialofana manao izay hahatafitàna ny alina 

Ny sary rehetra dia eo ambany fizakà-mànana Demotix avokoa. Vakio ato misimisy kokoa  ny momba ny fiaraha-miasan'ny  Global Voices sy ny Demotix.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.