Malawi: Governemanta Vaovao Miatrika Fanamby Ara-toekarena sy Sosialy

Raha maro ireo malawita no feno fanantenana hatramin'ny nahatongavan'i Joyce Bandà teo amin'ny fitondrana ny firenena, ny sasany tamin'izy ireo kosa tsy maintsy namorona fomba azo atao mba hampifandanjàna ny vola miditra sy mivoaka manoloana ny  fiakaran'ny vidim-piainana.

Mikarataka ny tanora sasany hananany fiainana metimety kokoa avy amin'ny fitadiavany.Izany rehetra izany no mitranga mandritra ny tsy fisian-dasantsy, ny vola vahiny ary ny herinaratra, ary mbola tsy mipaka any amin'ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny fivoarana.

Toy izao no nosoratan'i Richard Chirombo momba ny tsy fisian'ny entana ilaina andavanandro ao Malawi:

Mitohy ny tsy fisin-dasantsy. Ary niharatsy mihitsy izany nandritra izay telo herinandro izay.

Mbola manamarika ny krizy ihany koa tsy fisian'ny vola vahiny, na izany nandritra ny roa taona nitondran'ny Antoko  Demokratika Mandroso efa tsy hita intsony na nandritra ny fitondran'ny Joyce Banda hatramin'ny 5 Aprily 2012.

Tsy mbola hita eny amin'ny hopitalim-panjakana eto Malawi foana ireo fanafody fototra ilaina.

Ny betsaka mbola mba misy aloha dia ny fanantenana.

Toy nisy fitombom-pahatokisana indray eo amin'ny fitondrana Banda, fitondrana izay manalefaka ireo mpampiely lainga toy ny Minisitry ny vola, Ken Lipenga.

Manazava ny fomba nataon'ny mponina eto amin'ity tanàna ity ahazoany vola amin'ny alalan'ny tetezana hazo  ny bilaogera Vincent Kumwenda avy any Lilongwe . Tsy manana fahazoan-dalana ary tsy mandoa hetra amin'ny fitantanana ny tanàna ireo mpandraharaha manamorona ny renirano Lilongwe:

Mahazo vola amin'ny fakàna hetra amin'ity tetezan-kazo izay namboarin'izy ireo eo amin'ny renirano Lilongwe ireo tanora malawien. Loharano: vincekumwenda.blogspot.com

Renirano tsy ahazoana tombontsoa raha ho an'ireo mpandalo isan'andro fotsiny. Iray amin'ireo renirano maloto indrindra eo amin'ny manodidina ary tsy misy varotra matotra afaka mandroso amin'izany. Saingy loharanom-bola kosa, ho an'i Dalitso Chimwaza. Mahazo vola noho ny fakàna saram-pandalovana amin'ny tetezana hazo namboariny eo amin'ny renirano Lilongwe i Dalitso sy ireo namany. Nahaisa tetezana efatra tantanina fikambanana samihafa izay mifanaretsadretsakaseka sy manome famerim-bola ho an'ny mpandalo ny tetezana aho. Misy ireo olona no mandalo matetika ny tetezana isan'andro. Namboarina avy amin'ny vatan-kazo [ramy] lehibe sy hazo hita eny an-tsena eny eo akaiky ny tetezana.

Izany no zavamisy raha mivonona amin'ny fandaniana ny teti-bola 406 miliara Kwacha (1,63 miliara dolara eo ho eo), manomboka ny Jona 2012 hatramin'ny Jona 2013 ny Parlemantan'i Malawi. Ny minisitry ny Fitatanam-bola , Ken Lipenga no nanolotra ny  “Tetikasam-piakarana indray

Mandritra izany fotoana izany, mbola mikorontan-tsaina noho ny fahalasanan'ny filoha teo aloha Bingu wa Mutharika ny firenena:

Joyce Banda, filoham-pirenena Malaoita, nandritra ny fanambarana tamin'ny fivoriam-be ny DFID taona 2012. Saripika nozaraina tamin'ny alalan'ny Flickr DFID, sous licence Creative Commons (CC BY-NC-ND 2.0) .

Sarotra ho an'ny fo mafanan'i Malawi ny nifehy 76 andro taorian'ny nahafatesan'ny Pr. hajaina Bingu wa Mutharika izay. Nanao sy nanala zavatra maro ny ‘fitondrana vaovao’, izay nandimby ny mpitondra Afrikanina nodimandry. Niova haingana loatra ny toe-javatra, hany ka tsy afaka  nilaza zavatra ara-potoana ity bilaogy ity. Tsy nitombina tahaka ny nandritra ny volana maromaro lasa ny zavamisy.Alaivo sary an-tsaina ny hoe maheno filazan'olona iray amin'ny fiovan-toerana eo amin'ny governemanta, andro maromaro talohan'ny fanambarana ofisialy. Mihazakazaka tsy miato ny tsaho nandritra izay 67 andro izay, mihoatra kokoa noho ny 8 taona nitondran'ny Pr.Mutharika. Ny tena mampanahy ahy, dia hita fa marina ny ankabeazan'ireo tsaho ireo. Misy hisy hanara-maso ny fivoaham-baovao.

Na dia izany aza, misy fanontaniana maro izay mendrika ho halalinina amin'ity bolongana ity. Nandaniako fotoana mihitsy ny fanoratana ny  lahatsoratra noho izy mety hiteraka zavatra hafa sy ny fivoarany haingana ao anatin'ny fotoana.

Taorian'ny Fodiamandrin'ny Filoha Bingu wa Mutharika ny volana Aprily, napetraka tamin'ny fomba ofisialy ho Filoham-pirenena Malaoita teo anivon'ny antenimieran'i Lilongwe ny Asabotsy 7 Aprily 2012 teo ny filoha lefitra Joyce Banda. Izy no olona faha-efatra nandray io asa io – kanefa vehivavy voalohany – ary miasa mandra-pahatapitry ny fe-potoana itondran'i Mutharika amin'ny May 2014.

Joyce Banda no Filoham-pirenena vehivavy faharoa ao Afrika taorian'i Ellen Johnson Sirleaf ao Liberia.

Mandritra ny fe-potoana nitondrany, niatrika tsindry mafy teo amin'ny sehatry ny firenena sy iraisampirenena  ho fanatsarana ny toe-draharaha politika sy ara-toekarena ary sosialy ao Malawi i Mutharika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.