Okraina: Tapitra ny “Euro 2012″ Ankehitriny!

Raha Okraina no nahazo nampiantrano ny “Euro 2012″ niaraka tamin'ny Polonina, maro no nahita azy io ho fotoana anararaotana hanatsarana ny endrik'i Okraina amin'ny maha-firenena Eoropeana azy. Saingy tsy mora izany.

Takon'ny fahasarotana ara-toekarena, ny fifanolanana teo amin'ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena noho ny fanagadrana ny praiminisitra teo aloha Yulia Tymoshenko (jereo eto ny lahatsoratra GV), sy ireo  adi-hevitra hafa ankoatr'ireo efa voatonona, ary ny tena manimba angamba, ny filazana fa mety hisy ny fanavakavahana ara-pirazanana mandritra ny lalao izay notaterin'ny  gazety britanika (jereo eto ny lahatsoratra GV) ny fanomanana ny lalao. Ilay endrika matroka no niraikitra avy hatrany ka nahatonga mpandraharaha sasany hanapa-kevitra ny hametraka an'i Okraina ho toy ny firenena mampidi-doza.

Ho setrin'ireo filazalazana ratsy ataon'ny media sy ireo tsy fetezana tsapa nandritra ny fanomanana teo an-toerana, nandray an-tanana nanangana tetikasa maro tao an-toerana ireo Okrainiana tany amin'ny tanàna nampiantrano ny Euro 2012 mba hampiseho ny fireneny ho toy ny toerana mahay mandray olona, maha-te-honina sy maoderina, mampiantrano maimaipoana, misy mpandray vahiny amin'ny teny anglisy, fitsidihana maimaipoana miaraka amin'ny mpitarika ao an-tanànan'i Kiev ary fanampiana  ny mpanao gazety vahiny amin'ny fitantarana ny lalao (Jereo ny fanavaozam-baovao antsipiriany ato amin'ny GV)

Raha tonga teo amin'ny faratampony tamin'ny fihaonan'i Italia sy Espaina ny fifaninanana nampiatranoan'i Kiev, nanangona sy nizara ireo fihetsem-po tamin'ny niainana nandritra ny Euro 2012 tany Okraina kosa ireo mpisera Facebook sy bilaogera.

Araka izany, naneho saripika mpitia baolina kitra mahafinaritra avy any Kharkiv, ity mpisera pejy Facebook  Oleg Palchik    (Олег Пальчик):

Mpitia baolina kitra ao amin'ny faritra Kharkiv miaraka amin'ny takelala milaza, “Kharkiv, misaotra anao aho!” any russe sy ukrainien. Saripika avy amin'i Oleg Palchyk, nahazoana alalana ampiasaina.

Tom Garry, mpankafy avy any Angletera, nizara izay niainany nandritra ny Euro 2012 tany Okraina ao amin'ny Redbrickpaper.co.uk:

… Fahafinaretana ho ahy ny nitsidika Ny renivohitr'i Okraina sady toerana nanaovana ny famaranana tamin'ny 1 Jolay, tao Kiev, sy ireo  mponina izay tena nanao araka izay azo natao nandritra ny Euro 2012. Ny hafanan'ny lalao amam-piravoravoana isan'andro tao amin'ny tanan-dehibe dia nampiseho ireo zavatra rehetra tsara amin'ny baolina kitra, namory ireo olona samihafa fiaviana mba hanararaotra lalao mahafinaritra, tsy misy fiahiahiana amin'ny resaka fanararaotana. Mibaribary, tsy nisy fitaintainana izahay mikasika ilay fanavakavaham-pirazanana nolazain'ny gazety britanika talohan'ny lalao. Voalohany, nahita ny hatsaram-panahin'ireo mponina ao an-toerana, ny fitiavan'izy ireo baolina kitra sy ny fanentanana fa hitondra soa ao amin'ny fiainany andavan'andro ny Euros, azoko fintinina fa tena ambadiky ny fampitahana nataon'ny gazety ny zava-nisy rehetra.

Nizara sary ny efitranony raha nandray ireo mpankafy baolina kitra i Hanna Hrabarska bilaogera sy mpisera Facebook  niaraka tamin'ny mpiray efitra aminy, nanoratra izy hoe  [ru, en]:

Toy izao ny efitranonay ny maraina)
Vehivavy namana avy aty Okraina izahay)

Ireo mpanohana baolina kitra nomanin'ny bilaogera Hanna Hrabarska sy ny mpiara-manofa aminy. Nahazoana alalana ampiasaina.

Mpisera pejy Facebook sy bilaogera maro ihany koa no nizara horonan-tsary ahitana ireo mpanohana holandey miredona ny hiram-pirenena Okrainiana tao an-tanànan'i Kharkiv:

Mpitantana ny I Can Help U (speak English in UA)(afaka manampy anao aho (miteny anglisy ato UA), nizara sarin'ireo mpanampy an-tsitrapo tamin'ny fisantaran-draharaha “Okraina maha-te-ho-namana” izay milalao baolina kitra am-pirahalahiana miaraka amin'ny mpankafy vahiny.

Lalao baolina kitra eo amin'ny ekipa mpankafy baolina iraisam-pirenena sy mpiasa an-tsitrapo ao Okraina. Saripikan'ny Roman Danilichine, nahazoana alalana

Satria efa nifarana ny fiadiana ny tompon-daka, nihanazava amin'izay fa tsara ny niainan'ny ankabeazan'ireo mpankafy baolina kitra ary tsy misy fanavakavaham-pirazanana, na ny gazety britanika aza nifampiantso hiala tsiny amin'i Okraina

Na dia nampiseho ny endrik'i Okraina ho tsy mbola nivoatra noho ny Euro 2012 aza ny fanadihadiana farany [ru] fanadihadiana farany [ru], nandray anjara amin'ny fanatsarana kokoa ny fiainan'ireo vahiny mpitsidika ny fandraisana an-tanana natao teny ifotony nataon'ny vahoaka ary nametraka fahatsiarovana tsara ho an'ny maro

Namintina tamin'ny alalan'ny fizarana saripika eto ambany ny I Can Help U initiative

Toy izay izany no fandehany e))!

Fankasitrahana ho an'ireo mpankafy baolina kitra soedoà ao Kiev. Saripika avy amin'ny TheVillageEuro2012 Pejy Facebook, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.