Meksika: Fanehoan-kevitra Ao Amin'ny Twitter Taorian'ny Fifidianana

[Ny rohy rehetra dia amin'ny fiteny Espaniola raha tsy misy toromarika hafa]

Tao aorian'ny fiafaran'ny fampielezan-kevitr'ireo mpifaninana ho fidiana ho filoha, dia natao ny alahady 1 Jolay 2012 lasa teo ny fifidianana, ka izay tafavoaka mpandresy avy eo no ho Filohan'ny Firaisan'ny Fanjakan'i Meksika manaraka eo. Nifidy loholona 128 sy mpikambana 500 ho ao amin'ny parlemanta  ihany koa ny Meksikana. Nandeha nifidy tsy nisy faneriterena na trangan-javatra ratsy lehibe niseho ny olona.

Amin'izao fotoana hanoratanay ity lahatsoratra ity, araka ny vaovao ôfisialy , na dia savaranonando aza, vonjimaika avy amin'ny vondrona mpanara-maso ny fifidianana any Meksika, ny Instituto Federal Electoral (IFE) dia amin'ny 90.82%n'ny vato voaisa, 63.14% ny salam-pavitrihana. Ny fanisana vonjimaika dia toa mirona mankany amin’ ny mpifaninana Enrique Peña Nieto [en] avy amin'ny fiaraha-mientan'antoko politika fantatra amin'ny hoe Compromiso por México (” Fifanarahana ho an'i Meksika”), miaraka amin'ny isam-bato 37.83%.

Ny mpifaninana avy amin'ny Fiaraha-mientana Progressive Movement Andrés Manuel López Obrador no nitàna ny toerana faharoa amin'ny isam-bato 31.88%, raha toa ka 25.48% no vato azon'i Josefina Vázquez Mota [en] avy amin'ny antokon'ny Filoha am-perin'asa, ny National Action Party (PAN). Ny mpifaninana avy amin'ny New Alliance Party, Gabriel Quadri, dia nahazo vato 2.32% amin'izao fotoana izao. Averina indray fa, araka ny IFE, dia vaovao ôfisialy io saingy vonjimaika, ary amin'izao fotoana hanoratanay izao, tsy mbola nisy mpifaninana nambara ôfisialy sy ara-dalàna ho mpandresy.

“Malalaka sy miafina ny latsabato”. Meksikana mifidy ao Mexico ny 1 Jolay. Sary avy amin'i Jazmín Adrían, zon'ny mpamorona Demotix.

Ny manam-pahaizana manokana momba ny Lalàm-panorenana, Miguel Carbonell (@MiguelCarbonell) dia manasongadina izay mety hiseho mikasika ireo vokatra vonjimaika :

Los resultados oficiales los tendremos el miércoles. Lo que hay ahora son tendencias (aunque bastante consolidadas).

Ho azontsika ny vokatra ôfisialy amin'ny Alarobia. Ny zavatra hita amin'izao, dia vinavina ihany, na dia manakaiky ny marina aza izany.

Fanampin'io, ny mpanoratra dia nilaza momba ireo fanehoan-kevitra teraka tanatin'ireo izay mieritreritra fa tsy ho lany ny mpifaninana tiany :

Es curioso que para muchos la única opción democrática es que gane su candidato. Si no gana, entonces no hay democracia ‪#fail

Hafahafa ihany, fa ny maro amin'izy ireo dia mihevitra fa ny hany safidy demokratika dia ny fandresen'ny mpifaninana tohanany, raha tsy izany, dia tsy misy demokrasia #fahavoazana

Ny Filoham-pirenena Felipe Calderón (@FelipeCalderon) dia nilaza izao manaraka izao momba ny fifidianana :

Que México pueda votar en libertad es un privilegio que nos distingue como nación democrática y debemos conservarlo y valorarlo.

Ny nahafahan'i Meksika nanao fifidianana an-kalalahana dia tombon-tsoa manokana izay manavaka antsika ho toy ny firenena demokratika. Tsy maintsy harovantsika sy asongadintsika izany.

Na dia izany aza, niteraka resabe ny fiarahabana am-pahibe-maso an'i Peña Nieto nataon'ny Filoha am-perin'asa  ny sasakalin'ny Alahady mialoha ny fifaranan'ny fanisam-bato. Ny mpomba ny antoko Democratic Revolution, (PRD, izay mpikambana ao amin'ilay fiaraha-mientana manohana ny mpifaninana Andres Manuel López Obrador) dia niampanga an'i Calderón ho nanao velirano tamin'ny antokon'i Peña Nieto, ny PRI :  mety hanampy azy ireo i Calderón mba handresy amin'ny fifidianana ary setrin'izay dia tsy ho tsaraina izy noho ny fahafatesan'olona 60.000 vokatry ny ady nataony. Na dia tsy misy porofo mivaingana aza io velirano io, ny olona sasany dia mino fa ny fihetsika haingana nasehon'ny Filoha dia manaporofo fa tiany handresy ny PRI. Ho valin'izany, Adriano Valero (@adrianavr) dia niteny izao manaraka izao :

Que feliz se le va a Calderón anunciando la tendencia que le da ventaja a ‪#EPN. Asegurando su impunidad. ‪#PAN

Hatraiza ny hafalian'i Calderón hanambara fa manome vahana ny #EPN  ny firehana ary manamafy ny maha-tsimatimanota azy… #PAN

Tato aoriana kely, io olona io ihany dia nilaza izao  momba ny Filoha Calderón :

#Calderon: Espurio sin principios, que juró en la tumba de su padre derrotar al ‪#PRI y hoy se vende a cambio de inmunidad. ‪#EPN ‪#PAN

#Calderon: Tsy marim-pototra, olona lany henatra, nianiana teo amin'ny fasan-drainy mba handresena ny #PRI [Institutional Revolutionary Party] ary izao dia mbola mivarotra ny tenany ho takalon'ny tsy fahafatesa-manota. ‪#EPN ‪#PAN

Ny mpampiasa Twitter sasany dia nandroso lavidavitra kokoa. Kid A (@KID_A_OK) nanao izao fampitandremana izao :

Si hay imposición habrá Revolución @IFEMexico Elecciones 2012

Raha misy teritery dia hisy Fanoherana ny Fifidianana 2012 @IFEMexico

Paula Sofia (@pauletta_sofia) dia nilaza fa nisy fomba fanao tsy ara-dalàna tamin'ny fividianam-bato, na dia tsy nosinganiny aza izay antoko nanao io hetsika io sady tsy nolazainy ihany koa raha nanao fitarainana ôfisialy momba io izy :

Espero q esos mil pesos por los q vendieron su voto les duren estos 6 años, ignorantes.

Antenaiko fa hahavita azy ireo mandritra ny enintaona ny pesos anarivony izay nivarotan'izy ireo ny vatony. Adala.

Gerardo (@todosarmados) dia nizara izao tsikera izao tamin'ireo mpanaraka azy, ka tanatin'izay no hita mibaribaryny fientanentanany tamin'ny androm-pifidianana :

Me emociona todo hoy, pero más ir a votar. Hasta me voy a bañar.

Nampientanentana ahy ny zavatra rehetra androany, fa ny miavaka indrindra amin'ireny dia ny momba ny fifidianana. Mandeha mandro mateteika mihitsy aho.

Facebrooker (@facebrooker) mpampiasa Twitter dia mampahatsiahy ny mpampiasa aterineto fa amin'ny rafitra iray tahaka ny an'ny Meksikana, ny fahefana mpanao lalàna no manaiky na manakana ny fanavaozana araka ny lalàna :

¿Saben a lo que debemos estar atentos? A las reformas que se debatan en ambas cámaras. Ahí es donde se hará crecer o no a México.

Fantatrareo ve ny zavatra tokony handrasanay rehetra ? Ny Fanavaozana izay iadian-kevitra ao amin'ireo lapa roa ireo, izay no hahalalana na handroso na tsia i Meksika vaovao.

Nora Gabriela (@noravargas) dia mampahatsiahy fa nandritra ny fampielezan-kevitra, ny fanadihadiana ny hevitry ny olona dia nirona nankany amin'i Peña Nieto, izay ny vokatr'izany dia nidika fa ny mpanohitra azy dia niampanga azy ho nanaparitaka vaovao tsy marina na hoe : “voavidy”. Tamin'izay fotoana izay, izy (Nora Gabriela) dia nilaza ny fanekeny ny fironana  hitan-dry zareo :

Y estaban compradas las encuestas? Admitanlo! Los mexicanos votamos y decidimos @EPN próximo Presidente d ‪#Mexico2012 Viva la alternancia!

Novidiana ve ny fanadihadiana ny hevitry ny olona ? Tsory e ! Ny Meksikana dia nifidy ary nanapa-kevitra fa @EPN no Filohantsika manaraka #Mexico2012. Ho ela velona anie ny fiovàna !

Sasantsasany amin'ny hevitry ny Meksikana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena ihany ireo. Maneho ny fifangaroanà fomba fijery mifanohitra sy ny tsy hafalian'ireo izay nihevitra fa ny mpifaninana nofinidiny dia tsy handresy amin'ny fifidianana.

Araka ny efa voalaza tetsy ambony, dia mbola tsy misy vokatra tena izy  izao ary ny IFE, ny vondrona mahaleotena momba ny lalàm-panorenana tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana ny fifidianana dia mbola tsy nahavita ny fanisam-bato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.