Espana: Nentin'ny Mpihady Arintany Mitokona Ho Ao Anaty Aterineto Ny Tolony

Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Eoropa anaty olana ity lahatsoratra ity.

Ny 23 May 2012, niditra tamin'ny fitokonana mandritra ny fotoana tsy voafetra ary nidina an-dalambe ireo Espaniola mpihady harena an-kibon'ny tany, nibahana ny làlana sy nanao sakana. Ilay hetsika dia ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanaisotra 63% amin'ny fanampian'ny fanjakana ny sehatry ny arintany. Tsy misy fepetra aro riaka mba noraisina momba izay ho vokatr'ilay fanakendàna ny indostrian'ny arintany Espaniola : tsy mba nampiarahana aminà fanofànana arak'asa na kely aza ho an'ireo mpihady arintany, ary noho izany dia hanampy trotraka hampitombo isa ireo tsy an'asa efa marobe ao amin'ny firenena.

Nanakoako be teny anivon'ireo tranonkalan-tambajotra sosialy ilay hetsi-panoheran'ny mpitrandraka harena an-kibon'ny tany. Ny kaonty Twitter  “Mineros de León” [es] (Mpihady Arintany ao León), izay nanova ny anarany ho “Mpihady Arintany ao Espana”, dia nihetsika be tokoa ary efa manana mpanjohy eo amin'ny 10.000 eo. Ny lehilahy ao ambadik'ilay kaonty, Victor Herrero, izay zanaka sady zafikelinà mpihady harena an-kibon'ny tany ihany, dia maniry ny hanapariaka ny tolon'ireo mpihady arintany ety anivon'ny aterineto. Mamerina mandefa ireo bitsika fanohanana voarainy izy, ahitàna ireo avy any ivelan'i Espana, ary miezaka misoroka izay mety ho fihantsiana herisetra.

Avy amin'io kaonty io, nitatitra ny Marcha Negra (Diaben'ny Mainty) izy, diabe iray nanomboka ny Zoma lasa teo ary hifarana any Madrd amin'ny 11 Jolay. Ireo mpihady arintany dia namaly tamin'ny alàlan'ny tranonkala ihany koa ireo kiana sy fisalasalàna mihodinkodina manodidina ny seha-pihariana misy azy ireo. Ity ambany ity ny fantina nalaina tamin'ny  “Taratasy avy amin'ny Asturian iray mpihady arintany” nosoratan'i  Juan José Fernández, izay mivezivezy manerana ny aterineto :

La lucha que están llevando los compañeros en éstos momentos, no es para pedir dinero, sino para que se respete el acuerdo firmado el año pasado entre el Ministerio de Industria y los sindicatos mineros, la firma de éste acuerdo tenía unas ayudas asignadas hasta el año 2018.

Éste dinero lo dió La Comunidad Europea y no los Gobiernos Españoles, con esto quiero decir que no lo puso ningún español para ayudarnos como piensa mucha de la gente que tanto nos critica. En cuanto a éste dinero lo que yo me pregunto, como casi todas las familias mineras, es donde está la parte de los Fondos Mineros que supuestamente iría destinada a la creación de industrias alternativas al carbón en las cuencas mineras, después del cierre de las minas. Pues bien, cómo en muchos otros sectores, el dinero lo manejaron los políticos y los sindicatos. Con parte de éste dinero, os podría decir, por ejemplo, que el Señor Gabino de Lorenzo ( ex-alcalde de Oviedo) pagó las farolas de su ciudad, el nuevo Palacio de Exposiciones y Congresos y otras muchas obras. La ex-alcaldesa de Gijón ( la Señora Felgeroso) lo invirtió en la Universidad Laboral y cómo el primero, también en otras obras.

Ny tolona iaretan'ireo namako mpiara-mihady arintany ankehitriny dia tsy fitakiana vola, fa ny hanajàna ny fifanarahana nifanaovana sonia teo amin'ny Ministeran'ny Indostria sy ny sendikan'ireo mpihady arintany, izay nilaza fa tokony hisy ny fanampiana hatramin'ny 2018.

Io vola io dia nomen'ny Fiombonambe Eoropeana fa tsy ny governemanta Espaniola akory, ny tiako holazaina amin'io dia hoe tsy nisy na Espaniola iray aza nandrotsaka vola ho fanampiana anay araka ny mety hiheveran'ireo olona maro manakiana anay. Ary momba io vola io, ny mampanontany tena ahy, tahaka ireo fianakaviana mpihady arintany rehetra rahateo , dia ny hoe nankaiza ny anjara tokony ho an'ny Tahirim-bola ho an'ny Fitrandrahna harena an-kibon'ny tany izay noheverina fa tokony handeha any amin'ny fananganana indostria hanolo ny fihadiana arintany eo amin'ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, aorian'ny fanakatonana ireo  toeram-pitrandrahana. Eny e, tahaka ny sehatra hafa rehetra, ireo mpanao politika sy ny sendika no mitantana ny vola. Ampahany tamin'io vola io, azoko lazaina anareo, ohatra, no nandoavan'Atoa. Gabino de Lorenzo (ben'ny tanàna taloha tao Oviedo) ny jiro manazava ny tanànany, ny Foibe vaovao hanaovana Fivoriana sy Fampirantiana ary asa maro hafa. Ny ben'ny tanàna taloha tao  Gijón (Rtoa. Felgeroso) koa dia nampiasa vola tamin'io ho an'ny Anjerimanontoon'ny Asa ary tahaka ny teo aloha, dia nisy koa taminà asa hafa ho an'ny daholobe.

Miners Enter Ariño

Mponina miarahaba ny fahatongavan'ireo mpihady arintany tamin'ny diaben-dry zareo tao Ariño. Sary avy amin'ny Democracia Real Ya.

Ny tranonkala Lanzanos.com dia nampiantrano fanentanana ho fanangonam-bola izay efa nahavoriana sahady maherin'ny 9.000 euros (US $11,176) hanohanana ny Marcha Negra; io no nahafahana nanofa fiara fitondra milasy mba handraisana ireo mpanao hetsi-panoherana lanaky ny hain'amdro na raha sanatria misy loza hafa miseho. Ity ny ampahany amin'ny hafatra izay niaraka amin'ilay antso fanangonana fanomezana :

El movimiento Mineros de España nace como respuesta de este colectivo al silencio informativo que sufríamos al comienzo de nuestras movilizaciones por los diferentes medios de comunicación. Escogimos Twitter por ser la red social a nuestro parecer más directa de llegar a los ciudadanos y poder enseñarles de primera mano todo lo que va aconteciendo en nuestra lucha. las redes sociales nunca habían sido utilizadas en una huelga minera siendo Víctor herrero el que tras hablar con los responsables de CC.OO comienza a tuitear y a arengar a los mineros que estaban en las carreteras. El inmediato interés generado por todo el colectivo obrero de diferentes y dispares sectores y el apoyo popular en la calle nos hice crecer como la 5º cuenta de Twitter mas recomendada a nivel nacional en tiempo récord.

Ny hetsik'ireo mpitrandraka arintany ao Espana dia niforona ho toy ny valin-kafatra iray ho an'ny fahanginana faoben'ireo media izay nozakainay tany am-piandohan'ny fihetsehanay. Nifidy ny Twitter izahay ho tambajotra sosialinay hifandraisana  faran'izay mivantana amin'ny mpiray tanindrazana sy hahafahana mampahalàla azy ireo tsy asiana mpanelanelana ny zavatra rehetra mitranga ao anatin'ny tolonay. Tsy mbola nampiasaina mihitsy taminà fitokonan'ny mpihady arintany ny tambajotra sosialy hatrizay, fa i Víctor Herrero izay tafaresaka tamin'ireo mpitarika ny  CC.OO [sendika] no nanomboka nandefa bitsika mikasika izany sy nandrisika ireo mpihady arintany teny an'arabe. Ny fahalinana teo noho eo naterak'izany tamin'ity vondronà mpiasa ity avy any amin'ireo sehatra maro samihafa sy ny fanohanan'ny vahoaka teny an'arabe no nahatonga anay tafakatra ho ao anatn'ireo dimy voalohany amin'ny kaonty Twiter be mpampahafantatra indrindra eo amin'ny sehatra nasionaly tao anatin'ny fotoana faran'izay fohy.

Ny tranonkala no nahafahan'ny fanohanana ara-tsosialy matanjaka be nanamafy ny tolon'ireo mpihady arintany. Iray hafa amin'ireo hetsika narahan'ny aterineto akaiky fatratra ny fanesorana ny vadin'ireo mpihady arintany rehefa tonga nanatrika ny fifidianana fandaniana ny tetibola tao amin'ny Lapan'ny Loholona ry zareo tamin'ny herinandro lasa. Vantany vao navoaka ho fanta-bahoaka ny valin'ilay fifidianana, dia nanomboka niventy ny hira fanevan'ny mpihady arintany ireo vehivavy, latsa-dranomaso ny sasany. Nohelohin-dry zareo ny fomba nandraisana azy ireo sy ny tsy fisian'ny fifampidinihana niarahana tamin'ireo mpanao politika.

Ao anatin'ity lahatsary manaraka ity, niventy ny hira fanevan'ireo mpihady arintany tao amin'ny Lapan'ny Loholona ireo mpanohana azy ireo :

Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Eoropa anaty olana ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.