Rosia: Tolotra Amin'ny Finday Hampifandraisana Ireo Mpandeha & Mpitondra Fiara

Natao ilay tetikasa Yeehay! hahafahana mampifandray ireo mpandeha sy mpitondra fiara. Miaraka amin'ny fanampiany, azo atao ny miantso fiara, manome tolotra amin'ny maha-mpitondra fiara, na mamela tsikera mikasika dia iray manokana. Tsy vitan'ny manena ny sandany ity tolotra ity raha manarona ny lany tamin'ny fividianana lasantsy, fa manana fiantraikany tsara ihany koa amin'ny tontolo iainan'ny tanàna.

Zotra roa no iasàn'ny Yeehay!, ary afaka hita ao anatin'ny vohikalan'ilay tetikasa ny fanazavana momba ilay tolotra sy ny fomba fiasany. Manome ny fiasa fototra momba io tetikasa io ny rindrambaikon'ny Yeehay! amin'ny finday smartphone. Sady ho an'ireo mpandeha izany rindrambaiko izany no ho an'ireo mpamily  ihany koa, nefa tsy maintsy misafidy iray amin'ireo anjara asa anankiroa ireo mpampiasa isaky ny mampiasa ilay rindrambaiko. Hatreto, misokatra ho an'ireo iOS ihany ny Yeehay!, nefa mampivelatra rindrambaiko ho an'ny Android ihany koa ireo mpamorona azy amin'izao fotoana izao.

Dikasarin'ny  Yeehay!, 25 Jona 2012.

Vantany vao vita ny famelomana ilay rindrambaiko, manangona ho azy ireo fahalalana rehetra ilain'ny mpandeha na ny mpitondra izany. Tsy maintsy misintona ny Yeehay! aloha ireo mpampiasa ary mameno ny firaketana mba hampandehanana izany. Nanome sosokevitra ny amin'ny fanaovana ilay firaketana ao anatin'ilay rindrambaiko ireo mpamorona azy, satria haingana ny manao izany nohon'ny mankany amin'ny vohikalan'ny Yeehay!. Raha hanao ilay firaketana, tsy maintsy mampiditra ny laharan'ny findainy ny tsirairay. Ny tetika goavana ao ambadik'ity rindrambaiko ity dia ny hahafahan'ny mpandeha mifandray mivantana aminà mpamily hiresaka momba ireo fepetra mahakasika dia iray. Mba hanaovana izany, tsy maintsy manome ny mombamomba azy hahafahana mifandray aminy ireo mpamily fiara.

Ho setrin'izay (mba hisorohana ny fahaverezan'ireo antso tsy voaray), nanampy ny safidy “Hijery Ireo Antso Tsy voaray” tao amin'io rindrambaiko io ireo mpamorona io tetikasa io — tolotra fanampiny izay mirakitra ny laharan'ny findain'ireo mpandeha.

Manome fahafahana mifandray ao amin'ny mpandeha-mpamily, mpandeha-mpandeha, mpitondra-mpitondra ny Yeehay!. Mamporisika ny tsikera sy ny fanehoan-kevitra momba io tolotra io ireo mpampivelatra ity tetikasa ity. Afaka mamela tsikera momba ny kalitaonà mpamily iray manokana ny mpandeha, ary ireo mpamily kosa afaka mifandray momba ny fifamoivoizana sy ireo loza mitranga an-dalambe.

Mampiasa ny fanaraha-maso ny toerana ihany koa ny Yeehay!. Aorian'ny famelomana ilay rindrambaiko, mampahafantatra mazava ny toerana misy ilay mpampiasa azy izany. Araka izany, mahazo vaovao mivantana momba ireo fiara manakaiky ny vondronà mpampiasa iray, raha ny hafa kosa mahazo fahalalana momba ireo mpandeha.

Orizinaly [ru]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.