Pakistana: Iza No Namono An'i Ghazala Javed, ilay Mpihira Teratany Pakistane Fanta-daza?

Nisy namono i Ghazala Javed, ilay mpihira fanta-daza iray teratany Pakistane. Nandritry ny fahavelomany, dia nanohitra ny famoretan'i Talibana amin'ny fanakanana azy hihira izy. Raha ny tatitra voaray, dia nisy nitifitra in-enina tao ivelan'ny trano iray fanaovam-bolo i Ghazala sy ny rainy.  ‘Lasa nirifatra nitsoaka ary namela azy ireo hihoson-drà’ teo ireo nahavanon-doza. Mieritreritra  ny mpitandro ny filaminana mpanao fanadihadiana fa ny vadiny taloha nametrahany fangatahana fisaraham-panambadiana tamin'ny taona lasa   no mety namono azy. Fa  hafa kosa ny eritreritry ny sasany.

Fanoherana ny Talibana

Teraka tao amin'ny vohitr'i Swat  i Ghazala, tanàna ambany fifehezan'ny Talibana hatramin'ny taona 2007. Raha lasan'ny Talibana ny tanindrazany, dia voatery nifindra fonenana tany an-tanànan'i Peshawar any amin'ny 170 kilometatra niaraka tamin'ny fianakaviany izy.

Ghazala Javed singing a Pashtoo song. Screenshot taken from a Youtube video.

Ghazala Javed mihira hira Pakistane iray. Sary nalaina tao amin'ny horonantsary iray tao amin'ny Youtube.

Tonga tany amin'ny faratampony ny fifehezan'ny Talibana rehefa voatery hanao sonia  fifanekena amin'ny vondrona milisy  Tehrik-i-Taliban Pakistan sy  Tehreek-e-Nafaz-e-Shariat-e-Mohammad (TSNM.)  ny governemanta Pakistane. Io fifanekena io dia nomena lohateny hoe lalànan'i Nizam-e-Adal (Lalàn'ny fahamarinana), ary nosoniavina ho toy ny fampitsaharana ny fifampitifirana eo amin'ny Sufi Muhammed TSNM sy ny governemanta. Nandika izany fifanekena izany anefa ny TNSM, izay niteraka hetsika tsy azo nialàna nataon'ny tafika tao amin'io faritra io. Tamin'ny taona  2009,  dia maty novonoin'ny foloalindahy Pakistane avokoa ireo foloalindahy tao amin'ny tanàn-dehiben'i  Swat, any Mingora.

Vehivavy sahisahy i Ghazala ary niady hatrany ho an'ny fomban-drazana mampiavaka ny fiarahamoniny. Tsy natahotra ny lalàna Talibana mandràra ny mpihira tsy hihira  mihitsy izy. Nety tsara ny fanamarihana nataon'i Fawad Khan momba izany:

Raha miresaka momba ny fanjakazakana anjamban'ireo lehilahy sy tsy misy lanjany ireo [tao amin'ny faritanin'i KPK], i Ghazala Javed dia feo iray misolo tena ireo vehivavy rehetra  ireo ary lasa fanantenana iray ho an'ny tsirairay avy naniry hanatanteraka ny faniriany.

Nitsidika matetika an'i Afghanistan izy ary noderain'ireo tanora miteny ny fiteny Pashto. I Bkktayar Khattak, ilay Pakistane mpihira fanta-daza dia  mamaritra  izany ho fahaverezana lehibe ho an'ny taranaka any aoriana :

“Fahaverezana lehibe ho an'ny mozika PAshto ny fahafatesany. Haingam-panahy ho an'ireo mpihira vao misandratra izay nisafidy ny indostrian'ny mozika Pashto izy.”

Nisy hetsi-panoherana firotsahana an-dàlam-be iray nokarakarain'ny Fikambanana Tahkleeq mikatsaka ny Fandrosoana (Tahkleeq Development Foundation – TDF) izay manameloka io fampihorohoroana mahatsiravina io. Manao fanamarihana i Arshad Hussain avy ao amin'ny TDF:

“Ankehitriny, dia henjehina sy rahonana indray ireo mpanakanto eto amin'ity faritra ity satria tsy nahavita niaro azy ireo ny governemanta sy ny fikambanana miaro ny zon'olombelona. Fanohintohinana ny fahafaha-miteny izany, ary manameloka io trangan-javatra io ny Tahkleeq Development Foundation miaraka amin'ny mpikambana ao aminy miisa 98 sy ireo fikambanana hafa na olon-tsotra miompana amin'ny kolontsaina.”

Toy izany koa, nanameloka io sehon-javatra io tamin'ny feo hentitra ny mponina amin'ny aterineto. Ny sasany dia mandray an'io ho fidirana any amin'ny fanjakan'ny Talibana (fanomezan-danja ny fomba fisainana Talibana) ao Pakistana.  Manamarika i  Rizvi:

Ny fanarahana an-jambany teo aloha ihany no miverimberina. Fa amin'ity kosa dia somary nihahenjana izany (sic).

Dia mety ho famonoana vokatry ny fahafaham-baraka ve?

Fa dia miverimberina hatrany ny hoe ny Talibana ve no namono azy sa ny vadiny taloha? Nanambady an'i Jahangir Khan mantsy i Ghazala, lehilahy mpandraharaha iray, tamin'ny taona 2010 fa enim-bolana taty aoriana, fantatr'i Ghazala fa efa manambady hafa izy, ka  nangataka fisaraham-panambadiana izy. Nilaza ihany koa izy fa niezaka nanakana azy tsy hihira izyManoratra i Anwar Shah Sadaf:

“Tsy misy hidiran'ny Talibana mihitsy io famonoana farany io, mety ho novonoin'ny vadiny taloha izy, satria nisaraka taminy i Ghazala tamin'ny 7 volana lasa, noho ny didim-pitsarana…. Tena malahelo azy mihitsy aho, izy no tiako indrindra hatrizay ary tsy hanadino azy mihitsy aho…”

Mino  i Mike Jenkinson fa ny foto-kevitry ny Talibana no nitondra tamin'ny famonoana azy:

Tadidiko ilay fanadihadiana iray mikasika mpamokatra horonantsary iray ao  Afghanistan sy ny olana rehetra natrehany niaraka tamin'ny Talibana. Tena nampahonena ny nahita ireo adala maramara saina ireo izay manam-paniriana ny hamono izay tsy miombon-kevitra aminy.

Milaza ny olona sasany fa io famonoana io dia vokatry ny fanjakan'ny toe-tsaina manome lanja ny fifehezan-dehilahy. Hoy i Muhammad Rizwan A:

Nisy namono izy, noho izy vehivavy, tsy manana fiainana ao Pakistana ny vehivavy, tsy afaka miaina ny fiainany izy ireo.
Andriamanitra anie hiaro ny vehivavy Pakistane…

Fa na inona na inona antony, ny tena olana dia ny hoe  nampanginina ny railovy iray. Ho tsaroantsika lalandava ho toy ny feo nanamarika ny vanim-potoanantsika izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.