Mali : Vely Karavasy No Entina Mampihatra Ny Charia Any Avaratr'i Mali

Tsy ela akory izay, ny tana-maherin'i Ansar Eddine sy ny fametrahana ny Charia any Avaratr'i Mali dia niseho tamin'ny endrika namoa-doza  tao Tombouctou. Mpivady niteraka iray ivelan'ny fanambadiana ara-dalàna no voaheloka hahazo vely karavasy 100 tsirairay avy, eny imasom-bahoaka. [Tandremo: mety hanohina ny sasamy amin'ny mpijery ny lahatsary manaraka etoana]

lahatsary ahitana azy mivady velesina karavasy, nakarin'i Ansar Eddine , nozarain'ny MaliWeb
Nahatohina Maliana maro ilay lahatsary fanatanterahana didy, izy ireo izay naneho hevitra mivaivay tany anaty tambajotra sosialy.

Fampiharana ny Charia

Araka ny tatitry ny Jeune Afrique, Mohamed Ould Baby, olom-boafidy tao amin'ny tanàna, no manoritsoritra ny zavatra rehetra manodidina ilay sazy sy ny zava-niseho tsy takatry  ny saina nahavàka ireo olona maro:

Teo amin'ny kianja Sankoré ao Tombouctou (afovoany), lehilahy iray sy vehivavy iray no nahazo vely karavasy zato tsirairay avy noho ny niterahan'izy ireo zaza iray ivelan'ny mariazy [..] Sahala amin'ny fampisehoana, dia nijery izany ny olona. Hitako ireo tanora nidina avy any anaty fiara iray mba ho eo amin'ilay kianja, dia avy eo ny vely karavasy. Sambany aho nahita ny toy izao

Ngolin'ny tahotra

Ny hamafin'ny habibian'ny zava-nitranga dia vao mainka nampitomboin'ny fanafenana ny endrik'ireo tanora sy ny tsy firaikan'ireo nanatrika nanoloana izany rehetra izany, toy ny hoe ngolin'ny tahotra sy ny tsy fahatakàrana. Avy eo noterena hivady ireo tanora. Vavolombelona ny tranga toy izany i Moussa Kaka, fahangolen'ny vahoaka izay namely koa ireo mponina ao Gao. Mitantara izy ao amin'ny Slate Afrique :

Ny «fahatonian'ny vahoakan'i  Gao.. anatinà «tanàna iray (izay) tahaka ny hoe tratry ny tsy an-kihetsika». Ansar Dine sy ireo “moudjahidines” no mifehy ny faritra rehetra azony. «Izy ireo no mifehy ny fiainan'ny mponina, izy ireo no mifehy ny Maoske, (…) ny fomba fitafy, ny fomba fiaina…»

Olona iray hafa no manamafy ao anatin'ilay lahatsoratra ihany :

Nahazo vely karavasy efapolo aho satria nifoka sigara ary mbola nitohy nifoka aho taorian'ny nadraràna ahy.

Ny fampiharana ny Charia any Avaratr'i Mali dia iray amin'ireo tanjona fototry ny tarika islamista Ansar Eddine izay  nandray ny fifehezana an'i Tombouctou nandritra ny fotoana fohy niaraha-nitantana tamin'ny governemanta touareg MNLA.

Malijet no manome ny antsipirihany amin'ireo lalàna hafa ao ami'ny Charia napetraka any amin'ny faritra Avaratr'i Mali :

Tamin'ny herinandro lasa, nisy mpikambana avy amin'ny Mujao nandoro baoritran-tsigara sy nikaravasy mpifoka tao Bourem, tanàna iray any avaratr'i Mali izay bodoin-dry zareo sy feheziny. Tamin'ny May tao Gao, nandràra tanora tsy hilalao baolina kitra izy ireo ary tsy hijery fahitalavitra, izay niteraka fihetsiketsehana mahery setra hanoherana ny islamista.

Maliana leo

Marobe ireo Maliana nijoro manohitra ity famaizana ity. Saingy tsy Ansar Eddine irery no iray mizaka ny fanakianana sy fanalà-baraka ataon'ny mpiondana aterineto. Doumbia dia isan'ny mahazo henatra manoloana izao zava-mitranga izao  :

Mahamenatra ahy  ny tafika maliana, ireo mpitondra fanjakana ao anatin'ny CEDEAO, ireo maliana mpanao politika… Raha ambara tsotra, menatra amin'ny tenako aho manoloana izao habibiana ataon'ny mpanao an-keriny, mpamono olona, fahavalo manginan'ny maha-olona izao…Ireo solombavambahoaka, ireo minisitra nandritra ny fotoam-pitondràna in-droa avy amin'ny ATT, ireo tafika maliana mpiala andraikitra dia samy ratsy tahaka azy ireny.

Djéné manampy hoe :

Mampitomany. Aza manaiky ny hohitsakitsahan'ireny olona ireny intsony isika. Jereo tsara ilay mikapoka, dia tadiavintsika avy eo, ary haverintsiska aminy ny nataony. Tsy misy dikany ny mariazy an-katerena asaina ataon-dry zareo, azon-dry zareo atao izany rehefa afaka sy malalaka ny faritra avaratra raha izay no tian-dry zareo. Ny tanora isany, ianareo no zanako ary menatra aho ho an'ity firenena ity izay mamela ny zavatra toy izao hitranga.

Momar mangataka ny governemanta handray ny andraikiny sy  hirotsaka an-tsehatra :

Mr. diarra, raha tsy mihetsika faran'izay haingana ianao hanohitra ireo tsy vanona ireo, hataonay izay hialànao. Marary loatra ny atifanahinay sy  ny maha-olona anay. Fa tsy mbola nisy toy izao taty Afrika. Tsy mampino. Na dia taorian'ny fandresena tamin'ny ady natao tamin'ireo tsy vanona avy any amin'ny toeran-kafa aza, ireo habibiana tsy roa aman-tany ireo no hiraikitra ao anatin'ny tsiaronay.

Saingy tsy ny rehetra no miray hevitra. Karaski mihevitra fa  ny Maliana dia mila manao safidy ara-panahy :

Tsy ankasitrahako n y fomba nahatongavan'ireo andian'olona mitam-piadiana ireto teto amin'ny firenenay, ary heveriko fa raha toa ka tsy maintsy ampiharina ny charia, dia tokony hiaraka amin'ny safidy ataon'ny Maliana izany. Na izany aza, aleo hambarantsika fa  : fampiharana fotsiny ny zavatra nibaikoan'i Allah antsika izao. Ary ny tsirairay amintsika samy hiteny fa raha toa ka tsy lanin'ny vavoniny io fanasaziana io, satria hitany ho tsy mifanaraka amin'ny maha-olona, na efa nilaozan'ny toetr'andro… dia tsara ny hahalalàny fa izany no Silamo aminy na dia aloany aza, ary miaraka amin'izay koa dia tsy maintsy mametraka fanontaniana momba ny tena finoany marina tokoa an'i Allah sy ny Korany.

Saingy Malien dia manana dikany iray hafa amin'ny atao hoe Silamo :

Hajainay ny soatoavina maha-olona sy iraisan'ny rehetra, tsy manolana izahay na dia tsy silamo aza, tsy mangalatra izahay na dia tsy silamo aza, tsy mpanao varotra zava-mahadomelina izahay, tsy olona kamo, miasa izahay ary mivelona amin'ny hatsembohanay. Raha toa ny Silamo, dia midika hoe miezaka ho toa anareo; tsia tsy silamo izahay ary tsy ho izany mandrakizay. Ny Silamo fantatray, dia ny fandriampahalemana, ny fanajàna ny tena sy ny hafa, ny fanajàna ny maha-olona.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.