Kenià: Fifandonanan'ny Olombelona Sy Ny Bibidia Anaty Alan'ny Tanan-dehibe

Ny 20 Jona, ireo mponina feno hatezerana avy ao Kitengela, faritra any ivelan'i Nairobi, dia namono liona 6  nanafika ampolony tamin'ny biby fiompin-dry zareo. Nisy andianà liona nanafika toeram-ponenana kely iray teo amin'ilay faritra  ny ampitson'io ka namono osy sy ondry maro. Tato ho ato dia nitombo be ny trangam-pifandonana teo amin'ny olona sy ny bibidia.

Nitety ny tontolon'ny  Twitter izahay hitady ireo fanehoankevitra mahaliana nalefan'ireo Keniana mikasika ilay tranga ary nampiasàna ny tenifototra #Lion sy #Kitengela:

@ntvkenya: #KWS [Kenya Wildlife Service – Sampana Mpikarakara ny natiora] dia hentitra nilaza hoe hisy ny famaizana araka ny #lalàna ho an'ireo #namono #lionaenina tao #Kitengela

@Mainado: Izaho mihevitra fa ny @kwskenya irery ihany no tokony hotànana ho tomponandraikitra tamin'ny nahafaty ireo liona enina tao  #Kitengela. Tokony ho nanao ezaka misimisy kokoa hiambenana azy ireny ry zareo.

Kisarisary mahatsikaiky hanehoana ny fifandonan'ny olona sy ny bibidia: Liona manao fanazarantena fa hiatrika ady. Sary nampindramin'ny funkenya.com an'i @RobertAlai.

@jamessmat: #Liona nanafika Manyatta 2 tao Kitengela ary namono Biby fiompy. Ireo Morans [Maasai mpiady ] dia mangataka ny KWS hanao ny asany alohan'ny hanampian-dry zareo azy afaka 24 ora

@LIONAID: Ary amin'izao fotoana, efa nanjavona ny 90%-ny #liona teto Afrika, mbola hitantsika ihany ny fipongaran'ny #lionbonetrade (famarotana taolana liona) ka hihazàna azy misimisy kokoa hatrany. Hatraiza ny ho voka-dratsy aterak'izy ity ?

@oletoirai: @kws #kitengela. Eny tsy misy onitra homena noho ny nahafatesan'ireo biby fiompy. . . Fa dia mila mipetraka sy miambina foana ny maasai ?

Mampiasa hatsikana ny bitsika sasany mba hanehoany ny fijeriny an'ilay trangan-javatra :

@coldtusker: Ry mponina malala eto #Kitengela, misy olona 7 lavitrisa eto an-tany, TSY kintana (na karazany iray) malaza akory ianao. Ny liona no malaza…

@shicsdavida: @insidelaura amma b heading to #kitengela n hp da lions don't take revenge on me thinkin am a #moran

@shicsdavida: @insidelaure mizotra ho any #kitengela aho ary enga anie ny liona tsy hihevitra ahy ho mpiady #moran ka hanao valifaty amiko

@kimaniduku: @Mwangoedd dadangu mdogo,mambo vpi.tembea #kitengela ukunywe damu ya simba

@kimaniduku: @Mwangoedd ry ranabavy keliko, manao ahana ianao. ndeha tsidiho i kitengele dia misotroa ràn'ny liona.

@coldtusker: Ry mponina ao #kitengela – 99% amin'ireo mpizahatany dia tsy tonga hijery ny osy, ombivavinao, na ianao mandihy…  Tonga hijery liona sy hanitsaka ny torampasikao ry zareo.

@KenyanTwitcess: Manana liona manan-tsaina i Kenya !! @StandardKenya: Manafika manao valifaty ao #Kitengela  ny liona Keniana http://bit.ly/MHlFGp

@coldtusker: Raha ny ny fijeriko tsy miangatra, tokony ho ireo MPigs [entiny manondro ireo Mpikambana ao amin'ny Parlemanta] izay mangalatra ny fananan'ny Keniana no tokony hotrobaran'ireo mponina ao #kitengela fa tsy ireo liona mahafatifaty miezaka mitady izay hahavelona azy…

Ny Human-Wildlife Conflict Collaboration (HWCC) dia nitatitra fa ny fifandonana eo amin'ny olombelona sy ny bibidia dia lasa mateti-pitranga arakaraky ny hitomboan'ny mponina, ny hivoaran'ny tanàna, ny hiovaovàn'ny toetrandro ary fepetra maro samihafa avy amin'ny olombelona ihany izay mahatonga ny olona sy ny fiainana anaty natiora ho anaty fifaninanana mivantana amin'ny fikatsahana ireo loharanom-pilàna fototra izay efa miha-ritra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.