Ejipta: Fampahafantarana Ny MorsiMetatra

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana Ao Ejipta 2011/2012 ity lahatsoratra ity.

Ny 24 Jona, nambara ofisialy ny filoha vaovaon'i Ejipta ary Mohammed Morsi no anarany. Morsi , ilay mpifaninana avy ao amin'ny Firahalahiana Silamo no filoham-pirenen'i Ejipta lany an-kalalahana voalohany indrindra, ary tahaka ireo mpifaninana hafa rehetra, manana ny tetikasany manokana ho an'ny firenena izy izay -azo lazaina fa- antony nifidianan'ireo mpandatsa-bato ho azy.

Nefa ahoana no ahafahan'ireo Ejiptiana mihazona an'i Morsi ho tompon'andraikitra amin'ny toky nomeny sy mijery ny fizotry ny fanatanterahana azy ireo? Nitoraka bitsika mombanà rindrambaiko iray vaovao mikasika izany i Wael Ghonim.

@Ghonim: Raha hanaraka ny fizotran'ny asan'i #Morsi (filohan'i Ejipta vaovao): http://www.morsimeter.com (via @ezzatkamel)

MorsiMeter, Tracking the performance of Morsi, the newly elected president of Egypt

MorsiMeter, manaraka ny fizotran'ny asan'i Morsi, ilay filoham-pirenena vao lany tao Ejipta

Noforonin'i Zabatak io rindrambaiko io, (@Zabatak), tetikasa tsy mitady  tombontsoa manokana izay mikatsaka fahatoniana sy fahafahan'i Ejipta soa aman-tsara amin'ny kolikoly. Ary ao amin'ny pejy Facebook an'i MorsiMeter, mamaritra ilay rindrambaiko tahaka ity manaraka [ar] ity ry zareo :

هذه محاولة لتوثيق ومراقبة أداء الرئيس المصري المنتخب محمد مرسي وفيها سيتم مراقبة ماتم انجازه وفق ما أقرّه د.محمد مرسي في برنامجه أول مائة يوم.
Tetikasa hiraketana sy hanaraha-maso ny fizotran'ny asan'ny filoham-pirenena Ejiptiana vaovao, Mohammed Morsi, ity rindrambaiko ity ary hanara-maso ireo izay efa vita tamin'izay nanomezany toky momba ny tetikasany mandritra ireo 100 andro voalohany hipetrahany eo amin'ny fitondrana izahay.

Nizara ny heviny sy eritreriny momba ilay metatra ireo mpampiasa aterineto Ejiptiana ao amin'ny Twitter tahaka ny hita manaraka eto:

@MagedBk: Mamiratra! http://Morsimeter.com

@omarkamel: TSY ratsy ilay hevitra MorsiMetatra. Nefa tokony handrefy ny hatsaran'ireo hevitra ihany koa izany ho fanombohana. VENDDRANA BE ny politika fiarovana.

@AbdoRepublic: Hevitra tena mamiratra mba hanarahana ny fizotry ny asan'i #morsi. Veloma ry didy jadona

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana ao Ejipta 2011/2012 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.