Myanmar: Mankalaza ny Tsingerintaona Nahaterahan'i Aung Ireo Mpampiasa Aterineto

Nankalaza ny faha-67 taonany tany Eoropa ilay mpitarika ny mpanohitra any Myanmar, Aung San Suu Kyi, fivoahany voalohany any ivelany taorian'ny roapolo taona mihoatra noho ny fanaraha-maso akaiky nataon'ny governemanta tohanan'ny miaramila.

Finaritra sy mirehareha amin'ny lahateny nataony tamin'ny nahazoany ny Loka Nobel an'ny Fandriampahalemana ireo olom-pirenen'i Myanmar erak'izao tontolo izao. Tsy nitsahatra namoaka tantara vaovao, sary ary raki-kira an-tsary momba ilay fanambarana ireo mpampiasa aterineto tao amin'ny Facebook sy Twitter.

Hatramin'ny 18 Jona, andro iray talohan'ny tsingerintaona nahaterahany, namoaka firariantsoa ho an'i Aung San Suu Kyi ireo mpampiasa aterineto.

Nanoratra[my] fanamarihana momba ny drafitry ny fiainany i Soe Min ary namarana izany taminà fanomezan-toky ho toy ny fanomezana.

Raha (nisy olona nanontany), ny fanomezana homeko an'i mama [maro amin'ireo mponina any Myanmar no miantso an'i Aung San Suu Kyi hoe Neny na Mama “Suu” ] noho ny tsingerintaona nahaterahany amin'ity taona ity,  hanome toky azy aho fa hiezaka ho lehilahy mendri-panajana sy mahatsapa ny atao hoe adidy.”

Nanome [my] ny heviny momba ny ezaka ataon'i Suu Kyi hikaroka hoavy tsara kokoa ho an'ny firenena i Tun Tun Aung.

Azo antoka fa tsy Myanmar iray manontolo ihany no hiarahaba an'i Neny Suu amin'ny fitsingerenan'ny nahaterahany fa izao tontolo izao ihany koa. Ny zavatra tiako angatahana amin'ireo izay milaza ho tia an'i Neny Suu dia ny hanao ezaka hampivoatra firenena maha-te honina tahaka ny tranon'i Neny raha tena tia azy marina izy ireo. Ndeha hisaina lalina. Inona no zavatra tsara azontsika andrasana avy amina reny 67 taona. Raha tokony hitehaka sy hanohana avy aty ivelany (ny tontolony), ndeha hanandrana haka andraikitra bebe kokoa

Ny sasany tamin'izy ireo namoaka ny sarin'i Aung San Suu Kyi ho fanomezana amin'ny tsingerintaonany. Ireto misy sombin'asakanto vitsivitsy manaitra ny maso nataon'ireo mpampiasa aterineto ao Myanmar.

Tandindon'ny fandriampahalemana sy ny herim-pon'ilay Andriambavilanitra, sary nataon'i Thiha Maung Maung

 

Sarisary feno fahasoavana nataon'i Aung Sann Kyaw

 

Zavakanto nataon'i ZawMyoNyi ZawMyoZaw

Tsy ireo sary ihany no nozarain'ireo mpampiasa Facebook ao Myanmar fa ao ihany koa ireo tononkalo. Namorona[my] tononkalo iray ny mpampiasa Facebook mitondra ny anaram-penina hoe University Phone Kywal

“Ho an'i Mama Suu Izay Nanandratra ny Hambom-pon'ny Firenena”

Nivoy tamim-kery lehibe
Nanohitra rivotra sy onja,

Ny hoavin'i Myanmar
Novisavisainy ho tsara

Erak'izao tontolo izao
Homem-boninahitra ny anarany

Manandratra ny hambom-pon'ny firenena
Fahazavana mamirapiratra
Anivon'ny vahoaka ny tenany

Niarahaba[my] azy tao amin'ny Facebook ihany koa i Hein Htet.

Iray ihany ny reny tahaka anao ety amobin'ny tany.
Neny hajain'ireo mpitondra…
Neny lalain'ireo mpanjohy…
Neny tohanan'ny vahoaka…
Ho an'ny tsingerintaona faha-67 -nao sy ireo taona maro mbola hitsingerina,
mirary anao ho salama sy hanan-karena aho hahatanterahanao ny adidinao manoloana izao tontolo izao sy ny firenena.

Nizara sary “scannée” an'ilay tononkalo nosoratan'ilay poeta malaza any Myanmar, tompokolahy Min Thu Won  i Zaw Win  ho an'i Suu Kyi tamin'ny fahatratrarany ny faha-45 taonany . Than Thar Win, mpihira, nampakatra[my] hira mitondra ny lohateny hoe “Mizora mandroso ry vehivavy isany” natolony an'i Aung San Suu Kyi.

Amin'ny lafiny hafa, manontany tena ny mpampiasa aterineto sasany ny amin'ny antony tsy nisian'ireo mediam-panjakana any Myanmar nandrakotra na nilaza na inona na inona momba ny dian'i Aung San Suu Kyi tany Eoropa, indrindra ny fanambarany tamin'ny nanolorana azy ny Loka Nobel an'ny Fandriampahalemana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.