OpenWatch: Fampiasàna Ny Finday Hahafahan'ny Vahoaka Manara-maso

Misy ny fotoana isian'ireo tetikasa fanaraha-mason'ny vahoaka misy mpanohana ara-bola goavana izay tsy tena misokatra amin'ny daholobe akory na voatokana ho an'ireo sehatra voafaritra manokana. Nefa manome fahafahana ny olon-tsotra hampiasa ny media sosialy sy ireo fitaovana mora vidy tahaka ny finday ny ICT hampitomboana ny mangarahara sy hanamoràna ny fanarahamason'ny vahoaka. Ny OpenWatch dia tetikasan'ny mediam-bahoaka ho fandraisana anjara mampiasa ny teknolojia fitondra mandehandeha mba hampalalaka ny fanarahamason'ny vahoaka ny fanaovana kolikoly sy ny famoretana.

Maro ireo firenena maro no ahitàna governemanta tsy tia ny demokrasia sy mpamoritra manararaotra fahefana sy mirotsaka anatin'ny kolikoly. Hatreto dia misokatra ho an'ireo manampahefana ihany ny teknolojia fanaraha-maso, iza mampametraka ny fanontaniana “Quis custodiet ipsos custodes?” – Iza no manara-maso ireo mpanara-maso? Amin'ny lafiny hafa, mitombo ireo olom-pirenena manana finday takatry ny rehetra sy fitaovana hafa izay lasa mpiampanga izany sy mizara hatrany hatrany porofo momba ny kolikoly sy ny famoretana . Eo no irotsahan'ny OpenWatch an-tsehatra.

Mizara roa ny OpenWatch, rindrambaiko anaty finday ho an'ny Android sy ny iOS izay mitahiry feo sy lahatsary an-katakonana, ary rindrambaiko manana loharano misokatra hanangonana ireo tahiry. Copyright an'ireo mpandrindra sy mpiara-miasa amin'ny OpenWatch avokoa ny zavatra rehetra hita ao anatin'io vohikala io ary navoaka teo ambanin'ny lisansa Creative-Commons Attribution 3.0. Ireo mpampiasa izay tsy manana smartphone hametrahana ireo rindrambaiko ireo dia afaka ihany koa miantso laharana iray hanaovana fandraketana ampitain-davitra mankany amin'ny foto-drafitrasan'ny OpenWatch. Ny tanjona amin'izany dia ny hampiasàna ireo porofo ireo hamborahana ny fampiasàna ny kolikoly sy ny famoretana, ary hanampiana ny fampakarana ireo tompon-andraikitra amin'izany hiatrika fitsarana.

Ito misy lahatsary iray manazava ny fomba fampiasàna ny OpenWatch:

Click on the video to watch

Ireto hazavaina ireto ireo dingana arahana:

Dingana 1: Misintòna iray amin'ireo rindrambaikon'ny OpenWatch: na  ny openwatch na ny Cop Recorder. Samy maimaimpoana izy ireo, toy izany ihany koa ny kaodin'ny loharanony.

Dingana 2: Rehefa te-hitahiry antsokosoko feo na lahatsary ianao, sokafy ilay rindrambaiko ary kitiho na ny “Mitahiry Feo” na ny “Mitahiry Lahatsary.” Tonga dia manomboka mandray ilay rindrambaiko avy eo, fa miseho tahaka ny hoe mihidy izany. Raha mikasika ny fitahirizam-peo, hiverina amin'ny fàfana fandraisana izany. Raha mifidy ny hitahiry lahatsary ianao, maty ilay fàfana, tahaka ny hoe novonoina ilay finday.

Dingana 3: Rehefa te-hamarana ny fitahirizanao ianao, avereno sokafana ilay rindrambaiko. Hijanona avy hatrany ilay fitahirizana, ary hasaina ianao hamariparitra an'ilay tahiry. Hiakatra ho ao anatina “lohamilina” voaaro ao amin'ny openwatch.net izany tahiry izany, ary ao no handinihan'ny openwatch izany ary, raha ilaina, hanaovana fanadihadiana lalina kokoa.

Milaza i Rich Jones (23), mpamorona ny OpenWatch fa hevitra nalaina tamin'ny feritreritry ny mpamorona ny WikiLeaks, Julian Assange momba ny “fanaovan-gazety siantifika” ity tetikasa ity, fanaovan-gazety izay mifototra amin'ireo antontan-taratasy na rakitra nefa manome fahafahana ny daholobe hahita ireo loharano fototra ireo ihany koa. Mizara lesona avy ao amin'ny Wikileaks izy – “mba hampisy fahefana ny tetikasa feno fangaraharana iray, tsy azo ekena ny fisiana lesoka.” Mino izy fa  “azo ampiasàna ny crowd-sourcing (fampandraisana anjara ny daholobe) ny fanangonana ny tahirim-baovao tsiambaratelo”.

Vakio ny fanadihadiana niarahana tamin'i Rich Jones ao amin'ny Bilaogy NewsMeBack.

Mangataka anao hanaraka ity tetikasa ity ao amin'ny Twitter sy ny bilaogin'ilay tetikasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.