Orogoay: Tolo-dalànan'ny Governemanta Hanaovana Ho Ara-dalàna Ny Fanjifàna Marijuana

Niteraka fanehoan-kevitra mifamahofaho ny filazana hoe manosika ny hanaovana izay hampalalaka ny famarotana ambany fanaraha-mason'ny marijuana ny governemanta Orogoaiana. Ilay tolo-dalàna dia atolotra ho toy ny fepetra hisorohana ny fanjifàna sy fanelezana ny fetanà cocaine (“pasta base” amin'ny teny Espaniola), zava-mahadomelina tena fantatra eny anivon'ny tanora Orogoaiana.

Araka ny tatitra farany nataon'ny gazety El País [es], hamoaka andianà fepetra 16 ny governemanta ho toy ny “ady atao amin'ny fetanà cocaine”. Milaza ny governemanta fa tomponandraikitra amin'ny fisian'ny heloka bevava maro ny fetanà cocaine, indrindra fa ny nataon'ireo tsy ampy taona. El País nitatitra fa ho an'ny fanjakana ilay tolo-dalàna dia mety, “hametraka ny varotra marijuana ho tahaka ny ‘famotsiana’ ny vola maloton'ny tsenan-java-mahadomelina, hanaisotra ampahany betsaka amin'ny tombombarotr'ireo mpikirakira zava-mahadomelina ary  ‘hanisaka’ ireo mpiankin-doha amin'ny fetanà cocaine hankany aminà zava-mahadomelina maivamaivana kokoa. Tsipihan'ilay gazety ihany koa fa ny fitazonana na fampiasàna marijuana ho an'ny filàn'ny tena manokana dia tsy mahazoasazy ao Orogoay.

Manazava ny bilaogy World War -D :

Araka ilay tolo-dalàna, ny marijuana dia ho azo jifaina eo ambany fanaraha-mason'ny governemanta ary ampiasàna rejistra ahitàna ireo mpampiasa azy sy azo anarahana ny kalitao ary ny làlana nizorany. Fonosana marijuana 40 isaky ny mpanjifa ihany no azo jifaina isam-bolana. Ho takatry ny rehetra ny vidiny ary hisy ny tatao halaina ho famatsiam-bola ny fitsaboana ireo mpiankin-doha.

Nalaky tamin'ny fanehoan-kevitra momba ilay vaovao ireo mpampiasa Twitter. Ny sasany nankalaza ilay fanambaràna, toa an'i Vanesa Casanova (@vanecasan) [es]:

Me levanto escuchando un discurso SUBLIME de Mujica…”proyecto de legalización de la marihuana”. Maravilloso‪ #BuenFeriado‬

Vao nifoha aho dia nandre kabary KANTO nataon'ny [Filoha] Mujica…”tetikasa hanaovana izay haha-ara-dalàna ny marijuana”. Mahafinaritra ‪ #BuenFeriado‬ (“manaova fialantsasatra tsara daholo”)

Ireo hafa, toa an'i Álvaro Amoretti (@aamorettivp) [es], manontany tena hoe:

Con todo lo que hay que resolver y encarar, ¿es razonable embarcar al país en un debate por la marihuana? Es tiempo de hacer, presidente.

Manoloana ny zavatra rehetra tsy maintsy hovahantsika sy atrehantsika, tena mifanaraka amin'ny tokony ho izy ve ny mitondra ny firenena ho ao anatin'ny adihevitra iray mikasika ny marijuana? Fotoana izao ho “fiasàna”, ry filoha.

Tahaka izay, i @LalaCanessa [es] mibitsika hoe :

Legalizar la venta de marihuana… Otra vez ponen el foco en cosas que no nos mejoran como pais. Enserio Pepe, deja de vender humo!

Fanaovana ny varotra marijuana ho ara-dalàna… Mifantoka indray mandeha indray amin-javatra tsy mampivoatra antsika amin'ny maha-firenena antsika ry zareo. Mba marina moa ry Pepe [Mujica], atsaharo ny filalaovana anay !

Raha i Graziano Pascale (@grazianopascale) [es] kosa tsy mahita ny fomba hivahàn'ny olana ara-pandriampahaleman'ny firenena amin'izay fanaovana ny varotra marijana ho ara-dalàna :

La legalización de la marihuana en un “paquete x seguridad” tiene tanto sentido como promover ciclismo para combatir accidentes de aviación

Misy dikany kokoa ny fanaovana izay haha ara-dalàna ny varotra marijuana ao anaty  “haron'ny fandriampahalemana” miohatra amin'ny fanandratana ny hazakazaka  am-bisikilety ho fiadiana amin'ny lozam-piaramanidina..

Tsy zava-baovao ao Orogoay ny adihevitra hanaovana ny varotra marijuana ho ara-dalàna. Ny 5 May 2012, maherin'ny roa arivo ireo olona nanao diabe tao  Montevideo tao anatin'ny fandraisana anjara tamin'ilay Diabe Maneratany Momba ny Marijuana natao taminà tanàna maro eran'izao tontolo izao. Mizara ity lahatsarin'ilay diabe ity i  Prolegal-Proderechos :

Handalo ao amin'ny adihevitra ifanaovan'ny parlemanta ilay tolo-dalànan'ny governemanta ary hankatoavina alohan'ny hampiharana fepetra. Mandritra izany, toa mitohy hatrany ny adihevitra eny anivon'ireo tambajotra sosialy.

Hajiantsary avy amin'ny  Wikimedia Commons  eo ambanin'ny Creative Commons license (CC BY-SA 3.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.