Etazonia: “Shooting Blind”: Fijerena Aminà Maso Hafa

Isaky ny Talata, misy andianà mpaka sary manana olana amin'ny fahitàna mifamory foana ao Manhattan, New York City. Ny sasany amin'ireo mpanatrika no jamba amin'ny ampahany, raha ny hafa kosa misedra olana noho ny fahasimban'ny fahitàna aloha loatra, na ry zareo jamba hatrany am-bohoka. Ny anaran'ilay vondrona dia Seeing with Photography Collective (SWPC).

Tanaty boky iray mitondra lohateny hoe Shooting Blind, Mark Andres, izay mpanangana sy mpitarika ity fiaraha-mientana ity dia manazava fa izy dia nitana andraikitra maro tao anatin'ilay fikarakaràna. NNitàna ny andrikitry ny mpandrindra ny feo, mpitari-dia, mpanofana, mpiara-miasa ary indraindray toy ny mpakasary tompon-toerana na mpanampy. Midika io fa fanalahidin'ny fahombiazan'ilay vondrona ny firotsahana sy fifanotronan'ireo samy mpikambana, izay ny tena teknika iraisan'ny rehetra dia ny fanaovana hosotra ny hazavana.

Zarainay ny saripika sasany avy amin'ireo mpikambana ao amin'ny  SWPC (izy rehetra ireo dia samy navoaka nahazoana alalana avokoa), ary lahatsary iray nataon'i Steven Erra, iray amin'ireo mpanakanto ao anatin'ilay fiaraha-mientana. Ireo sary ireo no manome sary an-tsaina ny fahalinana sy ny fironan'ireo mpaka sary. Antenainay fa hahafaly anareo izy ireo!

avy amin'ny SWPC

avy amin'i Donald Martinez sy Phil Malek

avy amin'ny SWPC

avy amin'ny Hashim Kirkland

avy amin'i Mark Andres

avy amin'ireo mafàna fo SWPC nandritra ny Occupy Wall Street.

avy amin'ny SWPC

avy amin'ny SWPC. Saripika nalaina tamin'ny fotoam-panokafana ny fampirantiana tao amin'ny Ivontoerana ho an'ny Sary tao Long Island.

Ity ny lahatsary iray mikasika ny vondrona Seeing with Photography Collective avy amin'i Steven Erra:

Afaka jerena ao New York ity fanprantiana ity, ao amin'ny Ivontoerana ho an'ny Sary ao Long Island ao amin'ny Afroamerican Museum, 110 Franklin Street, Hempstead, Long Island hatramin'ny 29 Jona. Ny SWPC koa dia manasa anao hitsidika ny pejiny Flickr. Ankasitrahana indrindra izay ho fanehoan-kevitra amin'ireo sary.

Tsy dia misy lanjany loatra ny hazavana

mandra-pahatongany ho ao anaty masotavoahangy iray na anaty kamera mangatsiaka

manjary misy dikany

Steven Erra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.