Ejipta: Milaza Fandresena Ny Mpirotsaka Ho Filoha Avy Amin'ny Firahalahiana Silamo

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana ao Ejipta 2011/2012.

Nanambara i  Mohamed Morsi, mpirotsaka avy amin'ny Firahalahiana Silamo, fa izy no nandresy tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Ejiptiana, nandresy an'ilay praiminisitr'i Hosni Mubarak, Ahmed Shafiq, nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety nataony tamin'ny 4 maraina tao Cairo ny 18 Jona. Namaly ny mpitondra tenin'i Shafiq fa Shafiq koa no nahazo ny fitantanana ny fanjakana tamin'ny vato 52 isan-jato. Nifanenjana ny roa tonta, ary ny vokatra ofisialy dia hambara amin'ny Alakamisy izao. Ireo mpiondana aterineto, tsy misy faly amin'ireo mpirotsaka roa ireo, dia nitodika tany amin'ny Twitter mba hamoaka ny fomba fijeriny.

Rasha Abdulla milaza hoe :

@RashaAbdulla: Tena faly aho fa resy i Shafiq. Nefa koa ratsy raha nandresy i Morsi !!:)

manampy hoe :

@RashaAbdulla: Raha nandresy i Morsi, midika fotsiny izany fa halan'ny vahoaka bebe kokoa  i Shafiq noho i Morsi. Tsy midika ho mariky ny mampahalaza azy na oviana na oviana izany! Samy safidy tsy mamely izy roa ireo!

Manaiky i Bassem Sabry :

@Bassem_Sabry: Ny hany zavagtra tokana manelingelina ny hafaliako amin'ny fahitàna ny faharesen'i Shafiq dia, izao, ny fandresen'i Morsi…

Ary Iyad El-Baghdadi no mitondra fanazavana :

@iyad_elbaghdadi: Ireo tsy Arabo mitomany ny fandresen'ny MB iray – tsy izany no zavatra ho hankalazaintsika. Ny fahavoazan'i Shafiq no ankalazaintsika, fa tsy  ny fandresen'i Morsi.

ampiany hoe :

@iyad_elbaghdadi: Ny olona iray aza tonga mihitsy tamin'ny fanaovana fanamarihana momba ny fandresena azon'i Morsi tamin'ny fitenenana hoe  “tongasoa ry andro maizina”.  Sahala amin'ny hoe fahaterahana vaovao indray eo ambany fitondra-miaramila no misy isika.

Syrian Kareem Lailah mivazivazy mikasika ireo vaovao mifanohitra momba ny hoe iza no ho filoham-pirenena Ejiptiana manaraka eo:

@KareemLailah: [Qatari] Aljazeera: Mandresy i Morsi. – [Saudi] Alarabiya: Mandresy i Shafiq. – [Syrian] AddouniaTV: Tafaverina i  Mubarak.

Sherine Tadros, mpanao gazety, dia mitatitra ny rivtra iainana eo ivelan'ny foiben-toeran-dry Shafiq :

@SherineT: Lehilahy miady eo ivelan'ny HQ -ndry #shafik, hatezerana misonga sy henjana arakaraky ny vaovao mitete momba ny fanambaràn'ny #MB fa hoe akaiky ny fandresen-dry zareo.

Ary Manus McManus no mampitaha izany amin'ny any Alzeria. Mibitsika izy :

@ManusMacManus: Ny Fitondr-miaramila #Ejiptiana dia nahazo betsaka avyv amin'ny traikefa Alzeriana. Ny fahaiza-manao amin'ny fanilihana ireo andrim-panjakana lany tamin'ny fomba demaokratika.

Ilay Sultan vaovao mpidoroka zava-mahadomelina ao Emira Arabo Mitambatra dia manamarika hoe :

@SultanAlQassemi: Zavatra iray mba tsara mikasika ny fandresena azon'i Morsy ny hoe izy no ho sivily voalohany hitondra an'i Ejipta tao anatin'ny 60 taona  ( na dia tomponandraikitra manoloana ny MB aza izy) #Egypt

Milaza ihany koa izy hoe :

@SultanAlQassemi: Repoblikan'i Ejipta Silamo amin'ny Ampahany.

Ny ahiahiny amin'ny fakàn'ny silamo  ny fitondrana dia mivandravandra be ao anatin'ny bitsika nalefan'i Ganna :

@GGsaid: Ndeha daholo isika hanokana fotoana hanginana ho an'ireo trano fisotroana sy klioba maro hakatona eto Ejipta

Mandritra izany, Farida Sultan tsy mahita fiovàna. Mibitsika izy :

@FaridaSul: Raha mbola ny SCAF#EgyElections foana no eo amin'ny fitondrana, dia ho saribakoly hatrany izay filoha ho avy eo.

Ary Reem Abdellatif mampahatsiahy antsika hoe :

@Reem_Abdellatif: Mbola napetraka hanapa-kevitra ny fitsarana amin'ny Talata mikasika ny maha-ONG ara-dalàna na tsia ny Firahalahiana Silamo. Mety ho voatery handrava izany ny #Ikhwan. #Egypt #EgyPresElex

Ho famintinana, Bel Trew manoratra hoe :

@Beltrew: Mihevitra aho fa tsy dia raharahain'ny tontolon'ny Twitter loatra na iza na ho iza no ho lany eo rehefa natao ny fandinihana #EgyElections – tsy hanana fahefana feno izay filoha ho avy eo #EgyPresident

Raha te-hahita fanehoan-kevitra bebe kokoa, araho ny tenifototra #EgyElections sy #EgyPresElex.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana ao Ejipta 2011/2012.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.