Arabia Saodita : Ny Fiantraikan'ny Fahafatesan'i Nayef

Ny fahafatesan'ny Printsy mpandova fanjakana ao Arabia Saodita sady Minisitry ny Atitany, Nayef bin Abdulaziz Al Saud, 78 taona, dia nambara ny 16 Jona. Maneho hevitra momba ilay vaovao ireo mpiondana aterineto.

Mahmoud Salem, Ejiptiana mpitoraka bilaogy, dia manamarika hoe  :

@Sandmonkey: Manana fiantraikany maro aty amin'ny faritra ny fahafatesan'ny Printsy Nayef fa tsy toy ny fifidianana ataontsika akory. Goavana ny kilalao mitranga ataon'ny mpitondra saodiana  amin'izao.

miampy ny hoe :

@Sandmonkey: Oooay,  hiatrika ny olana amin'ny tetezamitany ry zareo saodiana ankehitriny, na dia tsy azoko antoka loatra aza hoe halahelo ny olona mieritreritra ny hoe tsy hifehy azy ireo intsony i nayef.

Ilay Maoritaniana, Naser Weddady, manamarika hoe :

@weddady: Ny printsy mpandova, Nayef, no endrika hita mason'ny fifanoheran-kevitra tandrefana: henjana amin'ny mpampihorohoro, izay natsangany, novatsiany & nolalainy, fa mampiteny ny moana raha resaka zon'olombelona #Saudi

Ary ny zokiolona amin'ny Fikarohana ao amin'ny Fandaharanasa  Chatham House, Afovoany Atsinanana sy any Afrika Avaratra , Jane Kinninmont manamarika hoe :

@janekinninmont: Noraisina ho toy ny hery manetsika ny politika Saodiana tao Bahrain sy Yemen ny Printsy Nayef (raha jerena akaiky dia tahaka ny hoe raharaha tafiditra ampahany ao anatin'ny sahanin'ny ministeran'ny atitany mihitsy izy ireny)

Ampiany hoe :

@janekinninmont: Aza miandrandra fiovàna tampoka eo amin'ny politika Saodiana izany ; Fitandremana be io, faritan'ny marimaritra iraisana ataon'ny fianakaviana & mbola be ny teboka henjana tsy maintsy omena valiny.

Ny mpitantara vaovaon'ny UAE, Sultan Al Qassemi, mampahatsiahy antsika :

@SultanAlQassemi: Nayef no faharoa amin'ny printsy mpandova fanjakana maty am-perinasa taorian'ny Printsy Sultan izay maty tamin'ny Oktobra 2011

Ary Amjad Saleem mivazivazy hoe :

@corporatesufi: sahala amin'ny hoe misy risika vitsivitsy izany ny maha-printsy mpandova fanjakana ao Arabia Saodita. Mety hisaintsaina in-droa ihany izy taorian'ity fahafatesana faharoa ity?

Mandritra izany fotoana izany dia mibitsika i Raza Aslan :

@rezaaslan: Sahala amin'ny hoe nanapa-kevitra Andriamanitra ny hiaro an'i Arabia Saodita #SaudiArabia amin'ny mety hisian'izany hoe Mpanjaka Nayef izany. Nodimandry omaly ny Printsy Henjana Mpandova ny Fanjakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.