Faha-5 taonan'ny RV: Media Vaovao Ho An'ireo Mafana Fo Momba Ny Fahasalamana

Nanome fanohanana bitika ho anà tetikasa mediam-bahoaka miisa enina mifantoka amin'ny fahasalamana ny Rising Voices sy ny Tetikasan'ny Mediam-pahasalamana ao amin'ny  Open Society Institute tamin'ny taona 2008. Sosokevitra avy aminà tetikasa 110 natolotr'ireo mafana fo momba ny fahasalamana sy ireo fikambanana mitsangana manerana ireo firenena 50 samihafa no nanaovana ny fifantenana.

Iray amin'ireo tetikasa tohanana ireo ny tetikasan'ny fikambanana AZUR Development miaro ny zon'ireo voan'ny SIDA any Brazzaville, Kongô izay nanofana ireo mpiasan'ny fifandraisana ao anatin'ireo fikambanana any an-toerana miady amin'ny SIDA mikasika ny fitantarana tantara dizitaly, ny fanaovana podcast, ary ny famoronana bilaogy mba hamoronana tahirin-kevitra momba ny fitsaratsaram-poana sy ny fanavakavahana ny olona voan'ny VIH SIDA sy ny manodidina azy any Kongô. Namoaka sasinteny momba ilay tetikasa i Juhie Bhatia avy amin'ny Rising Voices:

Antenaina fa hampiasaina ho fitaovana iray hisoloana vava sy hanabeazana ireo tantara voarakitra ireo, hanampy hanandratra ny zon'ny olona voan'ny VIH. Hatreto dia olona 79.000 (na 3,5 isanjaton'ny olon-dehibe) no miaina miaraka amin'ny VIH any Kongô, ary olona 6.400 tao amin'ny firenena no matin'ny SIDA tamin'ny taona lasa.

Milaza ny eritreritr'i Sylvie Niombo, talen'ilay tetikasa, mikasika ireo sedra i Bhatia:

Milaza i Nyombo fa ny ankamaroan'ireo mpandray anjara tanatin'ny atrikasa tany Brazzaville sy Pointe-Noire no sambany vao mba nahafantatra ny atao hoe bilaogy. Ho fanampin'ny firaketana ireo tantara, mampiasa ny fitorahana bilaogy ihany koa izy ireo hamoahana fanampim-panazavana momba ny fikambanan'izy ireo, satria tsy manana Vohikala ny ankamaroan'izy ireo. Na eo aza anefa izany, manampy izy fa matetika dia any amin'ireo Cyber kafe ihany no ahazoana Aterineto . Koa satria $1 Amerikana fara-fahakeliny ny sandan'ny Aterineto mandritra ny ora iray any amin'ireo cyber kafe ireo, indray mandeha na indroa isan-kerinandro ihany ireo mpiasan'ny fifandraisana no afaka miditra anatin'izy ireny.

Vakio ny sasany amin'ireo tatitra nazavaina tanatinà lahatsoratr'i Bhatia iray hafa, indrindra ity iray ity:

Mamoaka tranganà fanavakavahana iray hafa i Davy Herman Malanda, mizara ny tantaran'i Bernadette (solon'anarana), tanoravavy mpivarotra lamba fitafy efa niasa (fripy) any amin'ny tsenan'i Tié-Tié any Pointe-Noire. Izy no mpamelona ny fianakaviana, nefa niova izany rehefa nahafantatra izy fa voan'ny VIH.

Nampahafantarina izany fisian'ny VIH tao aminy izany ireo mpiara-miasa aminy sy ireo mpividy ao amin'ilay tsena. Tena vitsy ireo mpividy tonga mividy zavatra eo amin'ny latabatr'i Bernadette. Lasa sarotra ny fiainany, ary misedra olana izy vao mahatratra ny faran'ny volana.

Andiana fiofanana momba ny mediam-bahoaka ho an'ireo mpiasan'ny fifandraisana sy ireo mpitarika fikambanana miady amin'ny VIH SIDA ao an-toerana.

Any Pointe-Noire, Kongô, navotsotra ny fonja ny lehilahy manambady aman-janaka iray rehefa nahafantatra ny mpitandro filaminana fa mitondra ny VIH izy. Vakio eto ireo tantara hafa.

Ho fanamarihana ny andro eran-tany iadiana amin'ny SIDA, ny tetikasa AIDS Rights Congo dia nampifantoka ny tantarany tamin'ny vondrom-behivavy iray mety ho marefo iharan'ny herisetra ara-nofo sy matetika dia atao antsirambina anatin'ny ady amin'ny VIH/SIDA — ireo manana kilema. Nampiasa ny fitorahana bilaogy sy ny mediam-bahoaka hafa ho fitaovana hiadiana amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ihany koa io tetikasa io.  Vakio bebe kokoa ny mikasika izany eto sy eto.

Mamisavisa [fr] ny fomba fiandraisan'ireo vehivavy ny fitenenana ao amin'ny vohikala hanoheran'izy ireo ny herisetra ara-nofo ny Vohikalan'ny Azur “Congolese Women On The Web (Ireo Vehivavy Kongoley Ao Anaty Aterineto)”. Afaka mijery ireo sary ao anatin'ny kaonty Flickr ianao.

Iray amin'ireo ohatry ny fampiasàna araka ny tokony ho izy ny fanohanana bitika avy amin'ny Rising Voices hampaherezana ireo mafana fo momba ny fahasalamana mampiasa ny media vaovao sy ny & ICT hanapariahana ny fampitandremana momba ireo olana goavana anatin'ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana izany tetikasa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.