Indonezia: Fitaovana Fandraketana An-tsarintany Ny Fahasimban'ny Ala Ao Sumatra

Misy fitaovana iray vaovao fandraketana ho anaty saritany ka manome tahirin-kevitra  mikasika ny fahasimbana mahavalalanina mahazo ny ala mandrakotra ny Nosy Sumatra ao Indonezia. Sumatra, nosy iray isan'ny lehibe indrindra eran'izao tontolo izao, dia toerana iray hany fantatra fa misy elefanta, rhinos, tigra sy ‘orangutans’ miara-monina. Tandindonin-doza io fifangaroanà zava-manan'aina ao Sumatra io satria ny 50 isan-jaton'ny ala voajanahary ao amin'ilay nosy no simba nanomboka tamin'ny 1985, saika noho ny fampiroboroboana tafahoatra sy mivatravatra ny famokarana menaka azo avy amin'ny voanio.

Ilay fitaovana ho fandraketana anaty sarintany dia novokarin'ny WWF-Indonesia, ny fifandrimbonan'ireo ONG  Eyes on the Forest, sy ny  Google Earth Outreach.

Tanjony ny hampisy ny mangarahara manodidina ny fampiasana ny tany ao Sumatra, izay efa manodidina ny antsasaky ny àlany no very nanomboka tamin'ny 1985 noho ny fanitarana ny asa fambolena, fitrandrahana harena ankibon'ny tany, firoboroboan'ny famokarana fetan-taratasy na taratasy, ary ny voly voanio fanao menaka. Ny fahasimban'ny ala ao Sumatra dia mametraka an'ireo karazam-biby nanana ny toerany sy ny maha-izy azy ho tandindonin-doza, no sady mandefa eny amin'ny rivotra iainana entona karbonika manimba amin'ny fatra tsy hita noanoa.

Kendrena ny hanamorana ny fidirana amin'ireo angona momba ny soatoavina tsy manan-tsahalan'ilay nosy, ny fifangaroana tsy misy toa azy hita amin'ireo zava-manan'aina ao anatin'ny alany, ny fiainana anaty natiora mahasondriana, ary ny hebetsahan'ny tahirin'entona karbona voatazona any anatim'ny fara-aty lalina amin'ireo taniny.

Miaraka amin'ilay angona, dia eritreretinay ny hampiakatra ny mangarahara mikasika ireo loza mitatao atrehan'ireo soatoavina ireo, fampahafantarana ireo manome vàhana ny fahapotehan'ny ala, ny fanimbàna toeram-ponenana, ary ny fandefasana ho eny amin'ny rivotra ireo tahirinà entona karbona voatahiry tany ambanin'ny taniny.

Google Earth Outreach dia mino fa ilay fitaovana dia ho afa-mitari-dàlana ireo mpampiasa azy hanamarina raha toa ka marina tokoa ny fanambarana nataon'ireo orinasa mpanodina menaka voanio mikasika ny fiarovana ny tontolo nambaran-dry zareo.

Manantena hampianatra ireo mpijery ihany koa ry zareo mikasika ny tantara sy ny fiantraikan'ny fahapotehan'ny ala ao Sumatra. Arakaraky ny fandrosoan'ny tetikasa no hanaporofoan-dry zareo ny hoe fomba manao ahoana no hanovan'ny filàn'izao tontolo izao ny tontolo manodidina, mazàna ao anatin'ny fanitsakitsahana ny lalàna sy ny fepetra  misy. Ireo mpikambana ao anatin'ny fiarahamonina sivily – toy ny mpanjifa ara-barotra ny menaka vita amin'ny voanio sy ny taratasy vokarina avy ao  Sumatra – tsy mila mandao akory ny tokantranony dia ho afaka mitrandraka ifotony ny zava-marina amin'ny nambaran'ireo vondron'orinasa momba ny resa-pamokarana miahy ny tontolo iainana, amin'ny alàlan'ny famoronana ny sarintanin-dry zareo manokana miaraka aminà sarintany efa vonona sy mifanandrify amin'ny fahapotehan'ny ala, ny tahirin'entona karbona sy ny fifangaroan'ny zavamiaina ao.

Ny ONG Eyes on the Forest dia manazava ny fomba azon'ireo mpampiasa aterineto atao hananganana ny saritanin-dry zareo manokana amin'ny alalan'ireo fitaovana ety anaty aterineto

Ho afaka manangana ny sarintaniny manokana ireo mpampiasa aterineto avy amin'ny fampiasana ireo sosona ao amin'ny Eyes on the Forest momba ny fahapotehan'ny ala nandritry ny taona maro, ny fipariahan'ireo karazana samihafa, ny faritra tafiditra anaty hamehana ny fiarovana azy, ny famerenana ny faritra ho amin'ny laoniny, ireo tany simba sy ny faritra arovan'ny governemanta.

Ilay sarintany vaovao dia hanampy ireo mpikajy ny tontolo iainana hahafantatra ireo toerana itrangan'ny fanimbana ny ala, ny faritra tena saropady tokony hirotsahana an-tsehatra, ary ireo faritra mety hampifanehatra sy hifandonan'ny olombelona amin'ny biby toy ny tigra – ny tena fahalalàna fototra ilaina amin'ny ady ho fiarovana izay sisa tavela.

Ity ambany ity ny faritra rakotra ala tao Sumatra tamin'ny taona 1985.

ny faitra rakotra ala tao Sumatra tamin'ny taona 1985

Tamin'ny taona 2009, tena nahitàna fihenàna be teo amin'ny faritra rakotra ala tao amin'ilay nosy.

faritra rakotra ala tao Sumatra ny taona 2009

Sumatra no hany toerana iray eto ambonin'ny tany ahitana orangutans, rhinoceros, elefanta sy tigra miara-miaina. Nefa ireo karazany efatra ireo dia voasokajy daholo ho tena tandindonin-doza. Ny fianakaviamben'ny Rhino tamin'ny 1980:

Toeram-ponenan'ny Rhino tamin'ny 1980

Ny fahasimban'ny faritra rakotra ala ao Sumatra dia loza mahatahotra ho an'ireo biby toy ny Rhino. Tamin'ny 2007, tena nihena be tokoa ny isan'izy ireo.

toeram-ponenan'ny Rhino tamin'ny 2007

Ilay fitaovana fandraketana ho anaty sarintany dia manome ireo fanalahidy fototra mikasika ny zavamaniry sy biby mampiavaka ilay nosy.

Tany am-piandohana dia hita nanerana ny faritany rehetra tao Sumatra ireo rhinos tao Sumatra raha ny tatitra novokarina tao an-toerana teo anelanelan'ny 1790 sy 1973 no raisina ho porofo.

Tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 80 tany, tena nihena be tsy nisy toy izany ny toeram-ponenan'izy ireny.

Tamin'ny 2007, ny Ministera Indoneziana misahana ny Ala dia namoaka hoe andian-taranaka rhino Sumatran valo no efa fongana ary ny fitambaramben'ny mbola tavela dia vinavinaina ho eo amin'ny 145 hatramin'ny 200 eo sisa.

Ny tena loza goavana mitatao amin'ireo rhino Sumatran dia ny ‘braconnage’ (Avy amin'ny mpandika : fihazàna azy ireny noho ny vanginy ohatra)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.