Yemen: Voazava Ny Tanjak'i Arabia $aodita

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona Yemen 2011.

Tsy afenina intsony ny herin'ireo mpiray vodirindrina amin'i Yemen, manankarena sy matanjaka, amin'ny raharaha anatiny. Tsapan'ny Yemenita  am-polo taona maro ny fitsabahan'ny Arabia Saodita ary nihanazava ny fihitaran'izany nandritra ny revolisiona tamin'ny 2011, indrindra tamin'ny iray izay nalaza tokoa, nantsoina hoe fifanarahana GCC.

Maro ireo Yemenita no naneho hevitra momba ireo mpanao politika sy sheikhs karamain'ny Saodiana, nefa somary nahagaga ireo mpampiasa aterineto ihany ny nahita ireo anarana sy endrika, toy mainty ambonin'ny fotsy, rehefa navoakan'ny  ‘El Sharae’, gazety iray any an-toerana, tamin'ny 3 Jona ny lisitr'ireo olona ambony 2700 amin'ny foko, mpanao politika na miaramila, tamin'ny fanambarana fa nahazo 56 tapitrisa Riyal Saodiana isam-bolana izy ireo avy any Arabia Saodita, ka ny 40 tapitrisa amin'izany dia voalaza fa nalefa any amin'i Ali Abdullah Saleh. Izany tatitra izany, nantsoina hoe “Filaharan'ny kaomity manokan'ny Saodiana” dia naverina navoaka tao amin'ny aterineto tao amin'ny Yemenpress, nefa tsy mbola nipoitra tamin'izany lisitra izany i Saleh.

Al Share news paper's front page on June 3rd

Pejy voalohan'ny gazety Al Share tamin'ny 3 Jona.

Nandefa tweet i Adam Baron, mpanao gazety mahaleo tena :

@adammbaron fantatra izao ny halavan'ny tànan'akanjon'ny Saodiana any  #yemen : Amiko, ny tena mahagaga dia 15 tapitrisa $ monja dia ampy  nividianana olona 2700.

@adammbaron: Mandrakotra ny sehatra rehetra ara-politika, ara-paritra, ara-poko, sns ny anaran'ireo mpiasam-panjakana mandray vola isam-bolana avy amin'ny saodiana. #yemen

Nandefa rohy hafa mankany amin'ilay lisitra ihany koa izy ary tsy hita tao ny anaran'i Saleh:

@adammbaron: navoakan'ny gazety tany ‪#yemen‬ ny anaran'ireo mpanao politika, filoham-poko, sns izay mandray $$ avy any amin'ny saodiana. tapany voalohany (AR): http://yementoday.net/index.php?opti

Farea Al-Muslimi nandeha tweet hoe:

@almuslimi: @A4Mai @NoonArabia @ahYemen @alguneid @amelscript @Nefermaat @CarvajalF Tsy Sheiks ihany ; tafika, mpanao politika,… ny rehetra.

@almuslimi: 15 tapitrisa dollars isam-bolana no mankany amin'ny jiolahimboto efatra; karama roa taona dia afaka mamaha ny olana goavana amin'ny maha-olombelona diavin'i ‪#Yemen amin'izao.

Ibrahim Mothana nandefa tweet hoe :

@imothanaYemen: Adihevitra mafana any #Yemen taorian'ny nanombohan'ny gazety Al-Shaera namoaka ny anaran'ireo mpanao politika/mpitarika foko karamain'ny Arabia Saodita

@imothanaYemen: Araka ny tatitr'i Al-Sharea, mandray 2 arivo tapitrisa isan-taona avy amin'ny saodiana ny antoko Islah. Mba ohatrinona àry no azon'i Houthis avy any Iran? ‪#Yemen‬

@imothanaYemen: ‪Amidy #Yemen‬! Mividiana mpanao politika iraydia mahazoa iray hafa MAIMAIMPOANA! http://bit.ly/K76fae

@imothanaYemen: @NoonArabia @Macoombs @JustLuai Io ny pejy voalohan'ilay gazety an-tsoratra. Saleh, Sadeq (Sheik Sadeq Al-Ahmar) ary  Ali Mohsin no lohalaharana pic.twitter.com/rZVkdW0u

Luai Ahmed  nandefa tweet ny fahadisoam-panantenany:

@JustLuai: @imothanaYemen @NoonArabia @Macoombs mahagaga hoe ry tavany ireo dia nandray anjara GOAVANA tamin'ny fahantran'i Yemen amin'izao fotoana izao…

Tahaka izany koa Yemen_Updates:

@yemen_updates: Ny tena mampalahelo tamin'ny vaovao momba ny ‪#YemeniPoliticians4Sale‬ dia nisy tamin'ireo olona ireo no indrisy fa nohajaintsika. ‪#Yemen‬ ‪#FF‬

Ny Kongresim-bahoaka [ar], tarihan'ny filoha teo aloha Saleh dia namoaka fanambaràna mandà fa tsy nandray vola isam-bolana izany ary tahaka izany koa Al-Islah [ar], izay nandà fa tsy nisy na iray aza tamin'ireo mpikambana ao aminy nandray vola avy any Arabia Saodita ary nilaza fa “vaovao diso sy fanendrikendrehana” io tatitra io.

Tokony namoaka ny tapany faharoa sy fahatelo tamin'ilay lisitra ny gazety nefa tsy afaka nanao izany noho ny “olana vitsivitsy”.

Nalefan'i @JustLuai tweet ny antony tsy namoahana ny ambin'izany lisitra izany:

@NoonArabia @CarvajalF @Macoombs  momba ny gazety AlShare’ ve izany? Ny Tonian-dahatsoratry ry zareo mantsy, Ali Al-Saqqaf, dia enjehina amin'izao fotoana izao.

Maro no nanontany tena hoe nahoana ilay gazety no izao vao nanapa-kevitra ny hamoaka io lisitra io? Azo lazaina aloha fa niteraka korontana izany.

Araka ny CNNarabic, nandritra ny fivoriana voalohany tamin'ny Sabotsy 9 Jona ireo mpikambana ao amin'ny antenimiera dia nangataka fanazavàna avy amin'ny praiminisitra Mohammed Bassenduwah ary nanery ny governemanta hamoaka izay fantany rehetra momba izany olana izany.

Efa hatramin'ny ela i Arabia Saodita no nandray an'i Yemen ho taniny ary maro ireo Yemeni no mahatsapa fa nanimba ny revolisioniny tamin'ny alalan'ny Fifanarahana GCC izany, amin'ny maha-tetika hanakanana ny demokrasia tsy hitoetra ho laharampahamehana. “Tazony halemy i Yemen” no voalaza fa notaterina ho nambaran'ny mpanjaka Faisal tamin'ireo zanany lahy teo am-parafara nahafatesany, ary notanterahin-dry zareo tokoa izany, tamin'ny fanakaramàna manamboninahitra ao amin'ny governemanta Yemenita sy  filoham-poko, ary ny fandrisihana fifandirana anatiny. Nefa tsy Arabia Saodita ihany no meloka amin'izany, fa ireo nivarotra ny tenany sy ny tanindrazany ihany koa.

Omar Mash nandefa tweet an-katezerana hoe :

@OmarMash: #YemeniPoliticians4Sale: Tokony hotsaraina tsirairay noho ny famadihana ny repoblika ireo olona 2700 ireo.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona Yemen 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.