Faha-5 taonan'ny RV: FOKO – Fisaintsainana Avy Amin'i Joan Razafimaharo

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ampahany amin'ny asongadina mandritra ny volana hahatsiarovana ny Tsingerintaona faha-5n'ny RV ity lahasoratra ity.

Iray amin'ireo tetikasa tohanan'ny Rising Voices mandeha indrindra ny FOKO avy any Madagasikara, izay namadika ireo Malagasy mpiady hevitra ao anaty aterineto ho mpitoraka bilaogy. Ary làlana izany nolalovany izany. Hatramin'ny 2007, tsy nitsahatra nampivoatra vondrona mpanao gazetim-bahoaka izy tamin'ny alalan'ny fipariahan'ireo atrikasany manerana ireo tanàna maro erak'i Madagasikara. Miaraka amin'ireo fitantaran'izy ireo mafonja, nitana anjara asa goavana ireo mpitoraka bilaogy ireo nandritra ny krizy ara-toekarena nisy teo amin'ny firenena tamin'ny 2009-10.

Nangatahanay ny mpamorona lefitra ny FOKO Joan Razafimaharo handefa ny heviny mikasika ny dian'ny FOKO ary izao ny zavatra nosoratany:

Joan Razafimaharo. Sary an'i Oso avy ao amin'ny Flickr. CC: BY-NC-SA

Tadidiko ny hovitrovitray rehefa namaky ny lahatsoratra voalohany avy amin'ireo mpitoraka bilaogy izahay. Mpianatra any amin'ny anjerimanontolo sy any amin'ireo fianarana ambaratonga ambony manerana an'i Madagasikara ny ankamaroan'ireo mpanoratra ka nanampo hamaky lahatsoratra voasoratra mazava izahay. Koa satria voafetra tamin'izay sahin'ny media mahazatra ho rakofana ny fijerintsika ny tanora, tsy nanan-kevitra mihitsy mikasika ny zavatra miandry anay izahay.

Nifampitaritarika hahita olom-baovao ireo kiliobam-bilaogy, hanomboka tambajotra vitsy ary ho an'ny ankamaroan'izy ireo dia izany no làlana iray tsara indrindra hanehoana ny talenta miafina sy fahaiza-mamoron'izy ireo . Fantatro fa tsy nametraka lohahevitra iray voafaritra na nandràra ireo saropady ny ankamaroan'ireo mpampiofana. Rehefa namokatra lahatsary mahery vaika iray ny tovovavy iray 17 taona, izay nanarahany mpangataka iray nanerana ny araben'Antananarivo, nizara ny zavatra tsara indrindra fantany fotsiny izy: ny fiainana iainany isanandro. Inoana fa nanako tsikelikely tany amin'ireo mpitoraka bilaogy hafa avy any amin'ireo tanàna hafa ny hafany.

Tanora Mpitoraka Bilaogin'ny Foko. Sary nalaina tao amin'ny Foko

Nisy tanora nifanena teny an-dàlany taminà renim-pianakaviana iray mikarakara zaza marary, tena nanova ny fiainanay mandrakizay iny fihaonana tany amin'ny Tsenan'i Mahabibo iny. Fotoana maharitraritra taorian'ny tsy fahampian'ny fahazoana fanohanana ara-bola, mbola nitohy nifanerasera izahay rehetra. Lasa fomba iray tsara indrindra hanitarana ny tontolon'izy ireo ny Media Sosialy tamin'izany fotoana izany, izay tsy mbola dia be mpahafantatra loatra.

Fantatro tao amin'ny Facebook fa nahazo asa fanaovan-gazety any an-drenivohitra io tovolahy avy any Antsirabe io. Tsy nanana kaonty mailaka izy fony izay nifankahita! (ary fantatrao ny fahasorenana azo rehefa tsy ampy ny fotoananao nefa tsy misy aterineto na media sady tsy ahitana herinaratra mandritra ny atrikasa iray, ary avy eo tonga saina fa mila manokatra kaonty mailaka ny ankamaroan'ireo ankizy mialohan'ny ikitihan'izy ireo ny WordPress). Nizara fotoam-pahoriana sy fifaliana maro (tena maro) niaraka izahay. Niara-nanokatra varavarakely iray izahay. Ny zavatra hatokisako dia nosokafan'ny Malagasy mankany amin'izao tontolo izao io varavarankely io mba hahafahan'izy ireo mahita ilay tena Madagasikara.

Vakio eto ny fanadihadiana amin'ny antsipirihany niarahana taminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.