Ejipta: Bitsika Enti-manao Hosoka Fanadinana Any Amin'ny Lisea

Ambaran'ireo bilaogera Ejiptiana fa ampiasaina hanapariahana an-tsokosoko ny fanontaniana amin'ny fanadianana any amin'ny Lisea ankehitrny ny media sosialy. Dia io media io ihany izay nambara fa nandrehitra ny rvolisiona Arabo ankehitriny no ampangaina ho manome fahafahana ny mpianatra hanao hosoko.

Ao amin'ny Twitter, manoratra i Ramy Yaacoub hoe :

@RamyYaacoub: “Mitrandraka ifotony” ireo mpianatra eny amin'ny lisea mba hamaliana ireo laza adina nitete, andro faha-2, mandà izany ny Min. fanabeazana #Egypt araho ny  @waelabbas hahalalàna bebe kokoa

Ny voka-panadinana famaranan-taona amin'ny lisea no mamaritra ny  finoan'ireo mpianatra manerana ny tontolo Arabo. Henjana ny fifaninanana hahazo ny laharana any aloha satria antoka amin'ny fidirana eny amin'ireo anjerimanontolo izany. Analiny ankehitriny ireo mpianatra no miatrika ny fanadinana farany ao Ejipta. Mitohy hatramin'ny 4 Jolay ny fanadinana.

Wael Abbas, bilaogera ela nihetezana, milaza hoe [ar]:

هاهاها العيال بتوع ثانوية عامة عاملين هاشتاج للغش على تويتر اسمه : عبيلو واديلو – لووووول هاموت من الضحك – ده بجد على فكره والله !!!
@waelabbas: Haha! Manana tenifototra ampiasainy ao amin'ny Twitter hanaovana hosoka amin'ny fanadinana ireo mpianatra miatrka ny fanadinana farany. Tsy mitsahatry ny mihomehy aho. Ianianako aminareo fa tsy vazivazy ity an.

Ary hoy izy manampy :

العيال بتتويت من جوه اللجان هاهاها – كده ها يحجبوا تويتر على فكرة
@waelabbas: Avy ao anaty efitranom-panadinana ireo ankizy no mandefa bitsika. Haha! Raha izao no izy dia ho vitan-dry zareo ny hibahana ny Twitter.

Asmaa dia mizara izay tahotra izay koa. Manoratra izy :

منك لله انت وهوه بسببك هيقفلوا تويتر يادي النيشه هنفضفض فينا باه هنرجع الفيس تاني ولا جوجوبلس
@asmaaia: Enga anie Allah hanafay anareo! Noho ny fihetsikareo, hakaton-dry zareo ny Twitter. Dia aiza izany no hikamenona ? Dia hiverina amin'ny Facebook na hampiasa Google Plus indray isika izany.

Dikasarinà hafatra tamin'ny Blackberry miaraka amin'ny valim-panontaniana nakarin'i Wael Abbas tao amin'ny Twitter

Abbas dia mihantsy  Ministeran'ny Fanabeazana, izay tomponandraikitramin'ny fanadianana, amin'ny filazana hoe :

انا جالي الامتحان كله يا وزارة وسخة !!! الاجوبة النموذجية فعلا عالبلاك بيري !!! ده سكرين شوت ‎https://yfrog.com/a/img861/6812/2flly.jpg‏

@waelabbas: Ananako ny fanontaniana rehetra amin'ny fanadinana manontolo!!! Raha ny marina dia ao amin'ny blackberry messenger ny valiny marina rehetra ary dikarain'ny fàfana ity.

Manohy izy :

طيب انا وصلني حتى الان 15 سكرين شوت باجوبة امتحان اللغة الانجليزية للثانوية العامة والامتحان لسه فاضل له ساعة ونص! حد عاوز يقدم بلاغ ؟؟؟؟؟؟؟
@waelabbas: Hatreto dia dikarasin'ny fàfana ahitàna ny laza adina teny Anglisy ho an'ny mpianatra eny amin'ny lisea no azoko, ary ora iray sy sasany sisa dia hifarana ny fanadinana. Misy olona hitory va re ?

Minitra vitsy taorian'io, mibitsika indray izy:

معي الان 72 سكرين شوت لاجابات امتحاني اللغة العربية والدين !!!
@waelabbas: Dikasarinà fàfaa miisa 72 izao no ananako ho an'ny lasa adina teny Arabo sy finoana

Amin'ny fotoana anoratana ity lahatsoratra ity, ny adina teny Anglisy dia efa vita ary Abbas dia teo an-dalan'ny fampakarana ny dikasarin'ireo laza adina nitete ho ao amin'ny Facebook eto.

Mandritra izany, Mahmoud Nasef manontany hoe :

#عبيلو_واديلو‬‏ هاش تاج للغش الجماعى لطلبة الثانويه .. هو ده الجيل اللى هيقود المرحله القادمه .. فين وزارة التربيه والتعليم من المهزله دى
@m7moudnasef: Misy tenifototra iray ikambanan'ireo mpianatry ny lisea mpiray tarika manao hosoka. Tsy ity ve izany no andian-taranaka hitondra amin'ny dingana manaraka? Aiza ny Ministeran'ny Fanabeazana amin'ity sangy ratsy ity?

Ny tenifototra ampiasaina hanaovana ilay hosoka dia azo jerena ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.