Lahatsary: Andiany WITNESS (NANATRI-MASO) Amin'ny Fomba Fandraketana Anaty Lahatsary Ireo Fihetsiketsehana

 Namoaka andianà lahatsary vitsivitsy ny WITNESS mikasika ny Fomba Fandraketana an-tsary ny Fihetsiketsehana, midika ho toy ny torolàlana iantohana ny haha-porofon'ireo hetsika azy ireny no sady koa hisoloana vava hiarovana ny olona voarakitra anatin'ilay lahatsary.

Fangon'ny Witness

Ilay andianà lahatsary misy andiany dimy, novokarina niaraka tamin'ny fanohanana sy ny fahaiza-manaon'ireo mafàna fo mpandrakitra lahatsary manome torohay  manana ny lanjany ho an'ny tsirairay izay afaka  mitazona kamera eny afovoan'ny hetsika iray, ary  mendrika hampitaina ho toy ny fampahalalam-baovao, toy ny Hetsika Fibodoana na  Occupy Protests, ny Fitroaran'ny Siriana ary ny hafa tany rehetra tany. Ireo lahatsary dimy ao anatin'ilay andiany dia mandrakotra lohahevitra toy ny fiomanana handrakitra ny sary, fisafidianana ny fitaovana mifandraika amin'izany, fakàna sary miaraka aminà tarika, miezaka maka ny sary sy feo aminà kalitao tsara ary manainga tafatafa fanehoan-kevitra.

Ity andiany ity, miaraka amin'ireo nataonay Lahatsary ho sosokevitra fanovàna, dia mampiditra ireo fomba fanao mendrika indrindra novokarinay niaraka taminà mpiara-miasa 300 tany aminà firenena 80 nandritra ny 20 taona farany teo. Niasa ihany koa ry zareo mba hiatrika ireo fanambin'ny tena fiainana tsikaritray tamin'ny asa natao tamin'ny taona lasa sy ny fanofanana manokana ireo mafàna fo – indrindra indrindra fa ireo ao anatin'ny #video4change  amin'izao fotoana – faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.

Ity lahatsary voalohany ity dia mampiseho ny fomba fandraketana an-tsary am-pahatoniana sy amin'ny fahalalàna tsara ny tanjona tianao ho tratra ary ny olona kinendry, ny fitrandrahana toerana azo antoka, na izany ho anao, na ho an'ireo olona tafiditra ho ao anatin'ny fandraketana an-tsary ataonao, ary ny fandraketana ireo antsipirihan-javatra sy, isaky ny hetsika, ny datin'andro nanaovana ilay fandraketana,  ny ora ary ny toerana nisy ny hetsika.

Ny lahatsary fahatelo amin'ilay andiany dia mikasika ny tombony azo amin'ny fandraketana an-tsary ao anaty tarika iray. Amin'ny fidirana ao anaty tarika miaraka amin'ny olona anananao fitokiana, ny olona tsirairay dia samy afaka mitàna andraikitra samihafa ary mandrakitra an-tsary zavatra samihafa, ary raha efa tafapetraka mialoha ny drafitra fiarovan-tena, ny tarika iray koa dia afaka manome fanohanana raha sanatria misy olana na zavatra tsy nampoizina mitranga.

Ny lahatsary farany ao anatin'ilay andiany dia mikasika ny Fomba hitarihana Tafatafa, manomboka any amin'ny fisafidianana ny olona sy ny lohahevitra mba hahafahana manomana mialoha ny fanontaniana hapetrakao, manaraka avy eo ny dingan'ny fanekeny fa ireo izay nanao tafatafa dia mahafantatra ny mety ho zava-miandry sy ny loza ateraky ny fisehoana anaty lahatsary iray, sy ny fomba hanafenana ny maha-izy ireo olona tsirairay, ka amin'izany dia afaka misafidy ny fomba hamoahana ny sariny ireo olona nantsoina, na te-hiseho izy ireo, na tsy aseho mihitsy ao anatin'ilay lahatsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.