Ny Fivoaran'ny Fiahiana Ara-tsosialy Aty Afrika

Raha tarafina amin'ny resabe ateraky ny  fanavaozana ny fiahiana ara-pahasalamana any Etazonia [en] sy ny fisintahan'ny fanjakana miandalana amin'ny resaka ara-tsosialy ao Frantsa, dia azo ambara fa fomba fanao efa an-dàlampahalevonana ny resaka fiarovana ara-tsosialy. Kanefa, ny zo hoarovana dia isan'ny  singa tafiditra tanteraka ao anatin'ny Fanambaràna Erantanin'ny Zon'Olombelona (andininy faha- 22) ary ampahany tena manana ny lanjany [en] amin’ ireo Tanjon'ny Taonarivo Ho an'ny Fampandrosoana (OMD) napetraky ny Firenena Mikambana. Ny fametrahana rafitra iray ho fiahiana ara-tsosialy dia tena mbola an-dalam-pivoarana tokoa ho an'ny ankamaroan'ireo firenena aty Afrika. Samy nifidy rafitra iray manokana mifanaraka amin'ny kolotsainy ny governemanta afrikana tsirairay, izay azo lazaina ho nahomby amin'ny ampahany ihany, saingy ny rehetra dia miara-mahatsapa ny filàna ny fiarovana, na faran'izay kely aza, ho an'ireo tena mponina marefo ao aminy.

Fiarovana ara-tsosialy mazàna mbola tena faran'izay tsizarizary

Assane Fall-Diop dia mamintina ireo ady mbola hatrehana mba hanànana fiahiana ara-tsosaly tena izy aty Afrika :

Lasa lohahevitra tsy maintsy atao rehefa misy adihevitra momba ny fifidianana aty Afrika ny resaka fiahiana aa-tsosialy. Ao Côte d’Ivoire sy ny Repoblika Demaokratikan'i  Congo, ny Lalampanorenana na ny lalàna dia mametraka mihitsy ny fiahiana ara-pahasalamana ho tanjona isan'ny laharam-pahamehana. Kanefa, ny firoboroboan'ny teokarena ivelan'ny rafitra sy ny halemen'ny politika ary ny ara-bolan'ireo Fanjakana/Firenena no  manembantsembana ny tena fanatanterahana mivaingana[..] Aty Afrika, «  5 % hatramin'ny 10 % monja amin'ny olona afaka mamokatra no mahazo fiahiana ara-tsosialy», araka ny nambaran'ny Fikambanana Manerantany Momba ny Asa (OIT), izay mahamarika fitontonganan'ny toe-draharaha nandritra ny roapolo taona farany. Ity fikambanana ity izay manipika fa « manakaiky ny  80 % n'ny mponina no tsy afaka mahazo akory ny fikarakarana fototra amin'ny ara-pahasalamana ».

 

Laharana fiandrasana ny fisotroan-dronono tao an-tananan'i Clermont, Kwazulu-Natal, Afrika Atsimo, avy amin'i HelpAge tao amin'ny Flickr (CC-license-BY)

Lambert Gbossa dia manazava ho an'ny  Office International du Travail (OIT)  ny antony iheverany fa ny fiahiana ara-tsosialy dia mitontongana saiky manerana ny kaontinanta. Ny tosiky ny fihariana tsy manara-penira no isany,  hoy izy, antony iray lehibe amin'izany  :

voalohany, fitomboan'ny mponina mihazakazaka be izay niteraka isan-taona andianà mpitady asa voalohany; avy eo, olana ara-toekarena goavambe manakaikikaiky ny fihemorana mihitsy izay nampihena ho toy ny tsy misy ny fahafaha-mitelin'ny sehatra maoderina; farany, ny tosiky ny fifindra-monina avy eny ambanivohitra manery ny ankamaroan'ny olona hiakatra «hanao izay azo atao» any an-tanan-dehibe. Araka izany, ny tahan'ny olona afaka mamokatra dia mahatratra ny 40% amin'ny fitambarambe  manerana ny firenena, miaraka aminà taham-pitomboana maherin'ny 4,5 isan-jato, ambony kely mitaha amin'ny an'ny fitomboan'ny mponina. Raha ny hafainganan'ny fivoaran'ny angona amin'izao fotoana mikasika ny olona afaka mamokatra sy ny olona mikarama, ny tahan'ireo olona miasa mandray karama dia tsy misy afa-tsy 2 hatramin'ny 3 isan-jato raha be indrindra ato anatin'ny 25 taona ho avy. Noho ity vahoaka ity hany misitraka rafitra tsara rindra amin'ny resaka fiahiana ara-tsosialy, dia azo vinavinaina araka izany ny fisian'ny fikororosian'ny vokatra ara-tsosialin'ilay rafi-piahiana.

 

Fandrosoana tsy mbola mirindra

Nisy ny fepetra noraisina mba hanenjehana io fahataran'ny fandrosoan'ny fiahiana ara-tsosialy io eto amin'ny kaontinanta. Ny Vovonana ho an'ny fiahiana ara-tsosialy aty Afrika (APSP) [en] dia te-hitondra fepetra mivaingana ho fampahafantarana sy fanamafisana ny fifanarahana ara-tsosialy eo amin'ny Fanjakana sy ny vahoakany. Araka izany, ny APSP dia mandrisika hoe :

ny fandaharan'asa rehetra dia tsy maintsy foronina miainga amin'ny foto-drafitrasa efa misy, tafiditra amin'izany ny faritra mahazatra amin'ny resaka fiahiana ara-tsosialy. Mifanindran-dàlana amin'izay,  ilay Vovonana dia mihizingizina amin'ny hoe ireo fanambin'ny firotsahana isam-paritra, ary indrindra indrindra fa ireo mifamatotra amin'ny fahafaha-mizaka ny zo ara-tsosialy, dia tsy ho afaka ihoarana raha tsy hoe arahana fomba fijery isam-paritra sy mifanaraka amin'ny kaontinanta ny fanombanana ny zava-misy sy ny fomba fijerin'ny eo an-toerana, ary ny fjery nasionaly

Manahy anefa i Lambert Gbossa amin'ny loza ateraky ny finiavana hitondra rafitra lasitra amin'ny resaka fiahiana tsy ijerena akory ny maha-izy azy ny faritra tsirairay sy tsy ialohavana fifampidinihana ara-tsosialy :

..ny resaka fanavaozana ny fiahiana ara-tsosialy any amin'ny firenena aty Afrika dia apetraka amin'ny fahaiza-manavaka tsara mihitsy, voafatotra ao anatin'ny rafitra efa misy ankehitriny ary zara raha nanandrana nitsofoka  ho ao anatinà politika ankapobeny. Ny vokatr'io fatotra io dia tsy hoe fotsiny fanaovana ho an-jorom-bala ny ankabeazan'ny vahoaka fa indrindra indrindra, fametrahana haharitra ny lasitra iray mora mifandray amin'ny manodidina sy indraindray tsy takatra loatra izay nahatonga ny fiahiana ara-tsosialy ho ny tena votoaty fa tsy fanampiny fotsiny ao anatin'ny olana saro-bahan'ny maha-izy ny tena manoloana ny sehatra manara-penitra. Ireo kisary teknika loatra ary indraindray diso manara-penitra loatra dia narafitra teny ivelan'ireo vahoaka ka tsy mifanaraka amin'ny drafi-pirenena ho fampandrosoana ifotony..

Ohatranà fahombiazana tsy azo odian-tsy hita

Talohan'ny olana politika mandronjona azy ankehitriny,  Mali dia nahavita dingana goavana tamin'ny resaka fiahiana ara-tsosialy sy ny fandraisana an-tànana ny fitsaboana. Ity lahatsary ity dia ohatra iray maneho ny hetsika ara-tsosialy miaraka amin'ny fantraikany mafonja amin'ny resaka fandraisana an-tànana ny fitsaboana :


Tetikasa fanatsarana ny fandraisana an-tànana ny diabeta tao Mali, nataon'ny ONG Santé Diabète Mali 

Ny tsy maintsy handraisana an-tànana ny aretina dia napetraka tamin'ny  2010 tao Mali. Io fandaharan'asa io dia nahafahana niaro tsara ireo vahoaka vitsy an'isa sy voahilikilika [en] saingy tsy afaka nahafahana nanamafy ireo andry roa hafa amin'ny resa-piahiana ara-tsosialy tao Mali izay ny fampandrosoana ny foto-drafitrasam-pamokarana sy ny fanamafisana ny resaka fanitsiana ara-drafitra. Mitoetra ho iray amin'ireo olana goavana sedraina amin'ny fiantohana ireny fandaharanasa sosialy ireny ny resaka loharanom-bola.

Misy fototra mafy ho an'ny fiahiana ara-tsosialy izao an-dàlam-pametrahana azy ao Burkina Faso . Ny foto-kevitra ijoroan'ity  fototra mafy ho an'ny fiahiana ara-tsosialy ity dia miankina amin-javatra roa tena lehibe: ny tolotra sy ny famindram-pitantanana. Olivier Louis antsoina hoe Guérin  dia manazava ny votoatin'ireo fitaovana roa ireo :

- fahafahana miditra ara-jeografika sy ara-bola amin'ireo tolotra tena ilaina : rano, fanajariana, fahasalamana, sakafo, fanabeazana, fonenana, tahiry, fiantohana
– famindràm-bola ara-tsosialy arotsaka ho an'ny ankizy, ny zokiolona sy ireo olona mamokatra nefa tsy manana fidiram-bola ampy hahazoana ireo tolotra tena ilaina voalaza  tetsy aloha.

Tanaty fanadihadiana iray fampitahàna an'ireo rafitra fiahiana ara-tsosialy ao Roandà sy Borondi, ny  Solidarité Mondiale dia manome  ny famintinana manaraka etoana momba ny fiahiana ara-tsosialy any amin'ireo firenena roa mpifanolo-bodirindrina ireo :

Ny fanadihadiana nampitahàna ireo rafitra fiahiana ara-tsosialy ao Roandà sy Borondi dia nampiseho mazava fa Roandà dia efa nahavita dingana lehibe amin'io sehatra io izay tohanan'ny finiavana politika goavana amin'izao fotoana izao ary mahazo ny tolo-tànana betsaka avy amin'ny  Cellule Technique d’Appui aux Mutuelles de santé ao anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamana. Ny fifamenoana izay tena amporisihan'ny fanjakana fatratra, eo amin'ny rafitra avy amin'ny fanjakana momba ny fiahiana ara-tsosialy, izay mandalo fanavaozana indrindra amin'izao fotoana, sy ireo rafitra tsy miankina fifanohanana ara-pahasalamana izay tena efa lasa lavitra tokoa any Roandà, dia tena tosika manana ny lanjany tokoa amin'ny dingana fanamafisana sy fanapariahana ireo rafitra fiahiana ara-tsosialy [..] I Borondi, taorian'ny ady nitarazoka, dia tsy afaka nanamafy ireo rafitra fiahiana ara-tsosialy efa nisy mba ho fanitarana azy ireny any amin'ny faritra tsy manara-penitra sy any ambanivohitra.  Na izany aza, nahavita dingana lehibe ireo fandraisana andraikitry ny tsy miankina tamin'io sehatra io. Tokony handrisika azy amin'izany i Borondi mba hanome tombony ireo rafitra fiahiana ara-tsosialy misy firotsahan'ny olona betsaka, raha tiany ny hiantoka ny fandovany izany sy ny faharetany. Araka izany, mety ho avo dia avo tokoa ny fitsiriritana hametraka amin'ny fomba malaky rafitra iray ho fiahiana ny daholobe ary mahazo fanohanana betsaka amin'ireo mpamatsy vola avy any ivelany. Ny fisintahana'ireo mpamatsy vola toy ireny dia mety hitondra malaky mankany amin'ny zava-doza toy ny  efa hita tany amin'ny faritany sasany tao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.