Iran: Nodimandry Tao Los Angeles Ilay Mpihira Pop Nandritra Ny Taompolo 1970 Toofan Ataee Nalaza

Namoy ny ainy noho ny homamiadana i Toofan Ataee, Iraniana mpiangaly pop mozika nandritra ny taompolo 1970, fantatra amin'ny anarana hoe Toofan na 2Fun, tamin'ny Talata 5 Jiona 2012, tao amin'ny toeram-pitsaboana  Cedars-Sinai aoedical Center tao Los Angeles. Nalaza tanteraka ny mozikany talohan’ny revolisiona Islamika tao Iran, saingy noraràna taorian’ny Revolisiona Islamika taona 1979.

Tamin’ny fotoana nahafatesany,  nanembona ny taloha ny tao amin’ny tambazotra sosialy –ka nizara ny  hiram-pitiavany manohina tamin’ny taona 1978, nitondra ny lohateny hoe ‘khoda-ye Asemoon-ha’ (Tompon’ny lanitra) ary nizara hafatra fampiononana tahaka ny hoe “God of the Heavens is gone” (lasa ny Tompon’ny Lanitra) na “He has gone to God of heavens” (Lasa any amin’ny Tompon’ny lanitra izy).

Afarideh, namerina ny fitiavany ireo hira nandritra ny fahazazany tao amin’ny pejy Facebook-ny:

الان با خبر شدم از تو سایت ها که ( طوفان ) به علت بیماری سرطان در گذشت خیلی دلم گرفت یاد آهنگ ( خدای آسمون ها ) افتادم یادمه که بچه گیم ها خیلی این آهنگ رو دوست داشتم اون موقع واقعا نمیدونستم عشق چیه اما یادمه که اینقدر این آهنگ برام جذاب بود و من رو تحریک کرد که برم و درباره عشق اطلاعات جمع کنم این رو جدی میگم با این که نوع موسیقی که کار میکنم هیچ ربطی به هم نداره اما دوست داشتم واقعا به نظرم حیف شد مرد همه ازش خاطره خوب داشتن

Vao avy nandre tamin’ny alalan’ny tranonkala aho fa namoy ny ainy noho ny aretina homamiadana i Toofan ; nalahelo tokoa aho. Tsaroako tsara ny fitiavako ny hirany ‘Khoda-ye Asemoon-ha’ foiny izao mbola zaza. Mbola tao anatin’ny fahazazana aho tamin’izany ka tsy nahalala  momba ny atao hoe “fitiavana”, kanefa nofantariko ihany ny dikany noho ilay hira. Tena marina, na dia eo aza ireo karazana mozika ankafiziko sy iantsorohako, samihafa tanteraka amin’ny ankehitriny ny  sangan’asan’i Toofan, tena nankafiziko izy. Malahelo mafy aho noho izao fahafatesany izao. Inoako fa samy mahatsiaro azy avokoa ny tsirairay.

Namariparitra ny mombamomba ity mpanankato ity  tao amin’ny lahatsoratra bilaoginy ilay nanoratra ny ‘Words from the bottom of the heart’ (Teny avy am-po lalina), Dara Irani, amin'izay tsy dia tsaroan’ny ankamaroantsika ny momba azy [Toofan]:

تقدیر بر این است که از هنرمندان فقط وقتی یاد کنیم که از دنیا رفته اند.دردوران کودکی درآن سالهای فراموش نشدنی ۱۳۵۰ ترانه «خدای آسمونها خدای کهکشونها »ورد زبان کوچک و بزرگ بود. طوفان با آن موهای فرفری و گروه موزیک که داشت ترانه های قشنگی می خواند که البته معروفترینش هم همین بود […] حالا دیگر بین مانیست چون رفته است پیش خدای آسمونها !همان خدایی که می خواست به دادش برسد و آخرش هم به دادش رسید و او را با خودش برد تا ما به یکباره به یادمان بیفتد..

Toy izany foana, rehefa mamoy ny ainy ny mpanakanto iray vao mody ankafizintsika. Tamin’izaho mbola zaza, nanomboka ny  taona 1970 tsy hay adinoina, natao hirahirain’ny lehibe sy ny tanora rehetra ilay hira ‘Khoda-ye Asemoon-ha’. Toofan miaraka amin’ny zavamanenony Afro, ny tarika mozika keliny sy ny hiram-pitiavany mahafinaritra, izay tena nalaza tokoa tamin’izany… Nangataka tamin’ny Tompon’ny lanitra izy mba hamindra fo aminy noho ny fitiavany , tanteraka izany. Ankehitriny, nandao antsika izy..

Noho ny fahasarotan’ny zava-niainany, nisy ny fotoam-pivavahana notontosaina tao Los Angeles tamin’ny herinandro lasa teo ho fanomezam-boninahitra azy, nanatrika izany fotoana izany ireo Iraniana marobe monina ao Etazonia mba hanome voninahitra ity olo-malaza ity.

Lahatsary maharitra dimy minitra tao amin’ny fahitalavitra Shabahang, mitatitra momba ny nahafatesany sy ny fotoana nanaovam-beloma azy farany, ahitana resadresaka niarahana tamin’I Toofan ihany koa ny sary.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.