Kamerona: Vinavina Fampandrosoana Ny Herinaratra Amin'ny Taona 2035

Fitantarana manokana ataonay momba ny  Fifandraisana Iraisam-pirenena sy ny Fiarovana ity lahatsoratra ity.

Power lines in Cameroon

Tarobian-jiro amin'ny trano ao Kamerona, 2008. Sary avy amin'i Zzilch tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Taorian'ny nahavoafidy azy indray tamin'ny Novambra 2011, nanambara ny filoham-pirenena Kameroney Paul Biya fa ho lasa “toeran'ny fanaovazana goavana” ny firenena atsy ho atsy. Ny tanjony amin'izao fe-potoa-piasany vaovao izao dia ny hahatonga an'i Kamerona ho  firenena miroborobo amin'ny taona 2035 amin'ny alalana karazana  “fanatanterahana foto-drafitrasa lehibe” amin'ny fampandrosoana ny fotodrafitrasan'ny angovo sy ny fitaterana. Fe-potoana tsy dia maharesy lahatra izany hoy ny maro naneho hevitra, satria goavana loatra ny fanamby.

Angovo, ary indrindra ny herinaratra no tena olana. Tahaka ny firenena Afrikana maro hafa, mijaly noho ny tsy fahampian'ny famatsiana herinaratra i Kamerona.

Mpanao gazety Leopold Nséké nanazava tao amin'ny lahatsoratra  tao amin'ny Gazetiboky Afrique Expansion (Fivelaran'i Afrika):

Tsy ampy fitaovana, ary fantatra amin'ny fahanteran'ny fitaovan'ny kaontinanta Afrikana ary mizaka ny voka-dratsin'ny tsy fahaiza-mitantana ny harena ananany. Mitotaly 15%n'ny mponina manerantany, eo amin'ny 3% eo fotsiny ny fitambaran'ny famokarana herinaratra manerantany no lanin'i Afrika.

A village with no electricity

Tsy misy herinaratra ao amin'ny tanàna kely Mafa Kilda, nandalovana fotsiny izany (miala avy ao Ngong mankany Garoua). Sary: Philippe Semanaz, Flickr in 2006 (CC BY-SA 2.0)

Araka ny tombatombana sasany, 20%n'ny vahoaka ao Kamerona no voavatsy herinaratra isan'andro. Eny tokoa, mitady ho iharan'ny fahatahahan-jiro izay matetika isaky ny telo andro ihany koa ireo manana fahefana mampiditra jiro. Mihalafo hatrany hatrany ihany koa ny vidin'ny herinaratra ho an'ny ankamaroan'ny olom-pirenena. Ny orinasa tsy miankina AES Sonel, ohatra, vao avy nampiakatra  7% ny vidin'ny herinaratra nanomboka tamin'ny 1 Jiona 2012.

Mety hamotika ny indostrian'i Kamerona ny famerana ny famatsiana herinaratra, ka mety hanimba ny vinavinan'i Kamerona te-hanana “toekarena miroborobo” amin'ny taona 2035.  Nanipika ny fikarohana notontosain'ny Ivon-pampianarana Ambony Polyteknika ao Yaounde fa:

Tombanana ho EU91.5 tapitrisa isan-taona ny fatiantoka amin'ny famokarana eo amin'ny orinasa indostrialy noho ny fahasarotan'ny famatsiana herinaratra. Mampiseho izany vokatra izany fa nampikoroso fahana ny fandrosoan'ny indostria ny faharatsian'ny kalitao.

Ny faharatsian'ny famatsiana herinaratra no mbola olana iray lehibe hatrehin'ny ankamaroan'ny mponina. Feowl, dia fisantaran'andraikitra iray eo anivon'ny fiarahamonina izay mikendry hanatsara sy hikaroka ny tahiry tsy hita mikasika ny fiantraikan'ny  faharatsian'ny famatsiana herinaratra ao Douala, ivon'ny toekarena ao Kamerona.

Miankina amin'ny famokarana hydro-energy (angovo azo avy amin'ny rano) ny famatsiana herinaratra ao Kamerona, ka nampahafantatra ny fanamboarana ny ny toha-drano Lom Pangar ao antsinanan'ny firenena ny governemanta. Tohanan'ny Banky Iraisam-pirenena sy  fikambanana iraisam-pirenena izany tetikasa izany – izay hita fa anisan'ny hetahetan'i Kamerona mba hampiroboroboana ny toekareny.

Antenaina fa hampitombo ny famokarana angovo ao Kamerona ny fanamboarana ny toha-drano, amin'ny haben'ny izay vinavinaina ho 7.250 miliara metatra toratelo amin'ny fitahirizan-drano ka hanenika velarana 610 km2. Asiana ambiny mipetraka ho fitsinjovana ny vanim-potoana main-tany  izany  amin'ny toha-drano roa midina amin’ny Reniranon’i Sanaga, mba ahafahana mamokatra herinaratra bebe kokoa.

Nanasongadina ny zavatra tsy ampy amin’ny tetikasa tao amin’ny bilaoginy i Christiane Badgley. Manahy izy fa ny mety ny filàn’ny indostria ao Kamerona no atao vaindon-draharaha amin’ny famatsiana izay herinaratra azo.

…Tsy tafiditra anisan’ireo mahazo tombontsoa voalohany amin’ny tetikasa Lom Pangar ny faritra mahantra ao andrenivohitra sy ny ambanivohitra. Kanefa kosa, napetraka ny toha-drano  hanatsarana ny fikorian’ny Renirano Sanaga mba hampitombo ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny foiben-drano mpamokatra herinaratra (central hydro-électrique) misy izay mamatsy ny tambazotran’ herinaratra ao atsimo sy tanàna tokana mpandany herinaratra be indrindra, ny mpanamboatra alminioma Alucam. Nifaneken’ny governemantan’i Kamerona sy ny orinasa Alcan ao Kanadà, mikasa hampitombo avo roa heny ny famokarany ny orinasa Alucam ka mila loharanon’herinaratra vaovao mora vidy hanatanterahina izany.

ISN logoTafiditra ao anatin'ny asa tohanan'ny International Security Network (ISN) ho ao anatin'ny fiaraha-miasa hitadiavana ny feon'olo-tsotra eo amin'ny sehatry ny fifandraisana iraisampirenena sy ny fitoniana manerantany  ity lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny amin'ny teny Espaniola, Arabo ary Frantsay. Tsidiho ny bilaogin'ny ISN ary jereo ireo tantara maro mifandraika amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.