Shina: Avela Heloka Ny Mpandripaka Olona Tao Tiananmen?

Nandritra ny fotoana nanatrehan'olona mihoatra ny 180.000 ny fiareta-tory fanao isan-taona tamin'ny 4 Jona 2012 tao Hong Kong mitaky ny hamaliana faty an'i Shina noho ny zava-nitranga tamin'ny 4 jona (hetsi-panoherana tao an-kianjan'i Tiananmen) no nanoratan'ilay mpitarika mpianatra teo aloha manao sesintany ny tenany Chai Ling tao amin'ny Huffington Post fa efa navelany ny heloky ny mpamono olona nandritra ny fandripahana. Tsy manaiky izany ijoroan'i Chai Ling izany ny mpitarika mpianatra iray hafa Wang Dan ka namoaka fanambarana ampahibemaso izay niteraka adi-hevitra.

Eto ambany ny lahatsary mampiseho ny fiareta-tory (fitazonana labozia) ho fahatsiarovana ny faha-23 taona ny Fandripahana tao Tiananmen notontosaina tao amin'ny Victoria Park, Hong Kong (navoakan'i ):

Nilaza i Chai Ling fa efa navelany ny helok'i Deng Xiaoping sy Li Peng izay nanome baiko ny tafi-bahoaka handripaka ny mpianatra sy ny mponin'i Beijing teo amin'ny kianjan'i Tiananmen tamin'ny 1989, ary toy izany koa ny mpitondra ao Shina amin'izao fotoana izao izay mbola mangeja ny vahoaka. Teo ampamakiana ny lahatsorany i Wang Dan no nanoratra [zh] izao teo amin'ny takelaka Facebook:

對柴玲的個人信仰導致的這個意見,我表示尊重,但是完全不能同意。我認為,在殺人者還沒有任何懺悔,道歉,甚至還在繼續殺人的時候,被害方的原諒是沒有根據的。這樣的原諒,對六四死難者是很大的不公平。

我希望外界知道,柴玲的這番談話只代表她自己以及她的信仰,並不能代表廣大的八九同學。

我也公開呼籲柴玲正確區分個人的信仰與是非價值判斷這兩件事。

Hajaiko ny hevitr'i Chai Ling mifototra amin'ny finoany. Saingy, tsy afa-manaiky izany aho. Raha mbola tsy manenina sy miala tsiny amin'izany ny mpamono olona ary raha mbola mamono ny hafa ny mpamono olona, tsy misy ny toerana ho amin'ny famelan-keloka. Tsy mety amin'ny niharan'ny zava-nitranga tamin'ny 4 jona ny famelan-keloka toy izany.

Manantena aho fa ho fantatr'izao tontolo izao hoe hevitra sy finoana manokan'i Chai Ling io. Tsy misolotena ny mpianatra niharan'ny toe-draharaha 1989 io.

Mandrisika an'i Chai Ling koa aho hanavaka ny finoana arahina sy ny fomba fitsarana.

Nihoatra ny 200 ny fanehoan-kevitra nanaraka ny fanambarana, manohana an'i Wang Dan ny ankamaroany ary manontany an'i Chai Ling. Eto ambany ny nofantenina tamin'izany [zh]:

Marianne Wong: 是殺人!一定要先認錯/認罪,然後才能再講原諒/寬恕!!

Marianne Wong: Miresaka famonoan'olona isika! Tokony aorian'ny fanekena ny fisian-keloka ny famelan-keloka.

Alexander Shen: 我一直就觉得那个人不是个好人 让别人流血唤醒国人 自己却跑了;23年前和现在根本判若两人 根本就是个小人嘛

Alexander Shen: Tahaka ny nahatsapa izany aho fa tsy olona tsara izy. Avelany ny hafa hampandriaka ny rà raha nandositra izy; lasa olona hafa izy 23 taona aty aoriana. Lasa olona tery saina izy ankehitriny.

陳柏年: 我也是基督徒,但除了愛以外,基督的另一個核心價值精神,是公義。而這,我認為正是89的同學、當今廣大的中國人民,甚至所謂崛起的中國所最迫切需要的~~~

陳柏年: Kristiana ihany koa aho. Ankoatra ny fitiavana ny hafa, soatoavina fototra ao amin'ny Kristianisma ihany koa ny rariny, izay ilain'ny mpianatra tafiditra tamin'ny fanoherana 1989 indrindra, ilain'ny vahoaka Shinoa sy i Shina, ilay firenena mipongatra.

Wen-shin Lee: 柴玲個人當場可以選擇原諒,但這不代表公義不該被申張。這跟受害人可以選擇原諒,但加害人仍然應付法律責任一樣。

Wen-shin Lee: Nisafidy ny hamela i Chai Ling. Saingy tsy midika izany hoe tsy tokony toavina ny rariny. Afa-mifidy ny hamela ny nihara-pamonoana saingy tsy maintsy manefa ny vitany eo anatrehan'ny lalàna ny voaheloka.

Autumn Moon: ‎”Tsy manohitra na inona na inona aho, ary natin'izany i Shina. Saingy hisolo vava ny marina aho ary tiako raha fantatra ny marina.” – HH Karmapa

早雲直心: 如果當初她沒能逃離,現在還會這樣說嗎?

早雲直心: Tsy nandositra moa izy, mbola hiteny tahaka izao ihany ve izy?

Ming Zou: 柴玲在23年前就做了选择,成为了公众人物。既然是公众人物,她只好让公众评论。在我看来,她太另我失望!!她经历了苦难,她在25岁失去母亲,但她的母亲没有失去她,因为她今天还活着,活在一个民主国家,呼吸着民主的空气,享受着言论自由……,不知道柴玲是否想过她这么做是否对的起天安门家长们。他们的孩子们那时就是和柴玲在一起为中华民族的民主奋斗,她是那些孩子们的学运领袖之一,天安门家长23年来受的煎熬难道柴玲的那些经历能比吗?柴玲的作为不正是让那些讲风凉话的人们名正言顺地加一句:“就这水平,还领导学运?幸亏没成功,不然中国落到这种人手里,还了得?” 希望王丹做为柴玲89的‘战友“,能有机会和她私下谈谈,虽然人各有志,但请柴玲别丢六四的脸,别伤天安门家长的心,别做对在中国实现民主不利的是。她可以从此销声匿迹,闭门祷告,但别在人前做出这么没水平的’宣言”。我敢肯定她的上帝也不会赞同她的做法的。

Ming Zhou: Efa nanao ny safidiny i Chai Ling 23 taona lasa izay ary lasa olona fanta-daza. Amin'ny maha-olona fanta-bahoaka azy, tsy maintsy miatrika ny olona izy. Nandiso fanantenana ahy izy. Nijaly izy, tsy hitany ny reniny raha mbola 25 taona izy. Saingy tsy very azy ny reniny, mbola velona miresaka sy miaina malalaka ao anatina firenena demokratika izy… Fa miteny amin'ny anaran'ny havan'ny tao amin'ny Tiananmen ve izy? Niady niaraka tamin'i Chai Ling hisian'ny demokrasia ny zanak'izy ireo. Goavana loatra ny 23 taona nijalian'ireo ray aman-dreny ireo raha oharina tamin'izay niainan'i Chai Ling. Manjary afahafahana miteny ny tahaka izao ny fihetsik'i Chai: “Olona tahaka izao no nitarika ny hetsiky ny mpianatra. Soa ihany fa tsy nahomby fa raha tsy izany dia potika i Shina.” Manantena aho fa afa-niteny an'i Chai Ling ho “kamarady” i Wang Dan any amin'ny takona any tamin'ny 1989. Na dia samy manana ny safidiny aza ny tsirairay, iangavio i Chai tsy hanompa ny 4 Jona, aza vakiana ny fon'ny ray aman-drenin'ny tao Tiananmen, aza manao zavatra manimba ny hetsika demokratika Shinoa. Afa-manjavona izy, manakatona ny varavarana ary mivavaka. Aza manao zavatra mirefarefa izany eo anatrehan'ny hafa. Mino aho fa tsy manaiky ny nataony Andriamanitra.

Misy ny hevitra vitsy manohana an'i Chai eo amin'ny lafiny ara-pivavahana:

Edward Lim: Tsy diso i Chai. Mamela heloka midika ho fanafahana ny olona iray hiala amin'ny fankahalàna izay mbola mandratra tsy olon-kafa fa ny tena ihany. Raha tsy misy ny fiadanam-po, tsy sitrana amin'ny fijaliana ary tsy afa-mandehandeha salama tsara. Mivavaka amin'ny fahavalo mba hampatanjaka ny tena mandritra ny andro. Mbola angatahana amin'ny anaran'ny niharam-pahavoazana ny Fitsarana. Nanao ohatra hamela heloka mialoha ny fiaiken-keloka ataon'ilay olona i Jesoa mba ho afa-keloka madio mangatsakatsaka ireo olona manatona azy miaiky ny helony mialoha ny hahatongavany fanindroany indray. Ho an'ireo mikiry manao rasy ary mandà ny famelana ny helony, hanefa ny fandoavan-ketra izy ireny amin'ny fitsarana farany. Aza afangaro ireo.

Clyde Xi: Eo amin'ny fampianaran'ny Baiboly, fanapahan-kevitry ny tsirairay tsy misy fepetra miaraka aminy ny famelan-keloka. Mihatra voalohany amin'ilay olona mamela heloka izany…

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.