Kenya : Mahazo Laka Ny Fambolena Eny Andrenivohitra

Ao  Kenya, mianatra teknika maro momba ny fambolena sakafo  hivelomana sy hamidy  ireo mponina, eny fa na dia eny amin'ny toeram-pambolena  tery aza.  Ho an'ireo olona tsy ampy fidiram-bola na tsy misy mihitsy, ny fambolena any andrenivohitra no mety ho lakilen'ny  antoka ara-tsakafony.  Ireto lahatsary manaraka ireto dia mampiseho ny fambolena anaty tavy ary mampiasa toerana sy fahafaha-manao voafetra.

Avy amin'ilay fanadihadiana novokarin'ny “Mammut Film Production”  God save the green na Manavotra ny Voly Andriamanitra  nosoratan'i Michele Mellara sy Alessandro Rossi no nipoiran'io ampahany fohy io mikasika ny ‘bag method’  fomba ampiasàna harona plastika izay manome fahafahana ho an’ ireo mpamboly ao Nairobi hamboly anana  bebe kokoa ho anà- fianakaviana misy olona enina ao anatin'ny iray metatra tora-droa, atao  mijidina:

Be a Blessing Today na Meteza ho Fahasoavana Anio  dia nampakatra andianà lahatsary maro mampianatra karazana teknikam-pambolena  avy ao amin'ny sahany any Kenya. Iray amin'izany  ilay hita tetsy aloha   bag method, miaraka amin'ny fanatsarana mba hanamora ny fanondrahana :

Teknika roa hafa nampianarin'ny ” Be a Blessing” na “Meteza ho Fahasoavana ” dia ny raised bed walls fambolena manara-drindrina, sy ny stairway farming manao an-tanan-tohatra, ireo fomba roa ireo dia samy manao izay maha-mety ny toerana misy ho fanamorana ny fambolena , amin'ny famoronana ny ” raised beds”  izay tsy ilàna fihondrehana intsony rehefa mijinja sy mamboly, ary amin'ny fanomezana fahafahana hamboly eny amin'ny toerana mazava .

Teknika hafa izay tena ilain'ny mponina mpamboly eny amin'ny toerana voafaritra no nozarain'ny olona hafa  tao amin'ny YouTube avy amin'ny faritra samihafa vazan-tany efatra.  Ity fampiasana tavoahangy plastika voatapaka hambolena sakafo eny amin'ny zaridaina mijidina ity izao dia ohatra lehibe iray tena ilaina :

Ity iray ity izao dia mampitombo ny voliny eny amin'ny tampony sy eny ambanin'ilay tavy plastika vita avy amin'ny  tavoahangin-drano lehibe notapahina :

Ity lahatsary iray hafa ity dia mampiseho antsika fomba maro ahitàna fa ireo kodiarana notapahina ihany koa dia azo  ampiasaina ho toy ny tavy eny an-jaridaina :

Ny sarin'ny tsimoka dia avy amin'ny Chrisseee tao amin'ny  Flickr, miaraka amin'ny  Fahazoan-dàlanà  Creative Commons Attribution.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.