Oganda: Maneho Ny Fanohanan'izy Ireo Ny Ekipa Nasionaly Ao Amin'ny Twitter, Facebook Ireo Mpampiasa Aterineto

Tamin'ny taona 1978 no nandraisan'ny Uganda Cranes anjara farany tamin'ny CAN izay nahatratrarany ny dingana famaranana nefa niafarany tamin'ny laharana faharoa.

Saika vitan'i Ogandà izany tamin'ny taona lasa, nefa resin'ny Kenya tamin'ny isa 2:1 tamin'ny dingana famaranan'ny lalao. Nandona ny fon'ireo Ogandey maro izany zava-nisy izany. Maro ireo nihevitra fa tsy hisy olona hanohana ireo Uganda Cranes intsony, nefa nahagaga fa toa tsy vonona ny handao ny fanohanana ny ekipany ny olona.

Amin'ny faran'ity herinandro ity dia ho any Angôlà ireo Cranes hanomboka ny fifanintsanana hiadiana ny ho Tompon-daka Eran-tany 2014. Hotanterahina amin'ny daty hankalazana ny Andron'ireo Maritiora Ogandey io lalao io,  izay tanterahina ny 3 Jona isan-taona. Kristiana ireo Maritiora Ogandey ireo izay novonoina noho ny finoany tany anatin'ny rova manan-tantara anoBuganda.

Ogandey maratra fo. Sary nalaina tao amin'ny echwaluphotography.wordpress.com/.

Maneho ny fanohanana an'ireo Cranes i Oganda amin'ny alalan'ny fampiasàna ny Twitter sy Facebook:

Twitter:

Manohana ireo Uganda Cranes i @256uganda, milaza hoe :

@256uganda: Lasa Isika Lasa Isika #ugandacranes Ndeha Hifehy #Luandahttp://www.kawowo.com/index.php/foot …

Manontany an'i @Since__1986, @tijo5 ary i @jckato i @polycarpm :

@polycarpm: @Since__1986 Koa inona izany ny paikadin-dalaonao, mipetraka sy mandinika? @tijo5 @jckato

Mamaly i @tijo5:

@tijo5:@polycarpm eny namoy ny lalao izaho sy i & @since__1986 twakoowa, inona no tianao hataonay, izahay aza mba manohana ny ‪#UgandaCranes‬ @jckato

Milaza i @Pinkett888 fa tsy nandray anjara tanatina lalao ara-pirahalahiana tahaka an'ireo ekipa nasionaly hafa any Afrika i Ogandà:

@Pinkett888: @WasikeAbdu @ayeshaRR9 nandray najara tanatina lalao ara-pirahalahiana avokoa ireo firenena rehetra ao anatin'ny kaontinanta ankoatra ny #UgandaCranes‬ WOW. Ndeha hijery ny zavatra mitranga!

Mihevitra  i @256uganda fa afaka manao tsara ny firenena amin'ity indray mitoraka ity satria tsy rempotra mitsidika ny toby tahaka ny nataon'izy ireo tamin'ny taon-dasa ireo mpanao politika:

@256uganda: Manontany tena aho hoe lasa aiza daholo ireo mpanao politika izay nitsidika ny tobin'ny #ugandacranes tamin'ny taon-dasa. Baatukuba nebisilani [Mitondra vintan-dratsy izy ireo (ireo mpanao politika)]

Manantena i @256uganda fa hahazo tombony  amin'ny volany laniny ireo mpankafy:

@256uganda: Manantena aho amin'ity indray mitoraka ity  fa hisy vokany ny nandaniako ny volako 80000/= [manakaikikaiky ny $32] http://www.newvision.co.ug/mobile/Detail. …#FUFA#UGANDACRANES#Wego#Wego

Milaza tahaka izay i @shawn_mubiru raha miresaka momba ny olana eo amin'ny tapakila fidirana:

@shawn_mubiru: FUFA aza mividy ny fanohananay  amin'ny alalan'ny fivarotana tapakila roa indray màka ary tsy afaka hividy ny firaiketam-ponay amin'ny #UgandaCranes ianao, ho tonga izahay raha tianay!

Ratsy ny fijerin'i @shawn_mubiru:

@shawn_mubiru: Ankehitriny, miaraka amin'ireo ratra mitohitohy mahazo an'ireo #UgandaCranes sy ny fomba fitenin'i Bobby Williamson [Mpanazatra avy any Ecosse an'ireo Cranes], mety hanome fandresena ny UG ve izy ireo?

Facebook:

Mampitandrina ireo mpankafy manoloana ireo asa fampihorohoroana i Amanya Osbert:

Miverina indray izay efa nitranga teo amin'ny manodidina. Ry namana, raha mandingana ny faran'ity herinandro mahafinaritra ity isika dia aoka hahatsiaro ny zava-nitranga tany amin'ny kianja fanaovana baolina lavalava any Kyadondo. Nitsofoka an-tsokosoko tao amin'ny firenena ny Al-sha-bab iray avy any Kenya noho ny fanampian'ny taxibe Kalita. Miangavy anao ho mailo sy hitandrina satria eny amin'ny manodidina eny ny fahavalo. Mirary ny soa ho anareo rehetra aho hanomezantsika ny tsara indrindra ao amintsika ny 3 Jona, mankafiza ny uganda cranes vs Congo brazaville mandra-piandrintsika ny faha-50 taonan'ny fahaleovantena. Nefa ambonin'ny zava-drehetra, mbola mila anao ity firenena ity.”HO AN'ANDRIAMANITRA SY NY FIRENEKO” TPT HO ANAREO REHETRA

Milaza i William Gumisiriza :

Jabuuuullaaaaani Afrika……….kinako…antsika izao ry Uganda Cranes…..Ndeha hataontsika ity Baibe…

Vonona hanohana ny Cranes i Asiimwe Lilian na inona na inona hitranga:

ndeha hanohana ny UGANDA CRANES!vonona ve ianao!

Mampifandray ny lalao amin'ny Andron'ireo Maritiora i Niwamanya Eto'o Samuel:

Niwamanya Eto'o Samuel: ry mpivahiny, arahabaina nahatratra ny andron'ireo maritiora ary raha handeha hivavaka ianao, aza adino ny mitondra am-bavaka ny Uganda cranes sy mirary azy hanao izay tsara indrindra ho vitany mandritra ity volana mavesatra ity

Mino i Mwiine George fa hampiseho ireo Ogandey fa mbola mahay noho i Angola izy ireo amin'ny lalao baolina kitra:

Mwiine George: ireo izay mbola tsy nanohana ny uganda cranes, hanaporofo amin'i angola isika amin'ity indray mitoraka ity fa ekipa tsara isika. uganda cranes oyeeeeeeeeeeeee. any mifankahita ry zalahy e.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.