Aung San Suu Kyi Nitsidika An'i Thailandy

Mbola filohan'i Etazonia i Ronald Reagan tamin’ ny fotoana nandaozan'i Aung San Suu Kyi, loka Nobel an'i Myanmar. 24 taona lasa izay. Tamin'ity herinandro ity, nanao fitsidihana tao Thailandy izy ka nikabary tao amin'ny “Forum Ekonomika Manerantany ” tao Bangkok. Ity fitsidihana manan-tantara nataon'i Suu Kyi ity no tena mibahana amin'ny fampahalalam-baovao. Tetsy andaniny, nampiasa ny tenifototra #assk ny mpiserasera mba hanarahana sy hitantarana ny fitsidihana ataon'i Suu Kyi ao Thailandy

Suu Kyi tao amin'ny "Forum ekonomika manerantany". Sary tao amin'ny pejy Flickr an'ny WEF

 

@Juarawee RT @JonahFisher: Olona an'arivony no niandry ny fahatongavan'i #ASSK tao amin'ny fidirana ao Bangkok. Voninkazo no mameno ny tanàna. Hirahira. Fankalazana tokoa.‏

@sdmireland Fankalazana manetriketrika ho an'i #ASSK tao #WEF ary mino aho fa nisy mihitsy ny sempotra…

@WattaneeNYY “Marina fa vonona hitsikera ny rehetra izahay, saingy midika izany fa afaka manatsoaka lesona amin'ny rehetra ihany koa izahay.” #ASSK #WEF

@YossieBistro Tongasoa aty Thailandy #ASSK. Tsy fitsidihana tsotra fotsiny ny fahatongavanao eto. Dingana iray lehibe eo amin'ny tantara ara-politika ny firenenay izao.

@OliverLaceyHall #ASSK ao #WEF tonga tao Bangkok, 24 taona taty aoriana: “Faly mahita ireo fahazavana aho. Mila politika momba ny angovo ao Birmania”

Niresaka momba ny fahatapahan-jiro i Suu Kyi izay mahakasika ireo tanàna marobe ao Myanmar tamin'ny herinandro lasa. Niteraka fihetsiketsehana milamina tao amin'ny firenena izany fahatapahan-jiro izany.

Vahoaka marobe tonga nitsena an'i Suu Kyi tao Thailandy. Sary: @seacorro

Suu Kyi nitsidika ny tanàn-dehibe tao Thailandy izay ahitana mponina mpifindra-monina 300000, avy any Myanmar ny ankamaroany. Maro ireo olona niandry nandritra ny ora maro ny fandraisam-pitenenany

@newley Mafana tanteraka ny ambiansy tao Samut Sakhon, raha nitafa tamin'ireo mpifindra-monina avy any Myanmar i Aung San Suu Kyi androany maraina, @Anasuya niresaka tamiko.

@JonahFisher Maraina voalohany nandalovany ivelan'i Birmania tao anatin'ny 24 taona, nisafidy izany maraina izany izy mba hiaraka amin'ireo olona mahantra indrindra sy fadiranovana. Aung San Suu Kyi izany.

Thai InnoMemes ‎”Arahabaina!!!”….nampiseho ny fitsidihany manan-tantara voalohany any ivelany ny lehiben'ny Demokrasia Aung San Suu Kyi hatramin'izay 20 taona mahery izay, dia ny fitsidihany ireo mpiasa mpitsoa-ponenana avy any Myanmar tao Thailandy.

@tonravee Nilaza izy fa ny hanarina ny toe-draharaha ao Myanmar mba ahafan'ireo mpifindra-monina hiverina ao amin'ny firenena sy hiasa ampilaminana no anisan'ny tanjony.

@ThanongK RT @wayne_hay: Sahotaka ao Samut Sakhon satria tonga tao amin'ny foibe ara-tsosialy sy kolontsaina i #ASSK. Voadona sy voatositosika izy

Nahazo seza tao amin'ny antenimiera i Suu Kyi tamin'ity taona ity ary nandresy tamin'ny fifidianana ihany koa ny antoko politikany. Noafahana tany am-ponja i Suu Kyi tamin'ny taon-dasa ary nampisy fanantenana teo amin'ny olona marobe ny fandraisany anjara mavitrika teo amin'ny tontolo politika ho toy ny  marika hitondra fanovana ao Myanmar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.