Etiopia: Tsingerintaonan'ny EPRDF: Misy Inona Hankalazaina?

Ho an'ny Etiopiana sasany ny 28 May dia ‘Androm-pirenena’ raha ny sasany indray mihevitra azy io ho andro iray fankalazana ny fanoloana fitondrana mpamoritra iray taminà iray hafa. Ny 28 May no manamarika ny firodanan'ny  fitondrana Derg mpanao famoretana, izay nifehy ny firenena nanomboka ny 1974 hatramin'ny 1991, taorian'ny nanonganana ny Amperora Haile Selassie tamin'ny 1975.

Ny Ethiopian Peoples’ Revolutionary Front (EPRDF), na Mandatehezan'ny Vahoaka Revolisionera Etiopiana, no teo amin'ny fitondrana nandritra ny 21 taona. Vondrona mpihoko tany aloha ny  EPRDF, izay naka ny fahefana taorian'ny fianjeran'ny governemantan'i  Mengistu Haile Mariam.

Ireo mpiondana aterineto dia nisaina mikasika ilay andro teny anaty bilaogy Etiopiana sy ny Facebook.

Sary ao amin'ny Facebook miantso ny famotsorana ireo gadra politika rehetra ao Etiopia. Sary nampindramin'ny pejy Facebook an'i Ethiopia Mitmita.

Bisrat Gebre, bilaogera iray monina any Addis Ababa, dia nanentana ny Etiopiana sy ny Eritreana mba hiray hina. Anatinà taratasy iray misokatra, izay nosoratany tamin'ny faha-21 taonan'ny nianjeran'ny fitondrana Derg, dia nampiasa ilay tononkalo malazan'i Kibede Mikael ho toy ny ohatra i Bisrat. Hoy izy nanoratra:

…መች ነው የምንገናኝ ከምወዳት እህቴ
አልቆልኝ የማየው የአምሳ ዓመት ናፍቆቴ፡፡

Rahoviana aho no ho afaka hihaona amin'ilay anabaviko, izay tiako loatra
Rahoviana aho no hamarana ny dimampolo taona niainako alahelo

Kanefa, Mesfin Negash dia nanamarika fitoviana nanaitra teo amin'ny fitondrana Etiopiana sy Eritreana ary namoaka fanambarànaan-gazety iray avy amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Etiopiana tao amin'ny pejy Facebook-ny :

Ny andalana manaraka etoana dia fintina nalaina tamin'ny taratasy fifandraisana isan-kerinandro an'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny Etiopiana. Vakio ary ankafizo ny maha-toy ny kambana an'ìreo fitondrana roa ireo na eo aza ny fifankahalàna misy amin'izy ireo. Mamita-tena ny MoFA [Ministry of Foreign Affairs], na Ministeran'ny Raharaham-Bahiny raha minia manadino fa manan-kery manontolo manerana an'i Etiopia ilay filazana, raha tsy hilaza afa-tsy ny anaran'ny firenena sy ny filoham-panjakana.

“Eritrea 21 aty aoriana: mbola eo ambany vahoho sy ziogan'ny filoha Isaias hatrany” [Marina ve?!]

Nankalaza ny faha-21 taonan'ny andro nahazoany fahaleovantenany i Eritrea  omaly, niaraka tamin'ny Filoha  Isaias izay nanao ny kabariny ho an'ny firenana, tamin'ny fomba izay mampiseho ny zotran-kevitra arahany momba ny resaka fihokoana. Maro ireo honohono niseho tato ato nilaza fa tena marary mafy marina tokoa izy taorian'ny tsy nahafahany niseho vahoaka nandritra ny efa ho iray volana.

Efa fomba fanao ho an'ireo mpitondra maneran-tany ny mandefa hafatra fiarahabana ho an'ny Repoblika Demaokratikan'i Etiopia manamarika ny nianjeran'ny fitondrana Derg. Tamin'ny fety fankalazana tamin'ity taona ity dia nasongadin'ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton tao anatn'ny fanambarana an-gazety nataony ny zava-bitan'ny governemanta Etiopiana.

Tsy miombon-kevitra amin'ny votoatin'ilay fanambarana an-gazety i Befeqadu Z Hailu, bilaogera iray monina ao Addis Ababa. Nitanisa fahadisoam-panantenana folo izy, izay nitranga taorian'ny nianjeran'ny fitondrana Derg :

10ሩ የድኅረ ግንቦት 20 ኪሳራዎች
1. ዴሞክራሲያዊ ተቋማት አለመገንባታቸው
2. ከተፅዕኖ ነፃ የሆነ የፍትህ አካላት አለመገንባታቸው
3. ብሔራዊ ስሜት መናዱ (ኢትዮጵያዊነት መኮሰሱ)
4. የብሔራዊ ጥያቄ ምላሽ አለማግኘቱ
5. ፍትሐዊ ያልሆነ የኢኮኖሚ ተጠቃሚነት መስፈን (corny capitalizm)
6. የሙስና መስፋፋት
7. ስርዓቱን የሚተቹ አካላትን ማፈን
8. ነፃ የሲቪክ ማሕበራት አለመጠናከራቸው
9. የነፃ ፕሬስ – ሐሳብን በነፃ የመግለፅ መብት አለመከበሩ
10. ሀገሪቱ በአንድ ጠቅላይ አምባገነን መሪ ስር መውደቋ
(ነብዩ ኃይሉ – ፍኖተ ነፃነት)

Ireo fahadisoam-panantenana 10 taorian'ny 28 May
1. Tsy fahafahana nanangana rafitra demaokratika mahaleotena
2. Tsy fahafahana nanana rafi-pitsarana malalaka
3. Fahaverezan'ny fihetseham-po fitiavan-tanindrazana teny anivon'ireo Etiopiana
4. Tsy fahafahana namaly ireo fanontaniana fototra momba ny raharaham-pirenena
5. Tsy firindran'ny firoboroboana ara-toekarena.
6. Fisian'ny kolikoly
7. Famoretana atao amin'izay tsy mitovy hevitra amin'ny tena
8. Tsy fahafahana nanamafy ny hisian'ny fiarahamonina sivily misokatra
9. Fanagejana ireo gazety tsy miankina sy ny fahalalahana maneho hevitra
10. Mitoetra hatrany ho eo ambany fifehezanà praiminisitra iray mpanao jadona ny firenena.

Mpanao sariitatra iray any an-tsesitany i Abe Tokichaw no nanoratra hoe :

እንግዲህ ኢህአዴግ አሁን በደንብ ጎረመሰ ማለት ነው። ይህ ወቅት ጡንቻ የሚፈረጥምበት ጢም የሚቀመቀምበት ከመሆኑም በላይ እግዜር ላልባረከው፤ ልብ የሚነፋበት ጆሮ የሚደፈንበት አስቸጋሪ ወቅት ነው። በዚህ ዕድሜ ላይ ያለ ያልተባረከ ጎረምሳ ኮረዳዎች “ሳመኝ” ሲሉት እንጂ አዋቂዎች “ስማኝ” ሲሉት ጥሪ አይቀበልም። ከላይ ከላይ መናገር እና ከኔ በላይ ላሳር ማለት ልዩ ባህሪያቱ ናቸው። (አይ ጉርምስና!) እናም ኢህሃዴግ አሁን ዋናው የአፍላ ጉርምስና ወቅቱ ላይ ይገኛል። በአራዶች ቋንቋ “ፍንዳታ” ሆነ የሚባለው ማለት ነው። ወደ ጨዋታችን ዘልቀን ከመግባታችን በፊት “ኢህአዴግዬ ጉርምስናውን በቅጡ ያድርግልህ” ብለን እንመርቀዋለን!

Ny EPRDF (antoko eo amin'ny fitondrana) dia nitombo tsara amin'izao fotoana. 21 taona izao no lasa hatramin'ny niakaran-dry zareo teo amin'ny fitondrana. Ity taona ity dia taona iray manamarika ao anatin'ny vanim-potoana maha-maoty. Ao anatin'ny kolotsainay io taona io [fahamaotiana] dia raisina ho toy ny taona iray anombohan'ny onja iray miainga milamina sy anaty fahatoniana izay mibontsina tampotampoka eo ho lasa tafiotra goavana. Tsy taona mora io, indrindra fa raha tsy matahotra an'Andriamanitra ny olona iray dia tsy hiraharaha velively izay torohevitra omen'ireo olona manam-pahamatorana fa taitatran'ny endrika ivelany sy kanton'ireo tovovavy fotsiny. Ankehitriny aho dia miarahaba ny EPRDF noho ny fitsingerenan'ny nahaterahany sy manolotra firariantsoa mba handalovany vanim-potoana maha-maoty ao anaty fitoniana.

Farany, Markos dia nampitandrina ireo Etiopiana any am-pielezana ao amin'ny pejiny Facebook :

Miala tsiny miteny an'ity, fa ny ankamaroan'ireo Etiopiana am-pielezana no tsy ampy fahalalana momba ny ara-tsosialy aty Etiopia daholo. Matetika ry zareo no manao rahom-bava tsy misy dikany. Ny hany rohy mba ananany amin'i Etiopia no heverin-dry zareo fa hanehoany an-jambany ny fankahalàny ny governemanta, na hitiavany an-jambany azy. Isaky ny miala any ny  Ginbot 20 , dia miantso ny governemanta ho devoly ry zareo na mampiasa teny hafa tsy misy dikany. Ny demaokrasia dia mitaky firotsahana an-tsehatra sy fifanekena – fa tsy fifankahalàna

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.