Palestina: Fahatsiarovana Ny Nakba

Ny 15 Mey no Andron'ny Nakba, rehefa mankalaza ny fandroahana sy fakàna fananana izay natao tamin'ny fotoanan'ny nametrahana an'i Israely tamin'ny taona 1948 ry zareo Palestiniana. Anatin'ity lahatsoratra ity, mijery ny fomba nanamarihan'ireo Palestiniana izany andro izany tamin'ity taona ity tany anaty bilaogy sy Twitter isika.

Midika “Loza” ny “Nakba”, ary maneho ny zotran'ilay fandroahana vahoaka Palestiniana maro be avy any amin'ireo  vohiny nataon'ireo tafika Israeliana, na taloha na taorian'ny fanambarana nataon'i Israely ho fanjakana iray tamin'ny taona 1948, izay niteraka vondrom-piarahamonina  Palestiniana mipetraka any am-pielezana manerana izao tontolo izao.

Nitantara ny tantaran'i Hajj Othman izay voaroaka tao amin'ny vohi-drazany nandritra ny Nakba i Rana Baker, Palestiniana mpitoraka bilaogy :

I Hajj Othman Sa’d Aldeen al-Habbash dia teraka ny 29 Jona 1941 tany amina vohitra kely iray tao Palestina, andrefan'i Ashkelon amin'izao fotoana fantatra amin'ny anarana hoe al-Jura. Ny 4 sy 5 Novambra 1948, nofotsiana tanteraka tsy nisy antra ireo mponina tera-tanin'io vohitra io izay miisa latsaka kelin'ny 3,000 tamin'ny taona 1948. Tahaka an'ireo sisa tavela, Hajj Othman, izay fito taona tamin'izany fotoana, dia nandositra tany Gaza. […] “Namela ny kitapoko tany an-tranoko tany al-Jura aho, nihevitra izahay fa tsy haharitra izany. Nanafika anay tamin'ny fiaramanidiny izy ireo. Novonoina tanatina minitra vitsy monja ny enina amby valopolo.”

Sary amin'ny rindrina any Rafah, ny Lemak'i Gaza ao anatin'ny foto-kevitra fiverenana an-tanindrazana ho an''ireo Palestiniana nitsoa-ponenana. Sary an'i Abed Rahim Khatib, copyright © Demotix (8/05/2012).

Nitoraka bitsika i Iyad El-Baghdadi:

@iyad_elbaghdadi:كان جدي الأكبر يعمل في بناء وإصلاح المراكب في يافا وبعد ‎‫النكبة‬ تنقل إلى بورسعيد ثم دمياط ثم القاهرة
Efa zatra nanangana sy nanamboatra ireo sambo tany Jaffa ny rain'ny raibeko ary taorian'ilay Nakba dia nandeha tany Port Said izy, ary avy eo tany Damietta ary tany Kairo.

Faha-64 taonan'ilay loza antsoina hoe Israely. Sarisary zary tenany an'i Carlos Latuff.

Namaritra ny zava-nitranga tamin'ny raibeny i Sami,  mpitoraka bilaogy :

Teraka tany amin'ny vohitr'i Pamleh ny rain'ny reniko. Niaina tany nandritra ireo folo taona voalohany sy ny antsasaky  ny andro niainany. […] Tamin'ny 1948, anisan'ireo Palestiniana 70.000 voatery niala tao Ramleh, ilay vohitra manodidina an'i Lydda, sy ireo vohitra manodidina rehetra, ny raibeko sy ny fianakaviany. Nodimandry tamin'ny 1987 izy, izay niverina indray mandeha monja tany an-toerana tamin'ny 1970 nitsidika niaraka tamin'ireo mpikambana tao anatin'ny ankohonany an'ireo sisa tavela tao amin'io vohitra io. Fianakaviana Jiosy no monina ao amin'ity trano ity ankehitriny. Na ny ray aman-drenin'ny raibeko, na izy, na ireo mpiray tampo taminy dia tsy nahazo mihoatra ny ‘centime’ iray ho setriny. Azo antoka fa tsy nahazo fampahafantarana ny amin'ny zavany very izy ireo.

Nitantara ny tantaran'ny fianakavian'i Nidal i Jhshannon, mpitoraka bilaogy sady “anthropologist”,:

Avy any amin'ny tanàna Palestinian'i Safed ireo razamben'ny fianakavian'i Nidal– foibe ara-pinoana sy ara-barotra any Galilee any Avaratr'i Palestina. Ny raibeny, antsoina hoe Marwan al-Safedi, dia mpivaortra iray nanan-karena sady mpitarika fivavahana tao an-toerana nandritra ny tapaky ny taonjato faha- roapolo. Niteraka zaza roa, Rashid and Fatima, izy sy ny vadiny , Faidah Sharabi, ary niaina tanatina trano midadasika tany amin'ny sisintany atsimon'ny tanàna. Avy eo tonga ny Nakba, ilay “Loza goavana.” Voatery nitsoaka an'i Safed ny fianakaviana tamin'ny Mey 1948, taorian'ilay Operation Yiftah, tetikadin'ireo hery Jiosy ivelan'ny tafika haka an'i Safed isan'ilay fifandirana goavana izay niafara tamin'ny fananganana ny Fanjakana Israely, nefa niteraka koa ny fandosirana sy fanaovana sesitany an'ireo Arabo an'arivony maro avy any Safed sy ireo vohitra manodidina.

Nilaza ilay Palestiniana mafana fo, Yousef Munayyer hoe :

@YousefMunayyer: Tamin'ilay Nakba tamin'ny 1948, nilaza indray i Ben Gurion fa “Ho faty ny antitra ary hanadino ny tanora” #WeWillReturn48 no fironana eran-tany amin'ny 2012

Ary nitoraka bitsika ilay mpanao gazety, Dima Khatib:

@Dima_Khatib: 64 taona lasa izay, andro tahaka ny androany, maro ireo tahaka ny renibeko, nanomboka niaina ny dia lavitr'ezaky  ny tsy manan-kialofana, mandritra ny androm-piainany iray manontolo ‪#Nakba‬

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.