Syria: Nahatonga Izao Tontolo Izao Hampiaka-peo Ny Vonomoka Tao Houla

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 ity lahatsoratra ity

Tamin'ny 25 May, ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao Houla, avaratra andrefan'i Homs, dia nidina an-dalambe teo amin'ny mitatao vovonana teo, tsy nanampo na dia kely aza fa hoe mety hivaly vonomoka feno habibiana tsy roa aman-tany ny hetsika fanehoan-kevitra nataon-dry zareo. Raha kely indrindra dia 116 no olona matin'ny mpitandro filaminana mpomba ny governemanta.

Io andro io ihany, lahatsary iray [SARY MAHERY SETRA] no nivoaka tao amin'ny YouTube mampiseho lehilahy toa mihazakazaka mandositra tifitra vary raraka. Ireo tatitra dia manambara fa fiara mifono vy, basy marovava, fitaovana fanipazana grenady, ary fitaovam-piadiana mavesatra no nampiasaina tamin'ilay fanafihana. Ilay mpaka sary dia nandrakitra an-tsary ny fidirana aminà tranobe iray izay nahitàna vatana mangatsiaka nivalampatra amin'ny tany, no sady nihiaka ny anaran'ny tanànan'i Houla. Raha ny tara-pahazavana tsinjo dia mahatonga hisaina hoe fiandohan'ilay tifitra vary raraka naharitra ora fito be izao io.

Lehilahy mitam-piadiana mitafy fanamiana miaramila avy eo no nandeha niditra tamin'ireo trano sady nanomboka nifititra olona, anisan'izany ny ankizy marobe.

Lahatsary iray hafa [TADREMO: SARY MAHERY SETRA] no mampiseho efitrano iray heverina ho nametrahana ireo razana – ankizy no maro – norakofana lamba, ary mandritra izany no mihiakiaka ny lehilahy iray manameloka ny fahanginanan'ny tontolo Arabo.

Ireo maty

Tao Houla, ireo mafàna fo toa an-dry Hadi Abdallah no voalaza fa niantso ny mpanaramason'ny Firenena Mikambana ho tonga avy hatrany ho vavolombelona manatri-maso ny zava-mitranga – saingy tsy nisy nanoina:

@Thanku4theAnger: Niantso ny mpitarika ny mpanaramaso avy amin'ny Firenena Mikambana i Hadi Abdallah mikasika ny vonomoka tao Houla. Ny valiny azony : “Tsy avelan'ny fitondrana hivoaka alina izahay”

@Thanku4theAnger: Hadi Abdallah : Maratra maherin'ny 300 mitolona amin'ny fahafatesana no eto anoloanay  & tsy afaka manome na dia izay fitsaboana vonjimaika akory aza izahay

Tonga ihany ireo mpanaramason'ny Firenena Mikambana ny ampitson'iny, ary nanamafy ny isan'ireo maty.

Fandevenana faobe ny vatana mangatsiakan'ireo lavo, Houla, Syria. Sary avy amin'i Masoivoho Sniperphoto, fizaka-manana © Demotix (26/05/2012).

Avy hatrany dia nisy fanehoan-kevitra mahery vaika avy amin'ny lafy valon'ny tany :

@acarvin: Mihoson-drà ireo sary nozaraina tamin'ny alalan'ny tenifototra #HoulaMassacre‬, mahery setra ary mahavaky fo. Zaza mahafatifaty marobe, maty. ‪#syria

@NMSyria: Nanameloka tsy nisy nitsipaka ny fampiasana fitaovam-piadiana mavesatra tamin'ilay vonomoka #HoulaMassacre nahafatesana olona 108 ny filan-kevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana. Mba marina hoe ?

@Hamadx: #AlHoulahMassacre‬ Tena tsy te-hiteraka mihitsy intsony aho. Tsy azo antoka ity tontolo ity, tsy misy ny maha-olona.

Zeinobia, Ejiptiana bilaogera, dia naneho hevitra tao amin'ny bilaoginy:

Na iza na iza nanao izao vonomoka mahatsiravina izao dia tsy manana fon'olombelona mihitsy, olona voasasa atidoha ho lasa milina famonoana fotsiny, izay tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy toy ny olombelona matoa mahavita mamono ankizy toy izao.

Ny 27 May, ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Siriana dia nandà ny maha-tomponandraikitra ny tafika Siriana, nilaza ilay vonomoka ho nataon'ny mpampihorohoro miara-dia amin'ny Al Qaeda. Ilay bilaogera Libaney As'ad Abu Khalil (“Arabo Tezitra”) dia naneho hevitra tamim-pihantsiana :

Fomba ahoana moa izany izao no hanehoako hevitra mikasika ny fandrosoan'i Siria amin'izao? Tsy mino tsotra izao ny fitondrana Siriana sy ireo vondrona mpanohitra Siriana any an-tsesitany aho : izy roa ireo dia samy manana tantaranà heloka bevava, vonoolna sy lainga ary famoromporonana. […] Mazava loatra, ny governamanta miarakana amin'ny antontan'isan'ady feno rà mandriaka sy ny heloka an'adiny (teo ambany fitondran'i Hafidh ary amin'izao eo ambany fitantanan'i Bashshar), afaka tondroina mora foana ho tomponandraikitra tamin'io vonomoka io. Sady tsy manana fahatsiarovantena ara-moraly na soatoavina arahana mba mety ho nisorohana ny tsy hanaovany heloka bevava tahaka izany. Nefa araka izay nambaran'ny namana iray (Amer) tamiko mikasika azy ity : “Izay fomba filaza rehetra naroso ahy dia tsy misy dikany daholo, ny hamaroan'ny lainga dia mahatonga koa ny tsy fahalalàna intsony izay marina: fandarohana baomba? vonomoka? tafika?  vohitra mifanafika? tsy afaka ny hiara-hitranga aminà fotoana iray mitovy ireo rehetra ireo.”

Maysaloon, bilaogera, dia nanakiana ny fomba fijery misabaka nentin'i Abu Khalil :

@Maysaloon: Mazava ny toerana raisin'i Angry Arab momba an'i Syria‬ : aoka izany ny mpanohitra sy ny mpitondra, nefa ny mpanohitra indrindra indrindra, sy ny mpitondra, fa ny mpanohitra indrindra indrindra.

Ruwayda Mustafah nitondra fanamarihana momba ny toerana noraisin'i Rosia:

@RuwaydaMustafah: Vao voaray mihitsy ity. ‘Miteny i Rosia fa samy tafiditra tamin'ny vonomoka tao Houla ny andaniny sy ny ankilany’.  Inona no antony hamonoan'ny mpanao hetsi-panoherana ny zanany naterany?

Ny sasany aza dia nampitaha mihitsy ny governemanta Siriana amin'i Israely (izay tomponandraikitra tamin'ny vonomoka iray tamin'ny taona 1948 tao amin'ny tanàna Libaney atao hoe Houla, izay toa fifanandrifian-javatra angamba):

@SultanAlQassemi: Vonomoka atao amin'ny tsy manan-tsiny – Bashar Al Assad no Ariel Sharon vaovao.

Nanomboka naka toerana ny fitokonana nanerana an'i Siria ho fanehoana firaisankina amin'ireo niharam-bono :

@HamaEcho: Fitokonana faobe any amin'ireo tsena lehibe ao Damaskaosy androany ho fanamelohana ny vonomoka nataon'ny fitondrana.

@ZainSyr: Nikatona daholo ireo toeram-pivarotana tao amin'ny Tsena tranainy ao Medhat basha & Hareqa! Sambany ry zareo ireo no nandray anjara taminà fitokonana! ‪Damaskaosy! Akaiky ny farany isika

Ilay bilaogera Yorikirii dia nahatsiaro ilay vonomoka tamin'ny alàlan'ny  tononkalo :

Misy toerana anatin'ny ady
Nanjary lasa Tany Masina
Toerana natao vonomoka. teboka fiolahana
Iza no nanao izany? fantatsika rehetra. iza no manontany?
Miteny ho azy milaza ny fahamarinana ny zava-misy mitranga eny an-kianja
Toerana Masina amiko. andro iray tamin'ny volana May. i Houla izay

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 ity lahatsoratra ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.