Qatar: Firehetana Mahatsiravina Namoizana Aina Tao Aminà Toeram-pivarotana Lehibe Iray

Tamin'ny 28 May nidedaka ny afo tao amin'ny Villaggio Mall tao Doha, niteraka faty olona sivy ambinifolo, ka telo ambinifolo tamin'ireo no ankizy. Fito ambinifolo hafa naratra.

Voafandriky  ny afo ka tsy afa-nivoaka tao amin'ny toeram-pitaizana nisy azy tao anatin'ilay toeram-pivarotana lehibe ireo ankizy, ary maty sempotry ny setroka tao izy ireo sy ny mpampianatra efatra. Mpamono afo roa no maty teo ampiezahana hamonjy azy ireo.

Avy aminà firenena maro samihafa ireo namoy  ny ainy, isan'izany i Frantsa, Nouvelle Zealand, Filipina, Afrika Atsimo sy Espana.

Fa inona no nitranga?

Ny Minisitry ny Atitany ao Qatar no nitatitra hoe :

@MOI_QatarEn: Nilaza ny Minisitra fa iray minitra monja taorian'ny naharaisany ny vaovao dia tonga teny an-toerana ny tarika mpamonjy voina avy amin'ny polisy ary roa minitra taty aoriana tariky ny Fiarovana Sivily .

@MOI_QatarEn: Saingy ny tsy fisian'ny drafitry trano (plan), ny setroka matevina sy ny hafanana ary ny tsy fahatomombanan'ny foto-drafitrasa natao ho famonoana afo no sakana tamin'ny fandrosoan'ny ezaka  fanavotana tao amin'ny  Villaggio.

@MOI_QatarEn: Taraiky loatra koa vao nisy ny fampandrenesana fa hoe misy ankizy tavela ao anatin'ilay tranobe ka nahavoatery an'ireo mpamono afo hiditra avy any ambony tafo nony farany.

Setroka avy ao amin'ny Villaggio Mall. Sary nakarin'i @LivinginDoha.

Kirsty Rice, mponina ao Doha,  no nanolotra antsipirihany bebe kokoa ao amin'ny bilaoginy :

Mety ho tavela tsara ao anaty ny andro androany, ho toy ny iray amin'ireo fotoana mazina indrindra ho an'i Doha. Ho an'ireo izay nilaza tamin'ny fianakaviana sy  ny tapaka sy namana fa hoe tanàna maha-te-ho tia ary mendrika hanabeazana ny taranaka i Doha, ho tsaroana fa androany no andro nahavery izany tsy fananan-tsiny izany. Amin'ny maha-vondrom-piarahamonina antsika, araka ny nolazain'ny namako Erika tamin'ity hariva ity, isika dia “ngolin'ny alahelo”. […] Ankizy telo ambinifolo no voafandrika tao anatin'ilay toeram-pitaizana, azo eritreretina hoe ny làlana tokony nivoahan-dry zareo, tohatra iray, dia nikorotsaka noho ny herin'ny hafanan'ny afo. Mbola miandry fanamarinana ny toerana tena marina niavian'ny afo. Tao anatin'ilay toeram-pivarotana lehibe ilay toeram-pitaizana, midika izany fa mandia lalàna misangodingodina sy lalàntsara mifanapatapaka be ianao vao tonga any. Raha araka izay mba fantatro, rehefa tonga tamin'ireny lalantsara ireny ireo mpamono afo dia efa tsy azo nidirana sy nampidi-doza ny fidirana tamin'izy ireny, dia notapahana ny hevitra fa ny hany làlan-tokana hidirana any dia tsy misy afa-tsy  ny fandavahana ny tafo. Ny fotoana handavahana ny tafo no ela, fa efa tara loatra, efa maty ry zareo. Ankizy telo ambinifolo mahafinaritra sy maha-te-ho tia, mpampianatra efatra ary mpamono afo roa. Ny fahasemporana noho ny setroka dia nidika hoe nentina nivoaka efa tsy nisy aina intsony avy tao amin'ilay tranobe ny vatana mangatsiaka kelin-dry zareo.

Ao anatin'ity lahatsary ity, ilay mpianatra ho mpanao gazety, Usama Alony (usamaah2290) dia nanadihady vavolombelona iray nanatri-maso no sady nandrakitra an-tsary ny ezaka fanavotana (manamarika izy fa mety hanohina no fahitan'ny mpijery sasany azy ity):

Fa inona avy moa no zavatra takiana amin'ny fiarovana aina?

Nitatitra ireo vavolombelona fa samy tsy nisy nandeha na ny fanairana na ny famonoana afo tao amin'ny Villaggio Mall.

Nilaza  ny fahagagàny i Nano :

@fermoreno: Tsy mampino ny hoe i Villagio  no manana ireo toeram-pivarotana tsara indrindra tsy takatry nysaina eritreretina, nefa dia tsy nandeha ny fitaovana famonoana ny afo #Villagio #Qatar

Raed Al Emadi nibitsika an-katezerana hoe:

@Ra_ed: Qatari aho ary izay mpandraharaha tia tena  tsy miraharaha akory ny fiarovana ny mpanjifa dia tsy mahasolo tena ny atao hoe Qatari amiko! #Qatar #villagio

Ny lahatsary manaraka avy amin'i TheVanishforever dia manasongadina ny tafatafa iray nifanaovana taminà mpiasa amin'ny trano fisakafoanana, izay tao amin'ny Villagio, izay araka ny filazany, nandritra ny efatra taona niasany dia tsy tsaroany ho nisy fanazaran-tena momba ny mety hisian'ny haintrano izany :

http://www.youtube.com/watch?v=8kRQ2bLtsTg

Ary mba taiza ireo mpampahalala vaovao tao an-toerana?

Tezitra ireo mponina tao Doha amin'ny toa tsy firaharahan'ny media tao an-toerana ilay haintrano, ary tsy mba nanome fanavaozam-baovao akory.

Ilay Afrikana Tatsimo, Bilal Randeree, dia nanakiana ny tsy fisian'ny fandrakofam-baovao nataon'ny fampielezampeo tao an-toerana :

@halalcomedy: Nihitsoka tao anaty fifamoivoizana noho ny haintrano tao amin'ny #Villagio ary voatery nihaino ny  #QBSradio miresaka fijangajangan'ny vady ao an-trano amin'ny mpanampiny! #occupyqbs

Avy any Libia, Hamid nanontany mikasika ny tambajotra Qatari Al Jazeera ao :

@2011feb17: Andraikaky ô, miaraka amin'ireo mpanangom-baovao an'aliny ananan'ny Aljazeera manerana izao tontolo izao ve dia hadinon-dry zareo ny mba nandefa iray tany  Doha? #VillaggioFire news blackout!

Ny mpamokatra ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy ety anaty aterineto, Ben Piven, tahaka ireo maro hafa, dia niarahaba ny bilaogy Doha News tamin'ny  fandrakofana nataony:

@benpiven: @dohanews no hany loharano manome vaovao tena izy momba ny  #VillaggioFire. Fahabangana goavana raha ny fandrakofam-baovaon'ny media ao an-toerana taorian'ny tsy fahatomombanan'ny fiarovana ny olona tamin'ny fahamaizanà toeram-pivarotana lehibe.

Ny gazety ao Qatar, The Peninsula, tao anatin'ilay lahatsoratra hoe “Resin'ny fampahalalam-baovao ankehitriny (New media) ny nentim-paharazana” dia mahatsapa ny anjara toerana noraisin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tamin'ny fitaterana ilay haintrano.

Fiaraha-misaona ireo namoy aina mba ho toy ny Doha tokana  ihany (#OneCommunityDoha‬)

Nisy fikarakarana hanaovana  fivoriam-bahoaka ao  amin'ny Aspire Park ao Doha ny 29 May teo mba ho fanohanana ireo fianakaviana namoy havan-tsy foy tamin'ny haintrano tao amin'ny Villaggio. Satria ireo namoy ny ainy dia vahiny monina ao Qatar avokoa, nalaky tamin'ny fitondrana ny fanohanany ry zareo  Qataris.

Qataria78 , mpampiasa Twitter, nibitsika hoe :

@Qataria78: Tsara maraina aby, andro iray izay no lasa, saingy ao an-tsainay foana kosa ianareo, Ry Reny, tsapanay ny alahelo zakainareo:( ‪#villaggio‬ #‪#VillaggioFire

Abdulla Ali Almannai nanontany hoe :

@abdullaalmannai: Raha mba fantatrareo ny fomba hahafahana mifandray amin'ireo fianakaviana namoy havan-tsy foy dia mba zarao azafady// te-hamangy ireny fianakaviana ireny ny vahoaka Qatari ‫#حريق_فلاجيو‬ ‪#VillagioFire‬

Ary Fatima Al Kuwari nibitsika hoe :

@fkuwari: Izay fanahy iray mivelona eto amin'ity tany ity dia singa iray ihany koa aminay rehetra, Qatari na tsy  Qatari, fiarahamonina iray ihany isika rehetra. Mandria am-piadanana ianareo niharan-doza tao #VillagioFire‬

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.