Brezila: Mpihira Fanta-daza Manome Voninahitra Ilay Reniny Tsy Manam-paharoa

Telopolo taona taorian'ny nahafatesan'i Elis Regina, iray isan'ny endrika malaza amin'ireo mpiantsehatra mpiangaly mozika Breziliana, ny zanany vavy Maria Rita, mpihira nanao izay hahatafita ny tenany tamin'ny herin'ny tena, dia niaka-tsehatra hihira ireo hiran'ny reniny, sambany hatrizay nihirany. Efa manana folo taona mahery nihiràna sahady i Maria Rita, nahalafo maherin'ny iray tapitrisa tamin'ny rakikirany voalohany.

Ilay fitetezam-paritra ‘Viva Elis’ na  ‘Ho Ela Veolan i Elis’, ahitàna kaonseritra maimaim-poana dia nitety ireo tanan-dehibe Breziliana, Porto Alegre, Recife, Belo Horizonte, São Paulo sy Rio de Janeiro, nofaranana ny 13 May, ho fanamarihana ny Andro natao ho an'ny Reny. Nanjary lohahevitra noresahana be tao amin'ny Twitter [pt] ilay fitetezam-paritra, na tao Brezila na nanerana izao tontolo izao.

Elis Regina, fantatra amin'ny hoa  ‘Pimentinha’ na ‘Little Pepper’ noho ny fihetsiny sahisahy, dia nampiseho fomba fiakarana an-tsehatra mafonja, mahery vaika izay nanjary lasa marika amantarana azy. Voalohany nahafantarana ilay mpihira ny hirany hoe  ‘Arrastão’ izay nahazo ny loka Brazilian Popular Music Festival [pt] Fetiben'ny Mozikam-bahoaka Breziliana tamin'ny 1965.

Noho ny toerana misy azy eo amin'ny seho an-tsehatra amin'ny mozika Breziliana, taorian'ny nahafatesany i Elis dia namela mpankafy marobe izay mahatsiarotsiaro  ny feony. Tsy azo nihodivirana ny fampitahana azy ny zanany vavy rehefa niakatra teo an-tsehatra i Maria Rita niaraka taminà feo tsy nifanalavitra loatra. Na izany aza, nifidy ny hiala ny aloky ny reniny ilay zanaka vavy, tsy mbola nihira mihitsy ny hira efa nohirain'ny reniny. Hatreto.

Maria Rita performing in São Paulo, May 5, 2012 by Instagram user @rocharonald, used with permission

Maria Rita niaka-tsehatra tao São Paulo, 5 May 2012 avy aminà mpampiasa Instagram, @rocharonald, fampiasàna nahazoana alàlana

Jéssica Rodrigues, avy ao amin'ny vavahadin-seraseran'ny bilaogy Maria Rita, dia manoritsoritra [pt] ny fivaivain'ny fanehoan-kevitry ny mpanatrika tao Belo Horizonte tamin'ny 8 Aprily 2012:

A platéia se divide ao longo do show em participar ativamente, cantando, vibrando e empolgando e em outros momentos, a serem meros espectadores, silenciando para contemplar as obras como sinal de devoção, tamanha a genialidade e emoção.

Nandritra ilay seho manontolo dia nampifandimbiasin'ny mpijery ny fandraisana anjara mavitrika, fihiràna, fiaraha-mirona sy fidoladolàna, ary indraindray, fijerena anaty fahanginana mandritra ireo hira ho toy ny mariky ny fitiavana lalina. Fotoana tena nampihetsi-po tokoa ireny.

Nahafahan'ireo andian-taranaka samihafa nihaona ilay hetsika, tamin'ny alalan'ny fihaonan'ireo mpankafy an'i Elis Regina sy Maria Rita. Tao São Paulo, Maria Rita niteny tamin'ny olona [pt] fa tamin'ny alàlan'ny mozika no tena nahalalany tsara ny reniny, fony mbola efatra taona monja i Rita no maty i Elis. Ireo mpankafy an'i Maria Rita koa dia tamin'ny alàlan'ny feon'ny zanany vavy no nahalalany ny asan'i Elis, araka ny bitsika nalefan'i Carla Santos [pt] mpampiasa twitter, ho an'i Maria Rita:

Seu objetivo foi alcançado. Hoje na fila aqui em BH [Belo Horizonte], tinha fãs seus,que estão conhecendo melhor sua mãe. Graças a você. Parabéns!

Tratranao ny tanjonao. Filaharambe ny androany tao Belo Horizonte ho an'ireo mpankafy ny mozikanao izay tonga nahalala ihany koa ny reninao misimisy kokoa. Misaotra anao. Arahabaina !

Fefeu, avy amin'ny bilaogy Clube da MPB, dia manoritsoritra [pt] ny nitrangan'ny  zavatra toy izao tao São Paulo:

A diversidade do público presente tornou o ambiente ainda mais bonito e agradável. Fãs de Elis, pertencentes a antigas gerações, os quais tiveram importantes passagens de suas histórias marcadas por canções alegres ou tristes interpretadas por ela, sentiram-se ainda mais emocionados quando Maria Rita entrou em cena explicitando expressões corporais, trejeitos, coreografia e timbre muito próximos aos de sua mãe. Foi como voltar no tempo.

Ny fahasamihafana nisy teo amin'ireo mpanotrona dia nahatonga ny rivotra niainana ho tena nahafinaritra sy nahasondriana. Ireo mpankafy an'i Elis avy amin'ny sokajin-taonan'ny zokinjokiny izay nanana vanim-potoana teo amin'ny fiaiinany voamariky ny hirany manokana dia nangorintsina nony niakatra ny sehatra i Maria Rita tamin'ny feo sy fihetsika tsy mifankaiza amin'ny an-dreniny, na rehefa mifindra toerana na rehefa mandihy dia mitovy tanteraka. Toy ny hoe nanao dia mianoatra indray ny fotoana.

Nameno  ny tambajotra sosialy ireo sary nalain'ny mpankafy taorian'ilay kaonseritra. Ilay mpampiasa Twitter, Dudinha Sales [pt], dia nizara sary iray ahitàna irao vahoaka be tao amin'ilay kaonseritra tao  Recife:

Crowd at Maria Rita Concert, Recife, April 1, 2012, by Twitter user @mdudasales, used with permission

Vahoaka be nanatrika ny kaonseritra nataon'i Maria Rita , Recife, 1 Aprily 2012, avy amin'ilay mpampiasa Twitter @mdudasales, fampiasàna nahazoana alalana

Carol Mendonça nandrakitra [pt] ny hafanànan'y seho tao  São Paulo:

Maria Rita sings Elis in São Paulo, May 5, 2012. Photo by Flickr user Carol Mendonça, used with permission

Maria Rita nihira an'i Elis tao São Paulo, 5 May 2012. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr, Carol Mendonça, fampiasàna nahazoana alalana.

Hatramin'ny fandefasana SMS sy fakàna sary, ireo mpankafy an'i Maria Rita sy Elis Regina koa dia nandrakitra anaty lahatsary an'ilay fitetezam-paritra. Ny fikarohana ny teny hoe ‘Maria Rita Elis Regina’ dia nanome raki-tahiry ampolony maro. Ilay mpampiasa YouTube, ‘smaila’, dia nampakatra lahatsarin'i Maria Rita miresaka mikasika ny fifandraisany amin'ny hiran'i Elis Regina.

Ny teny an-jorony amin'ny lahatsary dia i Jane Ellis no namoaka azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.