Bolgaria: Niteraka Fanontaniana Ny Fanomezana Natolotry Ny Filoha Ho An'ny Papa

Nitsidika an'i Vatican ny filohampirenena Boligara Rosen Plevneliev tamin'ny 24 Mey,  Andron'ny Fampianarana sy ny Kolontsaina ao Bolgaria sy Andron'ny Literatiora Slavy. Nandritra ny fihaonany tamin'i Papa Benoà XVI, nanolotra atody paka goavambe ho an'ny Papa ny filoha Plevneliev, asantanan'ilay mpanao sary sokitra Boligara Georgi Andreev.

Vita amin'ny vy “inox” sy ankosotra volamena ilay atody, natambatra tamina vato kristaly (2,000 rubis kristaly menamena) izay miloko avana, ary ahitana sampana 11 miendrika diamondra eo afovoany misy hazo fijaliana misoratra. Mirefy 2,3 metatra ny haavon'ilay atody ary milanja 200 kg – ary voarakitra tarehintsoratra Boligara ihany ilay atody.

Tsy nisy fampahalalam-baovao Boligara namoaka ny momba ny vidin'ity fanomezana sarobidy ity. Na dia izany aza, naneho hevitra sy nanontany ny maro kosa ireo mpiserasera Boligara.

Mpanao gazety Boligara Ivan Bedrov namoaka ny sarin'ny Papa sy ny filoha Boligara nitsangana teo akaikin'ilay atody,hoy izy nanoratra tao amin'ny bilaoginy:

[…] Vao mijery fotsiny, ngezabe noho ny filoha sy Papa ilay atody. Akorandriaka volamena? Tsia, hazo noely? Misy atody aloha, sa tsy izay? “Fabergé” goavambe eo anilan'ny sezam-birao, miaraka amin'ny tandroka miraikitra eo amboniny. Fa inona no ao anatiny, misy olona hilaza ny marina ve? […]

Tao amin'ny fampahalalam-baovao an-olo-tsotra, nanjary vazivazy sy fihomehezana ilay fanomezana. Indreto sombiny nofantenina tamin'izany:

#Fanomezana ratsy tena ratsy…

#Inona no ifandraisan'i Boligara amin'ny atody na Fabergé? Inona ny hafatra? Angamba noho isika miompy akoho?

#Asa-tanana ratsy (kitsch) goavambe. Ara-bakinteny.

#Goavambe tahaka izao… Toa tahaka ny natahotra ny haben'ilay atody ny Papa.

[…]

#Tena marina! Iza no nanamboatra ilay asa-tanana? Ohatrinona ny vidiny? Iza no nandoa ny vola?

[…]

Ny vaovao tsara dia tsy novidiana tamin'ny alalan'ny volam-bahoaka ilay fanomezana. Ny fanontaniana dia hoe: manamarika ny inona ilay fanomezana ary inona no hambaran'i Bolgaria amin'izao tontolo izao momba ity fanomezana ity. Satria tsy misy isalasalana fa nampidanàka izao tontolo izao ny sary. Mifandraika amin'ny mariazy Boligara ny fampifandraisan-kevitra voalohany tonga tato an-tsaiko izay mahavariana hatrany ny fanolorana  fanomezana goavambe tahaka ny fitaovana fanasa-damba mandeha amin'ny herinaratra fa tsy sary kely. Amin'ny teny anglisy, antsoina hoe “excessive” na “tafahoatra” izany[…]. Toy izany fanomezana izany no natao tamin'ny fitsidihana nataon'i Georgi Parvanov [filohampirenena talohan'i Rosen Plevneliev] tamin'ny mpandimby an'i [Turkmenbashi][…].

Mpanao gazety mahaleotena Martin Ivanov nanoratra ity tao amin'ny bilaoginy:

[…] Taloha, nolavin'i Vatican tsotra izao fotsiny ny fanekena ambasadaoro nalefan'i filoha [Boligara]. Raha nanapa-kevitra nametraka ny diplaomasia amin'ny alalan'ny fanomezan'ankizy tampotampoka toy izany i Pleneliev,  tsy misy azontsika atao afa-tsy ny mijery izay ho fiantraikany amin'ny, [filoha Alemana Joachim Gauck], amin'ny [filohan'i Etazonia Barack Obama], na amin'ny filohan'ny Frantsa François Hollande. […]

Mpanao gazety Ruslan Yordanov naneho hevitra tao amin'ny pejiny ao amin'ny Pogled.info fa ny “Vatican ‘Fabergé’ eo afovoan'ny [horohorontany mahery vaika] ao amin'ny firenentsika dia manamarika fa efa very tanteraka ny filoha.

Tao amin'ny Facebook, niady hevitra sary hafa an'ny filoha Boligara, Papa sy ny atody ny olona:

Miguel Blank: Tsy azoko mihitsy hoe nahoana no misy Fabergé sandoka goavambe miaraka amin'ny endri-tsoratra?

Kockata Slavov:‎ Fa taiza no nahitan'izy ireo vola nividianana ity tsirinaina vavy ity? Avy amin'ny vahoaka Boligara, tsy mba misy vola natokana ho an'ny ankizy sy ny mpisotro ronono – kanefa manambola isika hividianana zavatra goavambe tahaka izao. Tsy laitran'ny vavoniko mihitsy ireto mpanao politika ireto……………

Tao amin'ny pejy Facebook “Kvartala.bg,” nahitana ity tsikera momba ny fanomezana avy amin'ny filoha ity:

Tsy misy idirantsika…. saingy nanome atody milanja 200 kg ho an'ny Papa i Plevneliev, ny omalin'ny 24 Mey. Nandritra ny roa taona no nanamboaran'ilay mpanakanto ilay atody goavambe. Eheeee, midika izany fa nomanina sy nokarakarain'i Plevneliev mialoha ny fanomezana talohan'izy mbola tsy lasa filoham-pirenena,  izany hoe tamin'ny fotoana naniriany ho lasa filoha.  Izany ka nofinofy tokoa, tena lalina.

Tao amin'ny takelaka fametraha-kevitra tamin'ilay lahatsoratra Dnes momba ny fanomezana avy amin'ny filoha, hoy ny mpamaky iray naneho hevitra:

Soa ihany, mbola misy toerana malalaka kely nipetrahan'ny olona ao Vatican taorian'ny nametrahana ilay atody…

Tao amin'ny Twitter, nahitana fanehoan-kevitra ihany koa

@bang_limited wnanoratra hoe [bg]:

Plevneliev – “Karazana fanomezana tsy nampoizina fanaon'ankizy amin'ny diplaomasia Boligara izy ity: Nanolotra atody milanja 200  kg ny filoha Rosen Plevneliev […]

@ssstto nanoratra hoe:

Nanome atody goavambe an'ny Papa i Plevneliev, atody hiteraka Lady Gaga.

@PolinaPaunova nanoratra hoe:

Toy ny politika nasionaly ny Kitsch. Mijoro tsara toy ny ankizivavy mpianatra i Plevneliev….

Sioka avy amin'ny HBO Bolgaria:

Mpankafy ny Lalao Thrones ve ny filoha Plevneliev, ka izany no mahatonga azy manolotra atody dragona ho an'ny Papa?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.