Meksika: #YoSoy132, Fiandohan'ny Lohataona Meksikana?

Nanatrika seha-pifaneraserana niaraka tamin'ny mpianatra avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Iberoamericana ny kandidà ho filoham-pirenena atolotry ny  Antoko politika Revolisionera (Institutional Revolutionary Party) (PRI), i Enrique Peña Nieton tamin'ny Zoma 11 May. Nanamarika ny fihaonana ny fanoherana nataon'ireo mpianatra izay efa imbetsaka no nitsipaka ilay kandidà .

Iray volana izay no lasa hatramin'io Zoma io hatramin'ny nikatonan'ny fampielezan-kevitra ofisialy ara-politika ho an'ny Filatsahana ho filoham-pirenena ho an'i Meksika. Ny karazana fifidianana toy itony, hatramin'izay ka hatramin'izao, dia mbola tsy nahasintona ny sain'ny mpifidy mihitsy, satria efa tsinjon'ny olona fa tsy resy mihitsy ny kandidà avy any an-tampony.

Ho an'ny olona maro, dia nitanila ny fandrakofan'ny haino aman-jery ny fandalovan'ilay kandida, toy ny an'ny Mexican Editorial Organization izay nisafidy ny lohateny lehibe ho an'ny fanontany ny ampitson'io manao hoe : “Fandresena ho an'i Peña tany Ibero nanoloana ny fikasàna fibodoana efa nomanina” [es]. Nanjary fangaronà vanja mipoaka, izay nivoaka voalohany tao amin'ny haino aman-jery sosialy, ary ankehitriny maka ny  heriny eny an-dalambe any amin'ireo tanàna lehibe Meksikana.

Lavidavitra kokoa, lazain'ireo mpanao politika ho “porros” (fomba fiteny ho an'ireo mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny fasista, izay mampiasa herisetra ho fomba fanehoana ny fomba fijeriny) na jiolahimboto ireo mpianatra, izay novalian'ny mpianatra Ibero tamina lahatsary mitondra ny lohateny hoe “valintenin’ ny mpianatra Ibero miisa 131” [es] izany, izay anehoan'izy ireo ny karatra maha-mpianatra Iberoamerikana azy ireo.

Taorian'izay, naneho avy hatrany teo amin'ny kaonty twitter-ny ny mpandalina ara-politika Denise Dresser (@DeniseDresserG) [es] hoe:

RT 131 Alumnos de la Ibero pero somos mas los que sentimos igual,SUMATE #somosmasde131yo soy el 132.Y tú,te sumas?

RT  Mpianatra Ibero 131 saingy maro aminay no nahatsapa ny toy izany koa, ATEVENO ny #somosmasde131 (mihoatra ny 131 izahay) Izaho no faha-132. Ka, isan'izany ve ianao?

Nitarika fihetseham-po rojonà bitska maro ity bitsika ity teo anivon'ny andian-tanora maro izay miantso ny tenany hoe “ny faha-132″. Pejinà tranonkala iray ihany koa no namboarina hampahafantarana mikasika ny hetsika sy ny fihetsiketsehana: http://yosoy132.mx/ [es].

Nanohitra ny fanodikondinana ataon'ny haino aman-jery ny mpianatry ny Anjerimanontolo ny 23 May. Sary nalain'i Hector Aiza Ramirez, nampiasàna ny Demotix copyright.

Tamin'ny Sabotsy 19 May, tanora avy amin'ny sampam-pianarana maro no niantso hanao hetsi-panoherana izay nanomboka tao afovoan-tanànan'i Meksiko – atao hoe Zocalo – ary nandeha namakivaky ny lalambe Independence Angel, ny tanjony dia ny hampahalalana ny Meksikana rehetra sy izao tontolo izao mikasika ny fanodinkodinam-baovao ataon'ny haino aman-jery hita tamin'ity fifidianana ity.

Tamin'ny Alarobia 23 May, nanao hetsi-panoherana hafa ny tanora mpianatra, tamin'ity indray dia nanomboka teo amin'ny Light Stele ary nandeha nankany amin'ny Foiben'ny Televisa (Tranoben'ny Fahitalavitra) mba fandrakofana tsy mitanila ny vaovao tena marina mikasika ny fandehan'ny fifidianana.

Misy ireo toa an'i Andrés Oseguera (@AndresOsegueraV) [es] izay nanomboka niantso an'ity hetsika ity hoe “ny Lohataona Meksikana”:

Ity ve izany no – tena – Lohataonantsika Meksikana? La #MarchaYoSoy132 (Izaho no mpanohitra faha-132) #NoMasTelevisa (Tsy Mila Televisa Intsony)

Ilay hetsika dia nivadika ho oksyzena ho an'ny fiainana ara-politikan'ny firenena izay ny fahalainana no lalàna nisy tao, araka ny lazain'i Ivan CD (@ivan6500) [es]:

Esta pinche generación ha conseguido un milagro La #MarchaYoSoy132 cuando perdia mi fe en Mexico aparecieron ustedes!!! #GRACIAS!

Nanao fahagagana ity taranaka mahazendana ity. #MarchaYoSoy132, raha iny izaho ilay very finoana mikasika an'i Meksiko iny no nivoaka tampoka ianao!!! #MISAOTRA!

Nanohitra ny fanodikondinam-baovao ataon'ny haino aman-jery ny mpianatry ny Anjerimanontolo ny 23 May. Sary nalain'i Hector Aiza Ramirez, nampiasàna ny Demotix copyright.

Isan'ny avy amin'ny zavatra sahalahala amin'izao izay tsikaritry ny maro teo amin'ny kandida mpandresy sy ny sarintsarim-pandaharana nataon'ny Televisa no nahatonga ny fisavoritahan-tsaina. Nanolotra  teny faneva iray, heno tao amin'ilay hetsi-panoherana, i Leopoldo Pérez (@leo_lpv) [es] :

Ny #MarchaYoSoy132 tsy mila sarintsarim-pandaharana izahay, trano fianarana no ilainay!

Natao tamina tanàna maro manerana ny firenena ireo hetsi-panoherana, toy ny tany Oaxaca, Cuernavaca, Saltillo, Mérida, Guadalajara, ankoatry ny maro hafa, hetsika izay maneho ny tsy fahafaliam-pon'ny tanora goavana manoloana ny haino aman-jery mahazatra. Hoy i Erika-Flowers (@ErikaFlores27) [es] nanoratra:

Ny haino aman-jerim-bahoaka momba ny #MarchaYoSoy132  dia vaovao mpamoritra sy mpanasa atidoha ampiasain'ny “matanjaka”…

Nifoha tamin'ny torimasony ity vondrona tanora mifangaro ity ary naneho ny tsy hafaliany manoloana ny olana mahavaky fo eo anatin'ny firenena izay misy iainana andavanandro miaraka amin'ny ambaratongam-pahantrana mampahatahotra, ahitana fahafatesan'olona maherin'ny 60.000 noho ny ‘ady‘ nanoherana ny vono olona efa nomanina, ary ny olana ara-tsosialy tsy misy fiafarana izay vao maika mahatonga azy ho ratsy kokoa, araka ny ambaran'i David Sánchez Romero (@Deiv_SR) , mba hanànana Meksika tsaratsara kokoa:

México entrará en un momento de: YO NO ME VOY A DEJAR FREGAR, YO YA NO, ENTIENDAN YO SOY UN JOVEN QUE QUIERE UN MÉXICO MEJOR

Hiditra ny vanim-potoan'ny: TSY HAMELA NA IZA NA IZA HANDENTIKA AHY INTSONY AHO, FANTARO FA TANORA NY TENAKO ARY MILA MEKSIKA TSARATSARA KOKOA.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.