Andian-dahatsary: Miady Amin'ny Fanilikilihana ny Fitenin-Janatany

Ny tantaran’ny mpitolona sy ny fiarahamonina indizeny manerantany izay mijoro manohitra ny fanilikilihana sy manome vahaolana hanomezan-danja indray ny fitenin-drenin’ny indizeny no hoentin’ny andian-dahatsary Al Jazeera's Living the Language (Al Jazeera Mamelona Fiteny) ho antsika.

Ao Bolivia, Aymarà na Quechua avokoa no ankamaroan’ny mponina, kanefa noho ny fanjanahantany, nanjary ofisialy sy nanjakazaka ny kolontsaina sy ny teny Espaniola. Taona vitsy lasa izay, nitombo ny fisantarana andraikitra mba hanafoanana ny fanilikilihana, satria nihevitra ireo Boliviana marobe fa ny olona tsy nandia fianarana sy manana fari-piainana ambany ihany no miteny Aymara. Talohan’ny nahavoafidy an’i Evo Morales no efa natomboka ny ezaka, izy no filoha taranaka Aymara voalohany nampiditra indray ny resaka indizeny tao anatin’ny fandaharan’asa politikany. Ohatra tamin’izany ny hetsika ara-kolontsaina, nahitana ireo mpiangaly rap sy mpanankato hip hop mihira amin’ny teny Aymara, tao koa ny sekoly manomboka mampianatra ny teny Aymara sy ny kolontsaina Aymara, nahitana mpitolona ihany koa ny hetsika. Ny tanjon’izy ireo: ny hanjakan’ny fitenin’ny indizeny bebe kokoa sy hamporisika ireo tanora ao an-drenivohitra, izay mety menatra na misy mananihany rehefa miteny ny fitenin’ny indizeny, mba hitondra avo ny fiteniny sy ny kolontsainy.

Mitovy amin'ny tantaran’i Aymarà ihany ny tantaran’ny mponina Mayana ao Goatemalà: Ny vanim-potoanan’ny fanjakazakana tao amin’ny taniny, ny fanandevozana sy ny fanjanahana no nahatonga ny mponina Mayana ho toy ny vahiny ao amin’ny taniny.

Nanjakan’ny teny espaniola avokoa ny tontolon’ny fampianarana, politika sy ny fampahalalam-baovao, tarehy fotsifotsy mitsiky sy soratra amin’ny teny espaniola manambany ny mponina Goatemalteka no mameno ny takelaby manerana ny firenena.

“Tsy nampidirina [tamin’ny fiainam-bahoaka] ny fitenin-dreninay sy ny kolontsainay,” hoy i Saq'chen Roberto Montejo. “Izany ny fomba iray natao mba tsy hanekena anay.”

Miteny fiteny isan-karazany maherin’ny 20 ny fiarahamonina Maya –eken’ny fanjakana noho ny ara-teknika ny fampiasana ny fiteny tsirairay avy amin’izany, saingy vitsy ny ezaka atao hampiroboroboana izany.

Ao New Zealand, efa 30 taona no natomboka ny ezaka fanavotana ny teny Maori. Mampahafantatra ny ezaka nataon’ny mpikatroka sy ny mpandalina teny ny lahatsary, izay nitondra ny fanampiany tsy tamin’ny famerenana ny fitenin-dreny ihany, fa tamin’ny famerenana ny kolontsaina Maori ihany koa noho ny fisian’ny akanin-jaza fampianarana teny izay nahafahan’ireo olona taloha nampita ny fahalalany tamin’ireo ankizy, tanora ary ny ray aman-dreniny tao amin’ny fiarahamonina. Efa lehibe avokoa ankehitriny ireo mpianatra voalohany tao amin’izany akany izany ary efa miroborobo ihany koa ny sekoly mampianatra ny teny Maori ankehitriny, tsy mampiasa ny teny Maori ihany ny ankamaroan’ny olona amin’ny fiainana andavanandro sy ny asany fa mampita ihany koa ny lanjan’ny fomba amam-panao amin’ny zanany ao an-trano. Ity manaraka ity ny momba ny andian-tantara, izay azo jerena ao amin’ny tranokalan’i Al Jazeera.

http://www.youtube.com/watch?v=MdJIumMsM70

Andian-tantara hafa: Kanada: Ny Ktunaxa, Aostralia: Ny Vahoaka Teratany Zanatany ary andian-tantara feno Fiteny: Eo an-dalam-pahaverezana sy hoentin’ny Onja.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.