Però: Ny fomba niarovan'ny Achuar ny taniny tamin'ireo orinasa mpitrandraka solitany

Ilay sarimihetsika Chumpi & The Waterfall (Chimpi sy ilay riandrano) no mitantara ny fiainan'i Chumpi kely sy ny fiarahamonina nisy azy, ny Achuar izay mponina mipetraka ao amin'ny alan'ny Amazonina eo amin'ny sisintany mampisaraka an'i Pero sy Ekoatera. Aseho ao amin'ilay sarimihetsika, nadika an-tsoratra amin'ny teny anglisy, ny harena ananan'ny Achuar amin'ny fiainany andavanandro sy ny fepetra noraisin'izy ireo hiarovana ny taniny amin'ireo orinasa goavana mpitrandraka solitany.

Ao amin'ny tranonkala The Achuar Movie nataon'nyAmazon Watch, no ahitana fanampim-panazavana betsaka mikasika ny fiarahamonina Achuar sy ny foko hafa tompontany any an-toerana izay mifampizara ny tany sy ny fomba fiaina amin'izy ireo ary ny ahiahin'izy ireo amin'ny fanomezan-dàlana nomen'ny fanjakana an'ireo orinasa goavana mpitrandraka solitany hampiasa ny tany, satria heverin'izy ireo fa tsy misy tompony sady tsy mandroso iny toerana iny. Amin'ny alalan'ny fampiasana GPS sy fitsidihana ny tany, no nanaovan'ny Achuar sarintany miaraka amin'ireo harena ao anatiny, ary manantena izy ireo fa hanampy azy amin'ny famerenana ny taniny izany sy ho fanajana ny harena ao aminy.

 

Avy ao amin'ny tranonkala:

Chumpi and the Waterfall (TeleAndes) (Chumpi sy ny riandrano) dia sarimihetsika notanterahana tao amin'ny fiarahamonina Achuar any Chicherta ao amin'ny alan'ny Amazonina any Però, ao amin'ny renirano Huasaga alohan'ny hahatongavana eo amin'ny sisintany hidirana an'i Ekoatera. Tendrombohitra io toerana io ary ahitana biby marobe sy renirano marobe feno hazandrano. Milamina sy tony tsara ny fiainana andavanandro any an-toerana.

Chumpi, miaraka amin'ny rainy sy ny raibeny Irar, manao fitsangatsanganana ao amin'ilay riandrano masina izay efa nanehoana tamin'izy ireo fahitana fony izy ireo mbola kely. Ny tanin'ny Achuar, tafiditra ao anatiny ity riandrano ity, no tandindonin-doza amin'ny fitrandrahana solitany. Mino ireo Achuar fa mandoto ny ranony sy mandroaka ny fanahin'i Arutam hiala tao ny fitrandrahana solitany, ka tsy hahita fahitana intsony mandrakizay ireo taranaka ho avy rehetra.

Asehon'ny tranonkala amin'ny alalan'ny andiana sary maro ny fiainana andavanandron'ny Achuar, miaraka amin'ny fanazavana ny  maha zava-dehibe ny tanin'ny Avchuar avy amin'ny alalan'ny sarintany nataon'izy ireo:

Achuar hand drawn map using GPS points

Manampy hahafantarana ny zarantany Achuar ny teboka asehon ny GPS

Afaka manampy ny achuar ianao amin'ny fiarovany ny taniny ianao raha mizara ity sarimihetsika ity ato amin'ny aterneto, na amin'ny alalan'ny fanasoaniavanao ny fanangonan-tsonia atao manerana izao tontolo izao , na amin'ny alalan'ny fisoratanao anarana hahazoanao ny vaovao farany rehetra ao amin'ny tranonkala Amazone Watch na amin'ny alalan'ny fanomezanao vola ho an'ny Achuar.

Sarina ankihiben-tanana Achuar iray nalaina tao amin'ilay sarimihetsika ao amin'ny tranonkala Achuarmovie.org .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.