Witness: Mianatra Mampiàsa Lahatsary Ho An'ny Fiovàna

WITNESS, fikambanana iray mpiaro  zon'olombelona tsy mitady tombotsoa  any Etazonia, dia mandrisika ny olona hamadika ireo trangana fanararaotana manokana niainany ho fitaovana matanjaka ho an'ny rariny. Natsangan'ilay mpiangaly zava-maneno Peter Gabriel tamin'ny 1992, ny WITNESS dia miasa ho amin'ny fampandrosoana ny zon'olombelona avy amin'ny alalan'ny fampiasàna ny lahatsary ho an'ny fiovàna manerana  firenena maro erak'izao tontolo izao.

Manome loharanom-panofanana ilaina ho an'ireo fikambanana sy mafana fo mpiaro ny zon'olombelona mba hanaovany ny asany tsara kokoa io fikambanana io. Mifototra amin'ny “fisoloana vava amin'ny lahatsary” ny fomba fiasàn'ny ‘WITNESS’, izay raisina ho fitaovana tafiditra anatin'ireo fanentanana hiarovana ny zon'olombelona ny fampiasàna ny lahatsary. Nanofana olon-tsotra avy any amin'ireo firenena maherin'ny 80 avy amin'ny alalan'ny atrikasa fifanampiana izy ary nanome kamera ho an'ireo mafana fo sy mpitarika vondrom-piarahamonina voafantina. Mampahery ny olona hanao tahirin-kevitra sy hamoaka ireo habibiana tsy misy mpahita ilay vohikala fizarana lahatsariny, The Hub. Mitantana tetikasam-pitandroana goavana ihany koa izy amin'ny alalan'ny Rakitra Media an'ny WITNESS.Witness Nanomboka ny fanofanany feno sy takatry ny rehetra mikasika ny fisoloana vava ny zon'olombelona ny WITNESS avy amin'ny alalan'ny lahatsary, izay azonao sintonina maimaim-poana. Manasongadina fotokevitra 7 sy fizarana 37 manokana, maharitra eo anelanelan'ny 30 minitra ka hatramin'ny 6 ora eo izany. Ireo fotokevitra ireo dia manome fahalalana momba ny fomba fampiasàna lahatsary ho amin'ireo hetsika fisoloana vava ny zon'olombelona, mamorona ary manolotra tantara azo antoka ho fanohanana ny fanentanan-dry zareo, ireo paika amin'ny famokarana lahatsary sy zavatra maro hafa ihany koa. Anatin'ny fizarana tsirairay avy dia ahitana ireto PDF azo sintonina ireto :

  • Famaritana ireo tanjona tratrarin'ilay fotoam-piofanana, sy ny zavatra hianarana sy hiainan'ireo mpandray anjara;
  • fampiasàna ny sary mifandimby amin'ny PowerPoint , izay mifampidimpiditra mba hahafahanao mahita ireo teboka manan-danja sy ny firafitr'ilay fotoam-piofanana.
  • Fanamarihan'ny mpandrindra izay manasongadina ny firafitry ny fotoam-piofanana; teboka manan-danja, ny antsipirihany mikasika ireo loharano sy ny fandinihana tranga, ary ireo tolotra fanazaran-tena ho vitaina mandritra ilay fotoam-piofanana.
  • Manampy amin'ny fitarihana ireo mpandray anjara ny fanamarihana natao ho azy ireo ary manome fanampim-pahalalana ilaina ho fanohanana ilay fotoam-piofanana.
  • Tafiditra ao anatin'io fizarana io ireo tahirin-kevitra, ary misy rakitrasa ho an'ireo mpandray anjara ihany koa.

Sarin'ny mombamomba ilay Lahatsary Ho An'ny Fiovàna

Miaraka amin'ity mombamomba azy ity, ny WITNESS dia mikatsaka ny hanitatra ny fiantefan'ireo tetikasa fanofanany ho any aminà vondron'olona midadasika kokoa sy samihafa, ireo fikambanana, ary ireo tambajotra anatin'ny aterineto na tsia. Afaka mahita nymombamomba ny WITNESS ianao ato amin'ity fanolorana iray ity .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.