Paragoay: Jery Anatin’ny Fiarahamonin’ny Zanatany Aché.

Ny fitolomana ny fiarovana ny sisintaniny no nandanian'ny zanatany (Indizeny) Achény androantokon-tantarany. Mampiasa valantserasera  ihany koa ny Aché ankehitriny mba hiarovany fitenin-dreniny sy ny kolontsainy. Ny bilaogy Aché Djawu ] (“Tontolon’ny Aché”) sy  kaonty Twitter maromaro no mitantara ny jery ao anatin’ireo fiarahamonina  indizeny Aché enina.

Taorian’ny fandripahan'olona nampihena ny isan’ny mponina ho 350 nandritra ny taon-jato 20, nihanitombo tsikelikely ny isan’ny Aché tao amin’ny fiarahamonina enina izay ahitana mponina eo amin’ny 1500 eo ao Avaratra sy Atsinanan’i Paragoay.

Iray tamin’ireo tetikasa nahazo fanohanana vao haingana tamin’ny Rising Voices ny Aché Djawu (“Tontolon’ny Aché”) tamin’ity taona ity. Nanazava ny talen’ny Rising Voices, Eduardo Avila:

Ny handray tanora maromaro isaky ny fiarahamonina Aché enina no tanjon’ny  tetikasa mba handray anjara amin’ny atrikasa lehibe ho fampianarana ny fampiasana bilaogy, ny lahatsary sy ny sary nomerika, ary koa ny tambazotra sosialy,  izay fomba hiarovana sy hampiroboroboana ny fiteniny sy ny kolontsainy

Amin’ity lahatsary manaraka ity, nanasa ireo  mpiserasera i Marciano Chevugi avy ao amin’ny fiarahamonina Aché ao Chupa Pou mba hitsidika ny bilaogy sy hanaraka ny Twitter an’ny fiarahamonina. Nisaotra ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanohanana sy ny famonjena ary ny fiarovana ny kolontsainy ihany koa i Chevugi. (Fanamarihana:  nanomboka niteny ny fiteny Aché I Chevugi nandritra ny fotoana fohy ary niteny espaniola indray avy eo. Nadikan’i Eduardo Avila tamin’ny teny anglisy ny dika an-tsoratra an’ilay faritra misy teny espainola amin’ity lahatsary ity)

Lehibe ny andraikitra sahanin’ny bilaogy amin’ny fandraketana ny tantaran’ireo fiarahamonina Aché. Nanoratra tantara fohy mikasika ny fiarahamonina Aché ao Chupa Pou ny lahatsoratra tamin’ny 29 Aprily 2012. Tao anatin’izany lahatsoratra izany, nanazava i Chevugi fa tamin’ny 9 Mey 1979 no nananganan’ny vondrona Aché  sy ny  Divine Word missionary (misioneran'ny tenin'Andriamanitra) ny fiarahamonina. Nanoratra ihany koa i Chevugi fa manana ala voajanahary  mirefy 8600 hektara izay manamorona ny reniranon’i Jejui Guazu ao amin’ny faritanin’i Canindeyu ny fiarahamonina ankehitriny:

[…] hoy la comunidad tiene 120 familias, en total 600 habitantes, cuenta con escuela y colegio; 220 alumnos en total, hoy una nueva construcción de puesto de salud dentro de la comunidad que sera equipada de primeros auxilios, también esta dentro de la liga de fútbol de Ygatimi, con el club 20 de enero. En el agricultura cada familia hace para su auto consumo y renta, la comunidad cuenta con pequeña parcela de 25 hectáreas mecanizada para ingreso de la comunidad.

[…] Fianakaviana 120 no mandrakotra ny fiarahamonina ankehitriny izay manome mponina mitotaly 600. Manana sekoly ny fiarahamonina izay ahitana mpianatra  mitotaly 220, manana toera-pitsaboana vaovao ihany koa ny fiarahamonina izay ahitana fitaovana ilaina amin’ny fitsaboana maika [fotodrafidrasa]. Anisan’ny mpikambana ao amin’ny ligin’ny baolina kitra Ygatimi ihany koa ny fiarahamonina, izay ahitana ny ekipa '20 de enero’. Eo amin’ny sehatry ny fambolena, samy manana ny famokarany izay foto-pivelomany ny fianakaviana tsirairay. Manana velarantany mirefy 25 hektara ihany koa ny fiarahamonina mba hamokarany ho fidiram-bolan’ny mponina.

Mampiseho ny tantaran’ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny fiarahamonina ihany koa ny bilaogy. Ny “tsanganana nosoratan’i Cho Mbywangi” ohatra, mampahafantatra fohy ny fikambananan’ny vehivavy mpitarika ao amin’ny fiarahamonina:

Me llamo Margarita Mbywangi vivo en la comumidad Kuetuvy, trabajo en área de salud. Soy líder de la comunidad, me gusta mucho rescatar la cultura Aché, hacer el parto y jugar con los niños y escuchar la historia y la vida de la gente.

Margarita Mbywangi no anarako. Monina ao amin’ny  fiarahamonina Kuetuvy aho, ary eo amin’ny sehatry ny fahasalamana no asako. Anisan’ny mpitarika ny fiarahamonina aho, [ary] tiako indrindra ny miaro ny kolontsaina  Aché, manampy ny vehivavy amin’ny fiterahany, milalao amin’ny ankizy, ary mihaino ny tantara sy ny fiainan’ny mponina.

Margarita Mbywangi no olona indizeny voalohany lasa Minisitry ny Raharahan’ny Indizeny tao Paragoay tamin’ny taona 2008.

Fanampin’izany, zanatany  maro no nandray anjara tamin’ilay tetikasa vao haingana momba ny fitantarana ny fiainana sy ny fomba amam-panao ao amin’ny fiarahamoniny amin’ny alalan’ny sary. Ity sary manaraka avy amin’i Francisco Kandeg ity ohatra dia mampiseho ny “lalao nentim-paharazan’i Aché”:

Sary: Francisco Kandegi, Puerto Barra.

Sary maro hafa azonao jerena ato amin'ny kaonty Flickr an'i Aché.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.