Lesotho: Daty Voapetraka Hanaovana Fifidianana Solombavambahoaka 2012

Hanao ny fifidianana solombavambahoaka i Lesotho amin'ny 26 May 2012.  Nandraikitra ny datim-pifidianana ny Mpanjaka Letsie III taorian'ny fahombiazan'ny fifampiraharahana ara-politika niantsorohan'ny mpanelanelana avy amin'ny Southern African Development Community (SADC).

Mibilaogy avy any Lesotho, Michael Jordan mitatitra hoe :

Nipoaka ny herisetra politika tany amin'ny faritra voahodidin'i Afrika Atsimo mbola aty alohan'ny fifidianana hatao ny 26 May – izay fambara iray mampiahiahy ao anatin'ny nambaran'ny mpandalina iray ho “fitsapàna rarin-tsaina” farany hoan'ny demaokrasia aty Afrika ambanin'i Sahara. Nipoitra aty ny fivakivakisana miaraka amin'ny vono olona ankalamanjana, ny honohono amin'ny fisianà “kômandô,” ary ny fifandonana mandritra ireo famoriam-bahoaka ho fampielezan-kevitra.

Koa dia nanasa ny arseveka Tutu ny Firenena Mikambana mba hanamafy ny demaokrasia ao amin'ny firenena, izay tao no nitarihany voalohany ny raharaham-pitandremany tamin'ny 1976.78, talohan'ny nanombohany ny tolona hanosehana ny fanavakavahana tao akaikiny tao. Tamin'ny Zoma, ny “fivoriam-bavaka” notarihany dia nahasintona antoka avy amin'ireo mpifanandrina ara-politika mba hitandr ny fandriampahalemana sy hanaiky ny valim-pifidianana.

Tamin'ny fitanisàna ny herisetra politika fahiny tao Afrika Atsimo, Tutu dia nandrisika ny mpanatrika izay nahitàna ny praiminisitra ao Lesotho, “Miangavy, miangavy, miangavy, miangavy indrindra, aza avela hitranga eto amin'ity tany faran'izay kanto loatra ity ny tahaka izany. Tsy misy mihitsy zavatra sarobidy azo atakalo hasolo ny ain'ireo tsy manan-tsiny.”

Mpandatsabato nandritra ny fifidianana tao Lesotho tamin'ny 2007. Sary nindramina tamin'ny pejy flickr an'ny GNDEM.

Manohy izy :

Ny fifidianana ao Lesotho dia tsy mijanona fotsiny amin'ny maha-latsabato mahabe resaka azy ao anaty firenena mitoka-monina sy zara raha heno. Tonga hatramin'ny soson-karatra fanamarinana fifidianana mahomby manerana ny kaontinanta : Ghana, Guinea, Liberia, Niger, Nizeria, sy Zambia dia samy vao avy niaina fifidianana tam-pilaminana. Nisy ihany tsy fahatomombanana vitsivitsy tsikaritra : fanonganam-panjakana roa nitranga tao Mali sy  Guinea-Bissao, ary fifidianana tsy neken'ny rehetra tao Cote D’Ivoire tamin'ny faramparan'ny 2010 izay nivadiko mora foana ho ady an-trano.

Khotso avy any Lesotho manamarika fa hoe maro loatra ireo antoko politika tafiditra amin'ny resa-pifidianana ka sarotra ny manjohy azy rehetra :

Eo an-tampon-dohantsika izao ny fifidianana eto Lesotho. Ny andro voatondro ho fifidianam-pirenena dia ny 26 May. Ao anatiny tanteraka ireo antoko politika izao, miaraka aminà hetsika sy famoriam-bahoaka. Rehefa faran'ny herinandro dia mivoaka sy mihirahira ny olona, milanja saina, mampitandahatra ny soavaliny, ary manentana ny olona hifidy ho an'ny antokony. Betsaka antoko politika eto, noho izany dia sarotra be ny hanjohy azy ireny tsirairay, nefa farafahakeliny dia misy antoko politika 2 lehibe izay ilazan'ny olona fa hisian'ny tena fifidianana tery dia tery mihitsy. Nanangana antoko politika vaovao ny praiminisitra amin'izao fotoana mba hihazakazaka miaraka aminy amin'ny fifidianana ary efa nisy sahady ny adiady kely madinika (fifampikasihan-tànana raha ny marina) na dia teo anivon'ity antoko iray ity aza.

Na dia tsy zavatra nironana loatra tety anivon'ny aterineto aza ny resa-pifidianana, nisy ihyany ireo bitsika nifampizara ny vaovao, n y fomba fihevitra sy fijery momba ny fifidianana ny 26 May:

@takwiram: fifampiandaniana & fivakisana, fipatitahan'antoko & fandavana fifidianana. Manana Parlemantera 120 i Lesotho + Loholona 33 ho anà vahoaka 2.2. tapitrisa & sy Harin-karena faobe 1.600 dolara isam-batan'olona

@KayZeeKokotela: ireo fifidianana hatao eto Lesotho ny 26 May, ho vavolombelona iray amin'ny fahalalahan'i Basotho.

@TumiVolume: “@KommandaObbs: Manahiran-tsaina ny hoe firenena kely toa an'i Lesotho dia misy antoko politika maherin'ny 17 manohitra ny valin'ny fifidianana izay ho ao amin'ny antenimiera.” demaokrasia

@Snitzerd: @WilliamJHague. ny Fitondram-panjaka eto  Lesotho dia hiroso amin'ny Fifidianana Solombavambahoaka ny 26 May…ilaina ny fanohanana avy amin'ny iraisam-pirenena

@gophlyone: Tsy mbola nisy fifidianana teto Lesotho nifanjevoana be tahaka izao, tsy vitanao ny hiteny hoe iza no hivoaka ho mpandresy…LCD, DC, BNP sa ABC

@KCMokoma: Ity faran'ny herinandro ity no hiavaka indrindra amin'ny samy faran'ny herinandro eo amin'ny tantara ara-politikan'i Lesotho. Mivavaka amin-toky hisian'ny fifidianana milamina izahay

Hatao ao anaty herisetra ara-politika ireo fifidianana ireo. Ny Lesotho Political Parties Leadership Forum dia milaza fa hisy ny “kômandô” natsangana hamono ireo olona sangany amin'ireo fifidianana ho solombavambahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.