Zeorzia: Andianà Mpitondra Fivavahana Ortôdôksa Nanafika Mafàna Fo LGBT

Tamin'ny hetsika isan'ny voalohany indrindra tamin'izy itony teto amin'ny firenena mba hanamarihana ny  17 May, Andro Manerantany Hiadiana Amin'ny Fanilikilihana, dia nosakanan'ny andianà Kristiana Ortodoksa ireo Olona Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana LGBT  Zeorziana raha nilahatra tao afovoan-tananan'i Tbilisi renivohitra Zeorziana.

Ireo pretra mitarika ny fikambanan'ny Raiamandreny Ortodoksa, na Union of Orthodox Parents (UOP) dia nangataka ny hanakanana  ireo mpanao diabe, tamin'ny filazana fa mety hitarika any amin'ny fahasimban'ny ara-moralin'ireo tanora taranaka fara sy dimby io ao anatin'ny firenena iray izay Kristiana no betsaka.

Ireo LGBT mafàna fo dia namaly tamin'ny fiangaviana azy ireo tsy hibahan-dàlana mba hitohizan'ny diabeny, saingy rehefa tsy nahomby ny ezaka nataon'ireo pretra sy  ny UOP mba handresena lahatra ny polisy teo akaiky teo hampiato ilay diabe, dia teraka ny fifampikasihan-tànana.

Sary avy amin'ny TSpress.ge

@gabo_ge: პოლიციამ იდენტობის სამი აქტივისტი დააკავა მათ შორის ლევან გერიანიძე

Nisambotra mafàna fo miisa telo tao Identoba ny polisy , fikambanana iray miasa mamaha ireo olan'ny LGBT.

@temuchin22: მმკ ხალხს სცემს და ნაცემი ხალხი მიჰყავთ განყოფილებაში. მიმიფურთხებია ასეთი სამართალდამცავი ორგანოსთვის! მოვითხოვ მმკელების დაპატიმრებას!

Nidaroka olona ny UOP (Union of Orthodox Parents) ary ireo voadaroka dia nentina any am-ponja, fampiharan-dalàna atao fahatany, angatahako hosamborina koa ireo UOPs.

@lishtotah: Ny maha-mafàna fo LGBT efa voafetra hatrany amin'ny “fanaovana ny diaben'ny rehareha voalohany indrindra” dia tsy hanao afa-tsy ny hanampy solika handrehitra ny #fanilikilihana #homophobia ao #Tbilisi :pelaka eto:

@JohnHesslewood Raha toa ny tohan-kevitra fototra avy aminao dia hoe ‘fomba ahoana no ahafahana miaro foto-kevitra toy izany ety an-dalambe’ , averiko aminao ny fanontaniana mitovy amin'izany, ry krisitiana #tbilisi

Sary an'ny TSpress.ge

Sary an'ny TSpress.ge

Araho ity rohy ity raha hijery sary bebe kokoa.

Niampanga ilay fifandonana ny ankabeazan'ny pejy Facebook, izay nanova ny sary tao amin'ny mombamomba azy ho fanohanana ireo mafàna fo.

Andro iraisam-pirenena Hanoherana ny Fanilikilihana sy ny “Transphobia”

Fa izao, tsy vao voalohany izao ny UOP no nanelingelina fifamoriana am-pilaminana. Tamin'ny 2008, ohatra, tanora Zeorziana marobe no niharan'ny fanafihany satria nikarakara Halloween natao teny an-kalamanjana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.