Bangladesh: Nidina An-dalambe Ny Mpamahana Bolongana Noho Ilay Famonoana Mpivady Mpanao Gazety

Telo volana izay no lasa taorian'ny namonoana ireo mpivady mpanao gazety Sagar Sarwar sy Meherun Runi. Hatramin'izao anefa, mbola tsy nahitana mangirana ny fanadihadiana niantsorohan'ny polisy mikasika ny antony nahafaty azy mivady. Tsiahivina fa vao maraimbe tamin'ny 11 Febroary 2012, fatin'izy mivady feno ratra no hita nitsitra tao amin'ny trano fonenany ao Andrefan'i Rajabajar, ao Dhaka.

Naneho ny tsy fankasitrahany mikasika ny fizotran'ny (na ny tsy fisian'ny) famotorana ataon'ny Sampam-pitsikilovan'ny polisy (DB) momba ny antony nahafaty azy mivady ny fitsarana ambony ao Bangladesh. Araka izany,  nafindra tao amin'ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava sy ny asa fampihorohoroana-Rapid Action Battalion (RAB ny fisahanana ny famotorana. Efa nalevina ny vata mangatsiakan'izy mivady rehefa avy natao fandidiam-paty imbetsaka (autopsie) hizahana ny antony nahafaty azy ireo. Na dia izany aza anefa, mbola mitarazoka hatrany ny fanadihadiana .

Nidina an-dalambe indray ihany koa ny mpamahana bolongana, mba hitaky ny rariny mikasika ny nahafaty ireo mpivady nisy namono. Nikarakara fihetsiketsehana teo anoloan'ny trano fivarotam-bokim-panjakana ao Shahbagh, ao Dhaka izy ireo tamin'ny 11 Mey lasa teo. Ity no fihetsiketsehana faha-efatra notontosain'izy ireo. Ahitana  ireo mpamahana bolongana miventsoventso hira-panoherana ity lahatsary eto ambany ity:

Lahatsary hafa mampiseho ireo mpamahana bolongana milanja labozia mirehitra, ho fitakiana ny marina mikasika ny raharaha nahafatesan'i Sagar-Runi:

Teny am-boalohany, niezaka nanakana ny fihetsiketsehan'ireo mpamahana bolongana ny polisy tamin'ny fametrahana ny fiaran'izy ireo teo amin'ny toerana nanaovana ny hetsika sy tamin'ny tsy fanomezana herinaratra ho azy ireo hiseraserana ao an-toerana. Taty aoriana, tamin'ny alalan'ny hirahira tsy mampiasa fitaovam-pitenenana “microphone” no nitondran'ireo mpamahana bolongana ny hetsika. Sohel Mahmood nampahafantatra anay ny  programa nandritra ny andro:

নানা বাধা ডিঙিয়ে হয়ে গেলো বাংলাভাষার ব্লগারদের প্রতিবাদী সংগীতের আয়োজন। পুলিশের “কমিশনারের অনুমতি লাগবে” টাইপের বক্তব্য, বিদ্যুতের লাইন টানায় বাধা আর সন্ধ্যার কিছু ভাগে “হঠাৎ বৃষ্টি”। তবে, সব বাধা ডিঙিয়ে প্রতিবাদী এই সংগীতে যোগ দেন ব্লগার, সাংবাদিক, ছাত্র-ছাত্রী আর সাধারণ মানুষ।

Ho fiampitana ireo karazana sakana, tamin'ny alalan'ny fiventsoana hira-panoherana am-pahibemaso no nitondran'ny mpamahana bolongana Bangla ny hetsika. Nanambara ny lehiben'ny polisy fa “ilaina ny mangataka fahazoan-dalàna”, ka izany no tsy nahazoan'izy ireo ny herinaratra vonjimaika ahafahana miserasera amin'ny aterineto tao an-toerana, ary na dia avy tampoka koa aza ny orana ny hariva, tsy nahasakana ireo mpamahana bolongana, mpanao gazety, mpianatra sy olo-tsotra  hanohy ny hetsika izany izay naneho ny firaisankinany sy ny fandraisany anjara amin’ny fihirana ny hira-panoherana

Police using barricades to prevent journalists from entering the Home Ministry premises. Image by Firoz Ahmed. Copyright Demotix (15/05/2012)
Polisy nampiasa sanka-dalana ho fanakanana ireo mpanao gazety  tsy hiditra ao amin'ny Minisisteran'ny Tranom-bokatra. Sary avy amin'i Firoz Ahmed. Copyright Demotix (15/05/2012)

Ho fitakiana ny fisamborana tsy misy hatak’andro ireo nahavanon-doza tamin’ny famonoana an’i Sagar sy Runi, nanambara ny  fikambananan’ny mpanao gazety fa nisy ny hetsika gherao  notontosaina tao amin’ny  Ministeran’ny Tranom-bokatra tamin’ny 15 Mey. Nandray anjara tamin’izany hetsika izany ihany koa ny mpamahana bolongana. Nifandona tamin’ny polisy anefa ireo mpanao fihetsiketsehana. Vitsivitsy ny sary  ahitana ireo polisy manakana ny mpanao fihetsiketsehana tsy hiditra ao amin’ny Minisiteran’ny Vokatra  izay azo jerena ao amin’ny Pejy Facebook  misy ny Fitakiana ny marina mikasika ny raharaha Sagar-Runi. Tamin'ny fiafaran'ny hetsika, nambara tamin’ny vahoaka ny dingana manaraka sy izay fandaharan’asa momba ny hetsika ho atao. Ireto manaraka ireto ny fandaharan’asa mikasika ny  fihetsiketsehana hokarakarakin’ny mpanao gazety sy ny mpamahana bolongana:

১. ২০ মে থেকে ১৫ জুন পর্যন্ত সবগুলো মিডিয়া হাউসে সভা-সমাবেশ।

২. ৫ জুন জাতীয় সংসদে গিয়ে স্পিকারের কাছে সাগর-রুনি হত্যাকারীদের গ্রেফতার ও বিচার দাবিতে স্মারকলিপি প্রদান।

৩.  ২৬ জুন প্রধানমন্ত্রীর কার্যালয় অভিমুখে পদযাত্রা।

৪. এরপরও সাগর-রুনির হত্যাকারীদের গ্রেফতার ও বিচার না করা হলেও দেশের সব সাংবাদিক কর্মবিরতি কর্মসূচি পালন।

1. 20 Mey hatramin’ny 15 Jiona – Fivoriamben'ny vahoaka manerana ireo trano mpamokatra fampahalalam-baovao
2. 5 Jiona – Diabe mankany amin’ny antenimiera mba hanatitra taratasy fampatsiahivina ao amin'ny filohan'ny Antenimiera, ho fitakiana ny fisamborana sy ny fitondrana eo anivon'ny fitsarana ireo izay namono an’i Sagar-Runi
3. 26 Jiona – Diabe mankany amin’ny toeram-piasan’ny Praiminisitra.
4. Raha mbola tsy vitan'ny fanjakana ny mampiakatra ny raharaha eo anivon'ny fitsarana, hiato tsy hiasa sy hanoratra vaovao ny mpanao gazety rehetra manerana ny firenena.

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.