Iran: Tsy Voakapoka in-25 Noho Ny Nanoritsoritany Mpanao Politika Ilay Mpanao Sariitatra

Cartoon by Mahmoud Shokraye

Sariitatr'i Ahmad Lotfi Ashtyani nahatonga an'i Mahmoud Shokraye hanana olana tamin'ny mpitondra fanjakana.

Voasazy [fa] hahazo kapoka 25 noho ny nanoritsoritany ilay mpikambana parlemantera teo aloha avy amin'ny mpifikitra ny mahazatra, Ahmad Lotfi Ashtyani, tao amin'ny gazety-bokin'i Amir Nameh ao amin'ny Arak  ilay mpanao sariitatra Iraniana, Mahmoud Shokraye.

Nisy ny fanentanana an-tserasera ho fanohanana ilay mpanao sariitatra; ka maro ireo mpanao sariitatra nanao sarisary ho fanohanana an'i Mahmoud Shokraye.

Heverina ho nahomby izany satria nisintona ny fitoriany [fa] ilay mpanao politika teo aloha ihany tamin'ny farany ny andron'ny Alatsinainy 14 Mey 2012.

Nanohana ny hevitra tamin'ny alalan'ny fanaovana sariitatra i Mana Neyestani, ilay lohalaharana eo amin'ny fanaovana sariitatra Iraniana.

Cartoon by Mana Neyestani

Sariitatr'i Mana Neyestani ao amin'ny Mardomak.org

Vahid Nikgoo nandoko sariitatra ahitana an'i Ahmad Lotfi Ashtyani mijery ny tenany anaty fitaratra ka miteny hoe, “Rehefa mitondra anareo any amin'ny fitsarana aho ka mamoaka didy hikapoka anareo, azonareo izany tsy mampiseho ahy tahaka izao izany.”

Mety mahasolo mihoatra noho ny teny arivo ny sary iray, saingy mety hampigadra sy hikapohana anao ny sariitatra any Iran.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.